LAHATSORATRA FIANARANA 41
HIRA 108 Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra
Tia Anao Foana Andriamanitra
“Misaora an’i Jehovah, fa tsara izy; be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”—SAL. 136:1.
HEVITRA HODINIHINA
Fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ny hoe tia antsika i Jehovah. Nahoana no manampy antsika tsy ho kivy ny mitadidy an’izany rehefa miatrika olana isika?
1-2. Inona no mety ho tsapan’ny Kristianina rehefa miatrika olana izy?
ALAO sary an-tsaina hoe misy sambo tratran’ny tafio-drivotra, dia atopatopan’ny onja avo be. Hanaraka ny onjan’ilay ranomasina fotsiny ilay sambo raha tsy misy olona mandatsaka vatofantsika. Io vatofantsika io no hitazona an’ilay sambo tsy hihetsiketsika sy tsy ho lasan’ny rano.
2 Mety ho hoatran’io sambo io ianao rehefa miatrika olana be toy ny tafio-drivotra. Mety hifamahofaho be mantsy ny fihetseham-ponao. Androany ianao mety hatoky hoe tia sy manohana anao i Jehovah, fa rahampitso indray ianao lasa saina hoe mba mahita ny olana mahazo anao ve izy. (Sal. 10:1; 13:1) Mety hoe nisy namana nampahery anao dia mba tonitony ianao. (Ohab. 17:17; 25:11) Misalasala indray anefa ianao avy eo. Mety hieritreritra mihitsy aza ianao hoe nahafoy anao i Jehovah. Ahoana no hampiasanao “vatofantsika” amin’izay, hoatran’ilay sambo teo? Na hoe inona no hanampy anao hatoky sy hatoky foana hoe tia sy manohana anao i Jehovah?
3. a) Inona ny dikan’ny hoe “be fitiavana sy tsy mivadika”? (Salamo 31:7; 136:1) b) Nahoana isika no milaza hoe i Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’izany? (Jereo koa ny sary.)
3 Hoatran’ny hoe mampiasa vatofantsika ianao raha mitadidy foana hoe tia sy tsy mivadika aminao i Jehovah. (Vakio ny Salamo 31:7; 136:1.) Ny hoe “be fitiavana sy tsy mivadika” dia midika hoe tia olona iray satria mifikitra mafy aminy sy miraiki-po aminy ary tsy te handao azy mihitsy. I Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’izany. Ny Baiboly mihitsy no milaza hoe “tena be fitiavana sy tsy mivadika” izy. (Eks. 34:6, 7) Izao koa no lazain’izy io momba an’i Jehovah: “Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.” (Sal. 86:5) Saintsaino ange izany e! Tsy manary ny mpanompony tsy mivadika mihitsy i Jehovah. Raha mitadidy an’izany ianao rehefa ao anatin’ny olana, dia hatoky tanteraka hoe tia anao i Jehovah.—Sal. 23:4.
Tsy hihetsiketsika ny sambo rehefa misy tafio-drivotra raha misy vatofantsika mitazona azy. Ho tony foana koa isika rehefa ao anatin’ny sarotra raha matoky hoe tia antsika i Jehovah (Fehintsoratra 3)
FAMPIANARANA FOTOTRA NY HOE TIA ANTSIKA I JEHOVAH
4. Inona, ohatra, no fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ary nahoana isika no tena mino azy ireny?
4 Inona koa no hanampy anao hatoky hoe tia anao i Jehovah, rehefa miatrika olana ianao? Tadidio fa fampianarana fototra ny hoe tia antsika i Jehovah. Inona moa ilay hoe “fampianarana fototra”? Mety ho tonga ao an-tsainao angamba ny fahamarinana nianaranao avy tao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, Zanaka lahitokan’Andriamanitra i Jesosy, tsy mahalala na inona na inona ny maty, ary ny hoe ho paradisa ny tany amin’ny hoavy dia hiaina mandrakizay eto ny olona. (Sal. 83:18; Mpito. 9:5; Jaona 3:16; Apok. 21:3, 4) Rehefa lasa nino an’ireo ianao, dia tsy nisy afaka nanozongozona anao intsony. Fantatrao mantsy hoe misy porofo mazava be manamarina an’ireo. Tsy hieritreritra intsony ianao hoe tsy mahita na tsy miraharaha an’izay mahazo anao i Jehovah, raha heverinao ho anisan’ny fampianarana fototra koa ilay hoe tia antsika izy. Andao hofakafakaintsika izay.
