Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Mey
“Ahoana ny hevitrao amin’ity fanontaniana ity?” Asehoy ny fanontaniana voalohany any amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey, ary avelao izy hamaly. Iaraho midinika ilay fanontaniana ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey
“Olona maro no te hahafantatra hoe hanao ahoana ny hoavy. Rehefa mieritreritra ny hoavy ianao, tsisy mampahatahotra anao ve, sa manahy ihany ianao? [Avelao izy hamaly, ary mamakia andinin-teny iray eo amin’ilay efajoro hoe “Efa Nampahafantatra ny Hoavy Andriamanitra.”] Resahin’ity gazety ity ny zavatra sasany nolazain’Andriamanitra hoe hitranga, ary hazavainy hoe nahoana no azo antoka fa hitranga izy ireny.”
Mifohaza! Mey
“Raha ny fahitanao azy, miady saina kokoa noho ny taloha ve ny olona amin’izao? [Avelao izy hamaly.] Olona maro no nahatsapa hoe nanampy azy tsy hiady saina be ny torohevitry ny Baiboly, anisan’izany ity. [Vakio ny Matio 6:34.] Resahin’ity gazety ity ireo zavatra efatra tena mahatonga adin-tsaina, sy ny toro lalan’ny Baiboly mety hanampy ny olona tratran’izany.”
Fanamarihana: Mety hahaliana manokana ny mpiasa birao io “Mifohaza!” io.