Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Jona
“Misy fanontaniana mahaliana ity. [Asehoy azy ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona.] Ahoana ny hevitrao?” Avelao izy hamaly. Iaraho midinika ilay fanontaniana ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Olona enina tapitrisa eo ho eo no matin’ny sigara isan-taona. Araka ny hevitrao, inona no azo atao mba hampihenana an’izany? [Avelao izy hamaly.] Maro no afaka tamin’ny sigara na tsy nifoka mihitsy rehefa nahafantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Intỳ misy andinin-teny manampy ny olona hieritreritra hoe misy vokany amin’ny hafa ny fifohana sigara. [Vakio ny 1 Korintianina 10:24.] Hazavain’ity gazety ity fa afaka manampy ny olona hiala amin’ny sigara ny fahafantarana ny hevitr’Andriamanitra.”
Mifohaza! Jona
“Tiantsika ny hoe mana-namana. Araka ny hevitrao, inona no toetra tsara indrindra ananan’ny olona iray raha tena namana izy? [Avelao izy hamaly.] Intỳ misy torohevitry ny Baiboly azon’ny mpinamana ampiharina. [Vakio ny Jakoba 1:19.] Miresaka toro lalana efatra hanampy antsika ho namana tsara ity gazety ity.”