5. Inona no hanampy olona iray tsy hino fampianaran-diso intsony?
5 Inona no nanampy anao tsy hino fampianaran-diso intsony tamin’ny ianao vao nianatra Baiboly? Azo inoana hoe nampitahainao tamin’izay lazain’ny Baiboly ny zavatra nampianarin’ny fivavahanao. Mety ho nino, ohatra, ianao hoe i Jesosy no Andriamanitra Mahery Indrindra. Rehefa nianatra Baiboly anefa ianao dia lasa saina hoe: ‘Tena marina ve izany fampianarana izany?’ Lasa fantatrao hoe tsy marina izany rehefa avy nandinika ny porofo tao amin’ny Soratra Masina ianao. Ity fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly ity indray no inoanao: I Jesosy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”, ary “Zanaka Lahitokan’Andriamanitra” izy. (Kol. 1:15; Jaona 3:18) Mazava ho azy fa mety ho “efa mafy orina” tao aminao ilay fampianaran-diso, dia sarotra taminao ny niala tamin’ilay izy. (2 Kor. 10:4, 5) Rehefa hitanao anefa ny marina, dia tsy nino an’izany intsony ianao.—Fil. 3:13.
6. Nahoana ianao no matoky hoe “be fitiavana” i Jehovah “sady tsy mivadika mandrakizay”?
6 Nisy zavatra nataonao vao nanaiky ny fampianarana fototra hafa ao amin’ny Baiboly ianao. Manaova hoatr’izany koa amin’ilay fampianarana fototra hoe tia antsika i Jehovah. Raha miatrika olana àry ianao ka misalasala raha tia anao tokoa izy, dia saintsaino hoe: ‘Mitombina ve izany eritreritro izany?’ Ampitahao amin’ny Salamo 136:1 izay zavatra mampisalasala anao izay. Io moa no andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. Nahoana i Jehovah no milaza ao fa “be fitiavana izy sady tsy mivadika”? Nahoana koa no miverimberina in-26 ao amin’io Salamo io ilay hoe “be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay”? Mora taminao ny nanaiky ny fampianarana fototra hafa tao amin’ny Baiboly. Efa hitantsika teo anefa fa mitovy amin’ireny ihany ilay hoe tia sy tsy mivadika amin’ny mpanompony i Jehovah. Fampianaran-diso àry ilay hoe tsy misy dikany sy tsy mendrika ny hotiavina no fahitan’i Jehovah anao. Aza mino an’izany mihitsy, hoatran’ny tsy anekenao ny fampianaran-diso hafa ihany.
7. Inona, ohatra, ny andinin-teny manome toky antsika hoe tia antsika i Jehovah?
7 Misy porofo maro hafa koa ao amin’ny Baiboly ahitana fa tia antsika i Jehovah. Izao, ohatra, no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.” (Mat. 10:31) I Jehovah mihitsy koa no niteny tamin’ny vahoakany hoe: “Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hitazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako manao ny rariny.” (Isaia 41:10) Tsy misy mampisalasala mihitsy ireo teny ireo! Tsy niteny mantsy i Jesosy hoe: ‘Mety ho sarobidy lavitra ianareo’, fa hoe: ‘Sarobidy lavitra ianareo.’ I Jehovah koa tsy niteny hoe: ‘Mety hanampy anao aho’, fa hoe: ‘Hanampy anao aho.’ Raha miatrika olana àry ianao ka lasa tsy matoky hoe tia anao i Jehovah, dia saintsaino ny andinin-teny hoatr’ireo. Tsy hahatsapa fotsiny ianao amin’izay hoe tia anao i Jehovah, fa ho resy lahatra ny amin’izany mihitsy. Efa voaporofo mantsy hoe marina ireo. Rehefa avy misaintsaina sy mivavaka momba an’izany ianao, dia ho afaka hiteny hoe: “Lasa fantatsika hoe tia antsika Andriamanitra, dia mino an’izany isika.”a—1 Jaona 4:16.
8. Inona no azonao atao raha misalasala ianao indraindray hoe tia anao tokoa ve i Jehovah?
8 Ahoana anefa raha mbola misalasala ihany ianao indraindray hoe tia anao ve i Jehovah? Ampitahao amin’izay zavatra fantatrao ny zavatra tsapanao. Miovaova mantsy ny zavatra tsapantsika. Ny fampianaran’ny Baiboly kosa tsy miova. Anisan’izany ilay hoe tia anao i Jehovah. Raha tsy mino an’izany ianao, dia lasa tsy miraharaha an’ilay toetran’i Jehovah lehibe indrindra, dia ny fitiavana.—1 Jaona 4:8.
