Hatsarao ny Fanompoanao: Omano ny Fampidiran-dresaka
Nahoana izany no tena ilaina? Raha tsy mahaliana ny fampidiran-dresakao, dia mety hofaranan’ilay olona avy hatrany ny resaka nefa ianao mbola tsy afaka nitory taminy akory. Mpitory maro àry no mihevitra fa ny fampidiran-dresaka no zava-dehibe indrindra amin’izay holazainy. Marina fa misy fomba fitory modely amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana sy amin’ny boky Fandresen-dahatra. Tsy ny fampidiran-dresaka manontolo foana anefa no omena any, amin’izay ny mpitory afaka manovaova azy arakaraka ny zava-misy. Azo ovana koa izay fampidiran-dresaka efa eo, ary azo atao ny manomana fampidiran-dresaka hafa mihitsy. Hahita vokatra kokoa àry isika raha manomana tsara ny fampidiran-dresaka, fa tsy milaza an’izay sendra ny vavantsika fotsiny rehefa manokatra varavarana ilay olona.—Ohab. 15:28.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Manokàna fotoana hanomanana sy hamerenana fampidiran-dresaka, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.
Resaho amin’ny mpitory hafa ny zavatra eritreretinao horesahina, rehefa eny amin’ny fanompoana. (Ohab. 27:17) Ovao ny fampidiran-dresakao raha hitanao fa tsy mahomby.