Fitaovana Vaovao Fanaovana Fikarohana
Mpitory an-tapitrisany eran-tany no mampiasa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanaovana fikarohana. Be tsipiriany anefa io boky io, ka tsy misy afa-tsy amin’ny fiteny vitsivitsy. Navoaka tamin’ny fiteny 170 eo ho eo àry ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny boky nivoaka nanomboka tamin’ny taona 2000 no ao. Tsy natao boky izy io ho an’izay efa manana boky Fanondroana, fa natao ao amin’ny Watchtower Library sy ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet. Hanampy anao hikaroka ny valin’ny fanontanianao ao amin’ny Baiboly sy hahita vahaolana momba ny olana mahazo anao io fitaovana io. Hanampy anao hanomana fivoriana sy fotoam-pivavahan’ny fianakaviana koa izy io.