9-15 MARTSA 2026
HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko
Afaka Mandresy ny Hakiviana Ianao
“Indrisy! Tena mampalahelo aho!”—ROM. 7:24.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no azontsika atao raha kivy isika?
1-2. Inona no tsapan’ny apostoly Paoly indraindray, ary inona no itovizantsika aminy? (Romanina 7:21-24)
INONA no tonga ao an-tsainao raha vao mieritreritra an’ny apostoly Paoly? Misionera be herim-po ve? Sa mpampianatra mahay? Sa olona nanoratra boky be dia be ao amin’ny Baiboly? Marina daholo aloha ireo e! Olona be fihetseham-po koa anefa i Paoly. Niady tamin’ny hakiviana izy indraindray, hoatran’ny ankamaroantsika ihany.
2 Vakio ny Romanina 7:21-24. Nilaza ny fihetseham-pony i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Betsaka amintsika no efa nahatsapa hoatr’azy. Na dia Kristianina tsy nivadika aza izy, dia niady mafy mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy hanatanteraka ny fanirian-dratsiny. Ankoatra izay, dia nisy fotoana izy kivy noho ny zavatra nataony taloha sy ny olana iray saro-bahana tsy maintsy natrehiny.
3. Inona no hodinihintsika ato? (Jereo koa ny “Fanazavana.”)
3 Tsy navelan’i Paoly hibahana be tao an-tsainy anefa ny zavatra nahakivy azy.a Hamaly an’ireto isika ato: Inona no nahatonga an’i Paoly hahatsapa indraindray hoe “mampalahelo” izy? Inona no nataony mba hiatrehana ny hakiviany, ary inona no hanampy antsika handresy hakiviana?
INONA NO NAHAKIVY AN’I PAOLY?
4. Inona no nahakivy an’i Paoly?
4 Ny zavatra nataony taloha. Nanao zavatra nanenenany i Paoly tamin’izy mbola tsy kristianina. I Saoly no niantsoana azy tamin’izany. Rehefa notoraham-bato, ohatra, i Stefana dia nanatrika teo izy sady nankasitraka an’izany. (Asa. 7:58; 8:1) Nanenjika ny Kristianina koa izy sady nampijaly an-dry zareo.—Asa. 8:3; 26:9-11.
5. Nisy vokany tamin’i Paoly ve ny zavatra nataony taloha? Hazavao.
5 Nisy fotoana ny apostoly Paoly nanamelo-tena tamin’ny zavatra nataony taloha, na dia efa lasa kristianina aza. Tena tsy nifaditrovana mantsy izy rehefa nanenjika ny Kristianina. Vao mainka izy nokaikerin’ny nenina arakaraka ny nandehanan’ny fotoana. Rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina, ohatra, izy tamin’ny taona 55 tany ho any, dia izao no nolazainy: “Tsy mendrika ny hantsoina hoe apostoly aho, satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra.” (1 Kor. 15:9) Rehefa nanoratra ho an’ny Efesianina indray izy, dimy taona tatỳ aoriana, dia nolazainy fa “mbola kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra” izy. (Efes. 3:8) Tamin’izy nanoratra ho an’i Timoty koa, dia nilaza izy hoe “mpanevateva an’Andriamanitra izy taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona.” (1 Tim. 1:13) Azonao an-tsaina ve ny fihetseham-pony rehefa nitsidika fiangonana izy, ka nihaona tamin’ny olona nenjehiny taloha na ny fianakavian-dry zareo?
6. Inona koa no nety ho nampiady saina an’i Paoly? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
6 Tsilo ao amin’ny nofo. Nisy zavatra nampijaly be an’i Paoly ary nampitoviany tamin’ny “tsilo ao amin’ny nofo” izy io. (2 Kor. 12:7) Tsy nolazainy hoe inona ilay izy fa hita amin’ny sarin-teny nampiasainy fotsiny hoe mety ho aretina ilay izy, na olana ara-pihetseham-po, na zavatra hafa.b
7. Nisy vokany tamin’i Paoly ve ny fahalemeny? Hazavao. (Romanina 7:18, 19)
7 Ny fahalemeny. Niady tamin’ny fahalemeny i Paoly. (Vakio ny Romanina 7:18, 19.) Na dia te hanao ny tsara aza izy, dia sarotra taminy ny nanatanteraka an’izany noho izy tsy lavorary. Niaiky izy hoe nisy ady mafy tao anatiny tao. Niezaka mafy anefa i Paoly mba hiova. (1 Kor. 9:27) Tsy maintsy hoe nalahelo be izao izy isaky ny nilaza na nanao zavatra tsy nety indray!