SAINTSAINO NY FITIAVAN’I JEHOVAH ANAO
9-10. Niresaka momba ny inona i Jesosy tamin’izy niteny hoe: ‘Tia anareo ny Ray’? (Jaona 16:26, 27) (Jereo koa ny sary.)
9 Hahatakatra kokoa ny fitiavan’i Jehovah ianao, rehefa mandinika ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy. Hoy izy: ‘Tia anareo ny Ray.’ (Vakio ny Jaona 16:26, 27.) Tsy hoe mba hampifalifaliana ny mpianany fotsiny no nitenenan’i Jesosy an’ireo. Rehefa jerena mantsy ny andinin-teny manodidina, dia zavatra hafa mihitsy no noresahin’i Jesosy tamin’io fotoana io, fa tsy ny fihetseham-pon-dry zareo. Niresaka momba ny vavaka izy.
10 Vao avy nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe tokony hivavaka amin’ny anarany ry zareo, fa tsy hoe hivavaka aminy. (Jaona 16:23, 24) Zava-dehibe tamin-dry zareo ny nahalala an’izany. Mety ho te hivavaka amin’i Jesosy mantsy ny mpianany rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy. I Jesosy rahateo efa lasa naman-dry zareo. Mety ho nieritreritra ireo mpianatra ireo hoe hihaino ny fangatahan-dry zareo sy hampita an’izany any amin’ny Ray i Jesosy, satria tia an-dry zareo. Tsy tian’i Jesosy hieritreritra an’izany anefa ny mpianany. Nahoana? Nilaza tamin-dry zareo izy hoe: ‘Tia anareo ny Ray.’ Anisan’ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly momba ny vavaka izany. Nahoana izany no mahakasika anao koa? Rehefa nianatra Baiboly ianao, dia lasa nahafantatra sy tia an’i Jesosy. (Jaona 14:21) Hoatran’ny mpianatra tamin’ny taonjato voalohany anefa, dia tsy misalasala mivavaka amin’i Jehovah ianao sady matoky hoe hihaino anao izy satria ‘tiany ianao.’ Asehonao hoe mino an’izany ianao isaky ny mivavaka aminy.—1 Jaona 5:14.
Tsy misalasala mivavaka amin’i Jehovah ianao sady matoky hoe hihaino anao izy, satria fantatrao hoe ‘tiany ianao.’ (Fehintsoratra 9-10)b
FANTARO HOE INONA NO TENA MAHATONGA ANAO HISALASALA
11. Nahoana i Satana no ho faly raha manomboka misalasala isika hoe tia antsika tokoa ve i Jehovah?
11 Inona no mahatonga antsika tsy hatoky hoe tia antsika i Jehovah? Mety hiteny ianao hoe i Satana, ary misy mahamarina an’izany ihany. ‘Mitady handrapaka’ antsika mantsy ny Devoly, ary ho faly izy raha tsy matoky isika hoe tia antsika i Jehovah. (1 Pet. 5:8) Nanome antsika ny vidim-panavotana i Jehovah satria tiany isika. Ataon’i Satana anefa izay hahatonga antsika hieritreritra hoe tsy mendrika azy io isika. (Heb. 2:9) Fa iza moa no ho faly raha tsy matoky isika hoe tia antsika i Jehovah? I Satana. Dia ny tanjon’iza no ho tratra raha tsy manompo an’i Jehovah intsony isika rehefa ao anatin’ny sarotra? Mbola ny an’i Satana ihany. Diniho izao: Ataon’i Satana izay hieritreretantsika hoe tsy tia antsika i Jehovah. Izy anefa raha ny marina no tsy tian’i Jehovah intsony. Dia inona no anisan’ny ‘teti-dratsy’ ampiasainy? Ataony izay hahatonga antsika hieritreritra hoe isika no tsy tian’i Jehovah sy nomelohiny. (Efes. 6:11) Rehefa fantatsika ny tanjon’ny Devoly fahavalontsika, dia tapa-kevitra kokoa isika ny ‘hanohitra’ azy.—Jak. 4:7.
12-13. Nahoana ny ota nolovantsika no mety hahatonga antsika tsy hatoky hoe tia antsika i Jehovah?
12 Mbola misy antony hafa koa mahatonga antsika tsy hatoky hoe tia antsika i Jehovah. Inona izany? Ilay ota nolovantsika. (Sal. 51:5; Rom. 5:12) Nampisaraka antsika tamin’ilay Mpamorona antsika ny ota. Misy vokany amin’ny saintsika sy ny fontsika ary ny vatantsika koa izy io.
13 Misy vokany ratsy amin’ny fihetseham-pontsika ny ota, ka mahatonga antsika hahatsiaro ho meloka, hitebiteby, hatahotra, ary ho menatra. Mety hahatsapa hoatr’izany isika rehefa manao fahadisoana. Mety hahatsapa an’ireo koa anefa isika satria efa ao anatintsika ny ota dia manaraka antsika eny foana. Tsy hoatr’izany anefa ny namoronan’i Jehovah antsika. (Rom. 8:20, 21) Tsy afaka mandeha tsara ny fiara iray raha vaky pne. Dia hoatr’izany koa fa tsy afaka miasa tsara hoatran’ny namoronan’Andriamanitra azy ny vatantsika tsy lavorary. Tsy mahagaga àry raha tsy matoky isika indraindray hoe tia antsika i Jehovah. Rehefa mitranga izany, dia mila tadidintsika hoe ‘Andriamanitra tena miavaka sady mendrika atahorana i Jehovah, ka tia sy tsy mivadika amin’izay tia azy sy mankatò ny didiny.’—Neh. 1:5.
14. Nahoana isika no tsy hieritreritra hoe tsy ho tia antsika mihitsy i Jehovah raha misaintsaina ny vidim-panavotana isika? (Romanina 5:8) (Jereo koa ilay hoe “Mitandrema fa ‘Mahavita Mamitaka’ Anao ny Ota.”)
14 Marina aloha fa indraindray isika mahatsapa hoe tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah. Tena tsy mendrika an’izany tokoa aloha isika e! Dia izay no mampiavaka ny fitiavany antsika. Tsy ny zavatra ataontsika mantsy no itiavan’i Jehovah antsika. Nomeny kosa ny vidim-panavotana mba handrakotra ny fahotantsika satria tiany isika. (1 Jaona 4:10) Tadidio koa fa tonga hamonjy ny mpanota i Jesosy, fa tsy ny olona lavorary. (Vakio ny Romanina 5:8.) Tsy misy amintsika mahavita zavatra tonga lafatra, ary tsy mitaky an’izany amintsika i Jehovah. Inona no vokany rehefa azontsika hoe noho isika mpanota no mahatonga antsika tsy hatoky ny fitiavan’i Jehovah? Vao mainka isika tapa-kevitra ny hanala an’izany ao an-tsaintsika.—Rom. 7:24, 25.
AZA MIVADIKA MIHITSY
15-16. Inona no azontsika antoka raha tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, ary nahoana? (2 Samoela 22:26)
15 Tian’i Jehovah hanao safidy tsara isika ka ‘hifikitra aminy.’ (Deot. 30:19, 20) Raha manao an’izany isika, dia afaka matoky hoe tsy hivadika amintsika izy. (Vakio ny 2 Samoela 22:26.) Rehefa tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia afaka matoky hoe ho eo foana izy hanampy antsika na inona na inona mitranga amin’ny fiainantsika.
16 Hitantsika tato hoe be dia be ny antony mahatonga antsika ho tony rehefa miatrika olana isika. Fantatsika mantsy fa tia antsika i Jehovah sady hanohana antsika. Izany no ampianarin’ny Baiboly. Raha misalasala àry ianao hoe tia anao tokoa ve i Jehovah, dia saintsaino izay efa fantatrao momba ny fitiavany fa aza mifantoka amin’izay tsapanao. Enga anie isika hatoky foana an’ilay fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly hoe be fitiavana sy tsy mivadika mandrakizay i Jehovah.
HIRA 159 Voninahitra Anie ho An’i Jehovah!
a Ireto koa misy andinin-teny hafa: Deoteronomia 31:8, Salamo 94:14, ary ny Isaia 49:15.
b FANAZAVANA SARY: Rahalahy iray mivavaka mba hampian’i Jehovah hikarakara ny vadiny marary, sy hahay hitantam-bola, ary hanampy ny zanany vavy ho tia an’i Jehovah.