Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao ny Bokikely Vaovao Tsara mba Hanombohana Fampianarana eo Am-baravarana
Nahoana izany no tena ilaina? Tsy maintsy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, araka ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20. Afaka mampianatra ny marina isika rehetra, satria manana fitaovana tsara. Anisan’izany ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao!, izay natao hanampiana antsika hahay hampianatra. Azo ampiasaina tsara izy io mba hanombohana fampianarana Baiboly eo am-baravarana.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Mivavaha mba haniry hahazo mpianatra. Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanomboka fampianarana Baiboly sy hahay hampianatra tsara.—Fil. 2:13.
Ianaro ny fomba fanolorana an’ilay bokikely, rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na mianatra samirery. Hatoky tena ianao amin’izay, ka tsy hisalasala hanomboka fampianarana eo am-baravarana.