AHOANA NO NIATREHAN’I PAOLY NY HAKIVIANY?
8. Inona no nataon’i Paoly mba hiadiana tamin’ny fahalemeny, rehefa jerena ny taratasy nosoratany?
8 Manampy ny Kristianina handresy fanirian-dratsy ny fanahin’Andriamanitra. Hita hoe nisaintsaina an’izany i Paoly rehefa jerena ny taratasy nosoratany. (Rom. 8:13; Gal. 5:16, 17) Matetika i Paoly no nitanisa an’ireo toetra sy fanirian-dratsy tokony hitandreman’ny Kristianina. (Gal. 5:19-21, 26) Azo antoka hoe nisaintsaina momba ny fahalemeny i Paoly, dia nitady torohevitra tao amin’ny Soratra Masina ary nijery hoe inona ny fepetra tokony horaisiny mba handresena an’ilay izy. Matoky isika hoe izy mihitsy no nampihatra ny torohevitra nomeny.
9-10. Inona no nanampy an’i Paoly handresy ny hakiviana? (Efesianina 1:7) (Jereo koa ny sary.)
9 Faly foana anefa i Paoly, na dia kivy aza izy indraindray. Faly, ohatra, izy rehefa naheno tatitra tsara avy tamin’ireo rahalahy nitety faritany niaraka taminy. (2 Kor. 7:6, 7) Nahafaly azy koa ny niaraka tamin’ireo mpiara-manompo namany. (2 Tim. 1:4) Ankoatra izay, dia fantany hoe nankasitrahan’i Jehovah izy. Hita hoe faly i Paoly satria afaka nanompo an’Andriamanitra ‘tamim-pieritreretana madio.’ (2 Tim. 1:3) Na dia nigadra tany Roma aza izy, dia mbola nampirisika ny Kristianina namany ihany hoe ‘mifalia noho ny amin’ny Tompo.’ (Fil. 4:4) Hita amin’ny tenin’i Paoly fa tsy nifantoka be tamin’ny olana nahazo azy sy ny fahadisoany izy. Rehefa nisy zavatra nahakivy nitamberina tao an-tsainy, dia tonga dia nieritreritra zavatra mahafaly izy.
10 Vitan’i Paoly koa ny nandresy ny hakiviany satria nino izy hoe natao ho an’azy ny vidim-panavotana. (Gal. 2:20; vakio ny Efesianina 1:7.) Natoky tanteraka àry izy hoe namela ny helony i Jehovah noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy. (Rom. 7:24, 25) Na teo aza ny fahadisoana nataony taloha sy ny fahalemeny, dia ‘afaka nanao fanompoana masina’ ho an’Andriamanitra izy sady falifaly foana.—Heb. 9:12-14.
Nahakivy an’i Paoly indraindray ny zavatra nataony tamin’ny lasa. Nanampy azy anefa ny nisaintsaina ny vidim-panavotana (Fehintsoratra 9-10)
11. Nahoana no mampahery antsika ny ohatr’i Paoly?
11 Hoatran’i Paoly, dia mety hahatsapa koa isika hoe tsy maintsy miady mafy foana mba tsy hieritreritra, na hiteny, na hanao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah. Mety hiteny koa isika hoe: ‘Indrisy! Tena mampalahelo aho!’ Izao no nolazain’i Eliza,c anabavy 20 taona mahery: “Mampahery ahy ny mieritreritra ny zavatra niainan’i Paoly. Hay tsy izaho irery no mila miady mafy! Mampahatsiahy ahy izany hoe fantatr’i Jehovah ny zavatra iainan’ny mpanompony.” Inona no azontsika atao mba hanana feon’ny fieritreretana madio hoatran’i Paoly isika sady ho faly na eo aza ny zavatra mahakivy?
AHOANA NO HANDRESENTSIKA NY HAKIVIANA?
12. Inona no tsy maintsy ataontsika tsy tapaka mba hahatonga antsika ho falifaly indray?
12 Aza tapatapahina mihitsy ny fahazarana ara-panahy. Raha zatra manao zavatra ara-panahy isika, dia azo inoana kokoa hoe hahavita hifantoka amin’ny zavatra mahafaly. Azo oharina amin’ny ezaka atao mba hitandroana fahasalamana izany. Salama kokoa isika matetika rehefa misakafo tsara, manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, ary manao ampy torimaso. Mahazo hery koa isika rehefa mamaky Baiboly tsy tapaka, manompo, manomana sy manatrika fivoriana, ary mandray anjara amin’izany. Manampy antsika handresy hakiviana ny fanaovana zavatra ara-panahy hoatr’ireo.—Rom. 12:11, 12.
13-14. Inona ny soa azon’ny Kristianina sasany rehefa tsy nanapatapaka ny fahazarany ara-panahy ry zareo?
13 Voan’ny kansera tsy fahita firy, ohatra, i John tamin’izy 39 taona. Kivy be izy tamin’ny voalohany. Lasa saina izy hoe: ‘Mbola tanora be hoatr’izao ve aho dia harary sahady?’ Vao telo taona ny zanany lahy tamin’izay. Inona no nanampy an’i John handresy ny hakiviany? Hoy izy: “Na dia reraka aza aho, dia nataoko azo antoka hoe nitohy foana ny fahazaranay ara-panahy. Nandeha nivory foana izahay mianakavy, dia nanompo isan-kerinandro, ary nanao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana tsy tapaka na dia sarotra aza ny nanao an’izany indraindray.” Hoy i John rehefa mitodika ny lasa: “Kivy be ianao amin’ny voalohany rehefa sendra zavatra hoatr’izany. Avy eo anefa ianao mahatsapa hoe nomen’i Jehovah hery sady tena tiany. Afaka manatanjaka anao izy hoatran’ny nataony tamiko.”
14 Izao no nolazain’i Eliza, ilay voaresaka terỳ aloha: “Isaky ny mivory sy mianatra samirery aho, dia hoatran’ny misy mampahatsiahy ahy hoe maheno ny vavaka ataoko i Jehovah sady tena tia ahy. Mahafaly ahy izany.” Hoy i Nolan, mpiandraikitra ny faritra any Afrika, momba azy sy Diane vadiny: “Tsy tapatapahinay mihitsy ny fahazaranay ara-panahy na dia amin’ilay izahay kivy iny aza. Ampian’i Jehovah foana izahay mba ho falifaly. Miezaka mitadidy izahay hoe hanampy anay sy hitahy anay i Jehovah. Azonay antoka izany, na dia tsy fantatray aza hoe amin’ny fomba ahoana.”
15. Inona no mety hoe mila ataontsika mba handresena ny hakiviana? Hazavao amin’ny ohatra.
15 Mila manao zavatra hafa koa angamba isika raha mbola kivy foana. Andeha hatao hoe marary lamosina ianao. Tsara amin’ny olona hoatr’izany ny mandeha an-tongotra isan’andro. Mety hoe mila manao zavatra fanampiny anefa ianao raha tianao hijanona ilay fanaintainana. Angamba ianao mila manao fikarohana na manatona dokotera mihitsy, mba hahafantarana hoe inona no mahatonga an’ilay izy. Mety hoe mila manao zavatra hoatr’izany koa ianao raha miverimberina ilay hakiviana. Angamba ianao mila manao fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny bokintsika, ary miresaka amin’ny Kristianina matotra mihitsy aza mba hahafantarana hoe ahoana no hiatrehana an’ilay izy. Ireto misy soso-kevitra fanampiny mety hahasoa anao:
16. Inona no hanampy anao hamantatra ny antony mahakivy anao? (Salamo 139:1-4, 23, 24)
16 Angataho i Jehovah mba hanampy anao hamantatra an’izay tena mahakivy anao. Hain’i Davida Mpanjaka hoe fantatr’i Jehovah tsara izy. Nangataka tamin’i Jehovah àry izy mba hanampy azy hahalala hoe inona no ‘nampitebiteby’ azy. (Vakio ny Salamo 139:1-4, 23, 24.) Afaka mangataka amin’i Jehovah koa ianao mba hanampy anao hamantatra hoe inona no mahatonga an’ilay hakiviana, ary ahoana no handresena an’ilay izy. Azonao atao, ohatra, ny misaintsaina hoe: ‘Inona no tena mampanahy ahy amin’izao? Inona matetika ny zavatra mahakivy ahy? Mieritreritra zavatra mahakivy foana ve aho sa mba miezaka mieritreritra zavatra tsara?’
17. Inona no foto-kevitra azonao ianarana mba hahatonga anao hifantoka amin’ny hevitra mampahery? (Jereo koa ny sary.)
17 Ataovy mifanaraka amin’izay ilainao ny fianaranao samirery. Mety hahasoa anao ny mianatra tsindraindray momba ny toetran’i Jehovah. Nandray soa be, ohatra, ny apostoly Paoly rehefa nisaintsaina ny vidim-panavotana sy ilay hoe mamela heloka i Jehovah. Afaka manao hoatr’izany koa ianao. Ampiasao ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ny boky fianarana Baiboly hafa misy amin’ny fiteninao. Azonao ampiasaina ireo mba hahitana lahatsoratra miresaka ny toetran’Andriamanitra, anisan’izany ilay izy mamindra fo, mamela heloka, ary be fitiavana sy tsy mivadika. Rehefa mahita lahatsoratra mety hahasoa anao ianao, dia ataovy lisitra ilay izy, ary apetraho eo amin’ny toerana talaky maso ilay lisitra. Ianaro ireny lahatsoratra ireny rehefa mitady ho kivy ianao. Ezaho ampiharina eo amin’ny fiainanao izay vakinao.—Fil. 4:8.
Mifidiana foto-kevitra hanampy anao handresy ny hakiviana (Fehintsoratra 17)
18. Inona ny zavatra nianaran’ny Kristianina sasany ka nahasoa an-dry zareo?
18 Nianatra momba an’i Joba i Eliza, ilay voaresaka terỳ aloha, tamin’ny fianarany samirery. Izao no nolazainy: “Tsapako mihitsy ny nahazo an’i Joba. Nisesisesy ny olana nahazo azy ary tena nahakivy azy izany. Na dia tsy fantany aza ny antony nahatonga an’ilay izy, dia niantehitra tamin’i Jehovah foana izy.” (Joba 42:1-6) Hoy i Diane, ilay voaresaka terỳ aloha: “Mianatra amin’ilay boky Manatòna An’i Jehovah izahay mivady. Faly izahay hoe mamolavola antsika i Jehovah, hoatran’ny ataon’ny mpanefy tanimanga. Rehefa kivy amin’ny fahadisoanay izahay, dia miezaka mitadidy hoe mamolavola antsika sy manampy antsika ho lasa olona tsara kokoa i Jehovah. Vao mainka izany mandrisika anay hanatona azy.”—Isaia 64:8.
MATOKIA HOE HANAMPY ANAO I JEHOVAH
19. Inona no mety ho mbola tsapantsika indraindray? Inona anefa no azontsika antoka?
19 Na dia efa manana fahazarana ara-panahy tsara sy mianatra foto-kevitra momba an’izay ilaintsika aza isika, dia mety mbola ho kivy ihany indraindray. Afaka manampy antsika ho tony anefa i Jehovah rehefa mitranga izany. Ho faly isika amin’ny ankamaroan’ny fotoana, satria manana feon’ny fieritreretana madio ary hankafy ny fiainana sy ny fanompoana an’i Jehovah. Afaka matoky an’izany isika.
20. Inona ny zavatra tianao hiezahana?
20 Enga anie isika tsy hanaiky ho resin’ny hakiviana noho ny zavatra nataontsika taloha, na ny olana mahazo antsika, na ny fahalementsika. Afaka manampy antsika ho tony i Jehovah. (Sal. 143:10) Efa tsy andrintsika ny tontolo vaovao satria zavatra mahafaly foana no hoeritreretintsika any. Rehefa mifoha isika isa-maraina, dia tsy hisy zavatra hampitebiteby antsika fa ho faly isika hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana!
HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho
a FANAZAVANA: Hakiviana mandalo tsindraindray ilay resahina ato fa tsy hakiviana maharitra. Raha efa lasa aretina mantsy ilay izy, dia mila manatona dokotera ilay olona.
b Tsy dia nahita tsara angamba i Paoly, rehefa jerena ny zavatra nosoratany. Raha izany, dia mety ho sarotra taminy ny nanoratra taratasy sy nanao ny fanompoany. (Gal. 4:15; 6:11) Mety ho ny zavatra nataon’ny mpampianatra sandoka sasany koa anefa no nampiady saina an’i Paoly. (2 Kor. 10:10; 11:5, 13) Na inona na inona nampanahy azy, dia nahakivy an’i Paoly ilay izy.
c Novana ny anarana sasany.