FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/15 p. 2
  • Miaraha Amin’ireo Mpitory efa Za-draharaha

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaraha Amin’ireo Mpitory efa Za-draharaha
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Asao Hiara-manompo Aminao Izy Ireo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Fizarana faha-3: Mandraisa anjara amin’ny fandrosoan’ny hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Ampio Hitory Ireo Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiofano ny Mpitory Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
km 6/15 p. 2

Miaraha Amin’ireo Mpitory Efa Za-draharaha

Tena sarobidy amintsika ireo mpitory efa za-draharaha eo anivon’ny fiangonana. Ny sasany amin’izy ireo efa nanompo an’i Jehovah an-taonany maro sady tsy nivadika. Ny hafa indray lasa tena mahay mampianatra, na dia vao haingana aza. Nahita tsara ny fitomboan’ny asa fitoriana sy fampianarana amin’ny andro farany izy ireo, ka tsapany fa i Jesosy tokoa no mitarika ny fiangonana. (Mat. 28:19, 20) Afaka niatrika zava-tsarotra maro teo amin’ny fiainany izy ireny, satria nahazo “hery fanampiny” avy amin’Andriamanitra. (2 Kor. 4:7) Betsaka no azontsika ianarana avy amin’ireny mpitory mahay ireny. Tena faly koa izy ireny mampianatra ny hafa an’izay zavatra hainy. (Sal. 71:18) Tokony hitady fotoana hiarahana amin’izy ireo àry isika. Rahoviana, ohatra?

Rehefa eny amin’ny fanompoana. Mila ampiofanina ireo mpitory vaovao na tsy dia mahay. Afaka mianatra zavatra be dia be avy amin’ireo mpitory efa matotra izy ireo. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2015, pejy 16, fehintsoratra 1.) Ianao ve efa niara-nanompo tamin’ny mpitory mahay, ka nandray soa tamin’izany?

Azonao atao ny manasa mpitory za-draharaha mba hiara-manompo aminao. Raha tsy afaka mandeha lavitra izy, dia ento any an-tranony ilay olona ampianarinao. Mangataha torohevitra kely rehefa vita ilay fampianarana.

Amin’ny fiainana andavanandro. Miaraha manao zavatra aminy, dia hahafantatra azy kokoa ianao. Asao koa izy hanao fotoam-pivavahana any aminareo. Anontanio izy hoe ahoana no nahitany ny fahamarinana. Inona avy ny fitahiana azony? Inona ny fitomboana hitany? Inona no nahafinaritra azy rehefa nanompo an’i Jehovah? Raha tsy afaka mankany aminareo izy, dia ataovy any an-tranony ilay fotoam-pivavahana.

Aza mitaky be loatra aminy anefa. Toa antsika ihany ireny mpitory za-draharaha ireny, ka samy manana ny zavatra hainy sy izay mety ho vitany. (Rom. 12:6-8) Misy, ohatra, efa be taona ka voafetra ihany ny fotoana azony iarahana amintsika. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ireny, ka betsaka ny zavatra azontsika ianarana avy aminy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara