FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Janoary p. 14-19
  • Nahoana Isika no Mila Vidim-panavotana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Mila Vidim-panavotana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHAZOANTSIKA FAMELAN-KELOKA
  • AFAKA MANANTENA ISIKA HOE HO LASA LAVORARY
  • MAMPIHAVANA ANTSIKA AMIN’ANDRIAMANITRA INDRAY
  • MANAPOROFO HOE MAMINDRA FO I JEHOVAH
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vidim-panavotana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Asehoy hoe Mankasitraka ny Vidim-panavotana Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Inona ny Soa Azontsika Noho i Jehovah Tia Antsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Nahoana Isika no Tena Mankasitraka ny Famelan-kelok’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Janoary p. 14-19

16-22 Martsa 2026

HIRA 20 Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

Nahoana Isika no Mila Vidim-panavotana?

“Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana mitarika ahy any amin’ny fahafatesana ity?”​—ROM. 7:24.

HEVITRA HODINIHINA

Noho ny vidim-panavotana dia afaka mamela antsika i Jehovah, manantena isika hoe ho lasa lavorary, ary hihavana aminy indray.

1-2. Mila afahana amin’inona isika, ary nahoana? (Romanina 7:22-24) (Jereo koa ny sary.)

ERITRERETO izao: Nisy tranobe nianjera dia tsy tafavoaka tao ny lehilahy iray. Mbola velona izy nefa tsy afaka manavotra ny tenany. Miantsoantso mitady fanampiana no mba azony atao, sady manantena hoe hisy hamonjy izy.

2 Hoatran’io lehilahy io mihitsy isika tsirairay. Nahoana? Rehefa nikomy tamin’ny Mpamorona azy i Adama dia lasa mpanota. Nifindra tamin’ny zanany koa izany ota izany. Tsy afa-miala amin’ny ota sy ny vokatr’izy io àry ny olombelona rehetra. Tsy mahavita manavotra ny tenantsika isika. Mety tsara ny fomba nanazavan’i Paoly an’ilay hoe isika mpanota ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. (Vakio ny Romanina 7:22-24.) Niangavy izy mba ‘hafahana amin’ilay vatana mitarika azy any amin’ny fahafatesana.’ Tsy afa-niala tamin’ny ota izay nitarika azy ho amin’ny fahafatesana i Paoly. (Rom. 6:23) Hoatran’izany koa no manjo antsika. Mila mpanavotra isika!

Lehilahy iray tavela ao amin’ny trano iray nirodana. Maratra izy ary manatsotra ny tanany miangavy fanampiana.

Hoatran’ny lehilahy iray tsy tafavoaka avy ao amin’ny trano iray nirodana isika satria nandova ota. Mila mpanavotra isika (Fehintsoratra 1-2)


3. Nahoana no mamonjy antsika ny vidim-panavotana?

3 Nilaza zavatra tsara i Paoly rehefa avy niresaka momba ny ota. Nanontany izy aloha hoe: “Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana mitarika ahy any amin’ny fahafatesana ity?” Dia hoy izy avy eo: “Hisaorana anie Andriamanitra, fa izy no hamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Rom. 7:25) Ny sorom-panavotan’i Jesosy no noresahiny teo.a Mamonjy antsika ny vidim-panavotana satria mahatonga antsika 1) ho voavela heloka, 2) hanantena hoe ho lasa lavorary, ary 3) hihavana amin’ilay Mpamorona antsika indray. Rehefa mandinika an’ireo isika, dia hitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah, “ilay Andriamanitra manome fanantenana.” (Rom. 15:13) Vao mainka koa isika hankasitraka an’i Jesosy, satria ‘tamin’ny alalany no nanafahana sy nanavotana antsika.’​—Kol. 1:14.

AHAZOANTSIKA FAMELAN-KELOKA

4-5. Nahoana isika rehetra no mila vidim-panavotana? (Mpitoriteny 7:20)

4 Mila ny vidim-panavotana isika mba ho voavela ny helotsika. Manota daholo ny olona tsy lavorary na amin’ny teny na amin’ny atao. (Vakio ny Mpitoriteny 7:20.) Tena lehibe ny fahotana sasany. Nomelohina ho faty, ohatra, izay nanitsakitsa-bady na namono olona teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Lev. 20:10; Nom. 35:30, 31) Marina aloha hoe tsy lehibe hoatr’izany ny fahotana sasany, fa mbola ota foana na izany aza. Nilaza, ohatra, i Davida mpanao salamo hoe: “Hitandrina tsara aho mba tsy hanota amin’izay lazaiko.” (Sal. 39:1) Mety hanota àry isika na dia amin’ny zavatra lazaintsika aza.​—Jak. 3:2.

5 Efa nilaza na nanao zavatra nanenenanao ve ianao? Azo antoka izany. Izao mantsy no nolazain’ny Baiboly: “Raha miteny isika hoe: ‘Tsy mpanota isika’, dia mamita-tena sady tsy ao am-pontsika ny fahamarinana.”​—1 Jaona 1:8.

6-7. Nahoana i Jehovah no afaka mamela ny helotsika? (Jereo koa ny sary.)

6 Afaka mamela ny helotsika i Jehovah noho ny vidim-panavotana. (Efes. 1:7) Tsy midika anefa izany hoe tsy mampaninona an’i Jehovah isika raha manota. Tsy tian’i Jehovah hanota isika. (Isaia 59:2) Tonga lafatra ny fanaovany ny rariny, dia nisy zavatra nila nataony vao afaka mamela ny fahotantsika izy.

7 Tsy maintsy nanao sorona biby ny Israelita mba handrakofana ny fahotany, araka ny takin’ny Lalàn’i Mosesy. (Lev. 4:27-31; 17:11) Mifanitsy amin’ny sorona lehibe kokoa hataon’i Jesosy sy ny soa hoentin’izy io ireny sorona ireny. Ny soron’i Jesosy no mahatonga an’i Jehovah ho afaka hamela ny fahotantsika. Azon’i Paoly tsara hoe tena sarobidy ny sorona nataon’i Jesosy, araka ny taratasy nosoratany ho an’ny Korintianina. Izao no nolazainy rehefa avy nitanisa ny zava-dratsy fanaon-dry zareo taloha izy: “Efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina, ary efa nambara hoe olo-marina tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny fanahin’ny Andriamanitsika.”​—1 Kor. 6:9-11.

Fianakaviana israelita iray falifaly manolotra ondry iray amin’ny mpisorona ao amin’ny tempoly.

Nanao sorona biby ny Israelita mba handrakofana fahotana. Mifanitsy amin’izany ny sorona hataon’i Jesosy sy ny fitahiana hoentin’izy io (Fehintsoratra 6-7)


8. Inona no azonao saintsainina mandritra ny herinandro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana?

8 Rehefa miomana ho amin’ny Fahatsiarovana ianao amin’ity taona ity, dia makà fotoana hisaintsainana ny soa raisinao noho i Jehovah mamela heloka. Tsy voatery manamelo-tena be noho ny fahotana nataonao taloha, ohatra, ianao raha efa nibebaka. Ahoana raha sarotra aminao ny manaiky an’izany? Mety hiteny ianao hoe: ‘Fantatro hoe afaka mamela heloka i Jehovah, fa izaho hoatran’ny tsy mahavita mamela ny tenako.’ Raha izany no tsapanao, dia tadidio izao: Anjaran’i Jehovah ny mamela heloka, dia ny Zanany no nomeny fahefana hitsara. Tsy ianao na olon-kafa no asain’i Jehovah manapa-kevitra hoe iza no hamindrana fo na tsia. Hoy ny Baiboly: “Raha mandeha ao amin’ny mazava isika, satria [i Jehovah] ao amin’ny mazava, ... dia ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (1 Jaona 1:6, 7) Azontsika antoka izany, hoatran’ny fampianarana hafa ao amin’ny Baiboly ihany. Noho ny vidim-panavotana, dia afaka mamindra fo amintsika i Jehovah. Milaza koa ny Teniny hoe “vonona hamela heloka” izy.​—Sal. 86:5.

AFAKA MANANTENA ISIKA HOE HO LASA LAVORARY

9. Inona no dikan’ny hoe ota, araka ny Baiboly? (Salamo 51:5 sy ny fanamarihana ambany pejy)

9 Tsy ny zavatra tsy mety ataontsika fotsiny no atao hoe “ota” fa ilay isika tsy lavorary hatrany am-bohoka koa. (Vakio ny Salamo 51:5 sy ny fanamarihana ambany pejy.) Tsy vitan’ny hoe mitarika antsika hanao ratsy ilay izy, fa mahatonga ny vatantsika harary sy hihantitra ary ho faty koa. Izany no mahatonga ny zazakely mety harary na ho faty mihitsy, na dia mbola tsy nanao ratsy aza. Noho ny ota koa dia mety hijaly sy ho faty na ny ratsy fanahy na ny tsara fanahy. Nandova ota daholo ny olona tsy lavorary taranak’i Adama.

10. Inona no vokatry ny ota tamin’i Adama sy Eva?

10 Eritrereto ny vokatry ny ota teo amin’ny mpivady voalohany. Nisy vokany tamin’ny fihetseham-pon-dry zareo ilay izy. Vao avy nikomy i Adama sy Eva, dia tonga dia nanameloka an-dry zareo ny feon’ny fieritreretany noho ry zareo nandika ny lalàn’Andriamanitra. (Rom. 2:15) Tonga dia nahatsapa fiovana ry zareo nefa tsy hoe fiovana tsara. Nitady zavatra hanakonana ny faritra sasany tamin’ny vatany izy mivady ary niafina an’ilay Mpamorona azy, hoatran’ireny mpanao heloka bevava ireny. (Gen. 3:7, 8) Sambany i Adama sy Eva tamin’izay no nahatsiaro ho meloka, nitebiteby, natahotra, nalahelo, ary menatra. Tsy maintsy niaina an’izany ry zareo mandra-pahafatiny.​—Gen. 3:16-19.

11. Inona no vokatry ny ota eo amintsika?

11 Hoatr’izany koa ny vokatry ny fahotana eo amintsika. Ilay isika mpanota no mahatonga antsika hijaly. Na dia miezaka hanatsara ny fiainantsika aza isika, dia tsy mitondra mankaiza izany. Nahoana? Satria milaza ny Baiboly hoe “navela hanana fiainana tsy misy dikany” isika. (Rom. 8:20) Izany mihitsy no mahazo antsika tsirairay sy ny olombelona amin’ny ankapobeny. Eritrereto, ohatra, ny ezaka ataon’ny olona mba hiarovana ny tontolo iainana, hanafoanana ny heloka bevava sy ny fahantrana, ary hampihavanana an’ireo firenena. Hita hoe tsy misy dikany ireny ezaka ireny na dia misy vokany kely ihany aza. Afaka manavotra antsika amin’izany ve ny vidim-panavotana?

12. Inona no antenaintsika noho ny vidim-panavotana?

12 Manome fanantenana antsika ny vidim-panavotana hoe “hafahana ny zavaboary ka tsy ho andevon’ny fahalòvana intsony.” (Rom. 8:21) Rehefa lasa lavorary isika ao amin’ny Paradisa, dia tsy harary na ho kivy intsony. Tsy hampijaly antsika intsony koa ny fihetseham-po toy ny nenina, tebiteby, tahotra, alahelo, na henatra. Tsy ho very maina koa ny ezaka ataontsika mba hikarakarana ny tany na hitandroana fihavanana. I Jesosy Kristy, ilay nanome ny vidim-panavotana, mantsy no hitondra antsika, izany hoe ilay “Andrianan’ny Fiadanana.”​—Isaia 9:6, 7.

13. Inona koa no azonao saintsainina alohan’ny hanatrehana Fahatsiarovana?

13 Mba eritrereto ange hoe hoatran’ny ahoana ilay hoe tsy andevozin’ny ota intsony e! Salama be foana ianao isaky ny mifoha amin’ny maraina. Tsy hatahotra intsony ianao hoe ho noana, na harary, na hoe sao dia ho faty ianao na ny olona akaiky anao. Na izao aza dia tsy manana ahiahy ianao satria ‘mifikitra amin’ilay fanantenana.’ ‘Vatofantsiky ny ainao izy io sady azo antoka no mafy orina.’ (Heb. 6:18, 19) Mahatonga ny sambo tsy hihetsiketsika ny vatofantsika, dia hoatr’izany koa ny fanantenanao. Mahatonga ny finoanao tsy hihozongozona izy io, sady manampy anao hiaritra an’izay fitsapana atrehinao amin’izao. Afaka matoky ianao fa ho “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” i Jehovah. (Heb. 11:6) Tsy ho afaka hahazo fampiononana ianao amin’izao sady tsy ho afaka hanantena hoavy tsara, raha tsy teo ny vidim-panavotana.

MAMPIHAVANA ANTSIKA AMIN’ANDRIAMANITRA INDRAY

14. Inona no vokatry ny ota eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamorona, ary nahoana?

14 Rehefa nanota i Adama sy Eva, dia lasa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe lasa fahavalon’ny Mpamorona ny olona. (Rom. 8:7, 8; Kol. 1:21) Nahoana? Satria lavorary i Jehovah, dia tsy milefitra amin’ny fahotana izy. Hoy ny Baiboly momba azy: “Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy, ary tsy tantinao mihitsy ny mahita zava-dratsy.” (Hab. 1:13) Manakana antsika tsy hifandray amin’Andriamanitra àry ny ota. Tsy ho afaka ny hihavana aminy indray isika raha tsy esorina izany sakana izany. Ny vidim-panavotana no ahafahana manao an’izany.

15. Nahoana ny vidim-panavotana no mahatonga antsika ho afaka hifandray amin’i Jehovah indray?

15 Milaza ny Baiboly hoe “sorona fampihavanana noho ny fahotantsika” i Jesosy. (1 Jaona 2:2) Azo adika hoe “fomba ampitonena” ilay teny grika nadika hoe “sorona fampihavanana.” Nahoana no hoe mampitony an’i Jehovah ny vidim-panavotana? Tsy hoe faly tamin’ny nahafatesan’ny Zanany akory izy. Mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah momba ny rariny kosa ny vidim-panavotana, ka lasa afaka mifandray amin’ny olombelona indray izy. (Rom. 3:23-26) Azony ekena ho olo-marina mihitsy aza ny olona nanompo azy sy tsy nivadika taminy talohan’ny nahafatesan’i Kristy. (Gen. 15:1, 6, f.a.p.) Nahoana? Noho ilay vidim-panavotana haloa atỳ aoriana. Natoky tanteraka i Jehovah hoe hanome azy io i Jesosy Zanany. (Isaia 46:10) Lasa afaka mihavana amin’Andriamanitra indray ny olombelona noho ny vidim-panavotana.

16. Inona koa no azonao saintsainina herinandro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana? (Jereo koa ny sary.)

16 Eritrereto ny soa azonao noho ianao mihavana amin’Andriamanitra indray. Angamba ianao miantso an’i Jehovah hoe ‘Rainao’, araka ny nampianarin’i Jesosy. (Mat. 6:9) Mety hisy fotoana mihitsy aza ianao hihevitra azy hoe “Namanao.” Tokony hanetry tena sy tena hanaja isika rehefa mampiasa an’ilay teny hoe “Ray” na “Namana.” Fa maninona? Satria tsy mendrika ny ho akaiky an’i Jehovah mihitsy isika noho isika mpanota. Ny vidim-panavotana ihany no mahatonga antsika ho afaka hifandray amin’i Jehovah. I Jehovah no nanome ny Zanany mba ‘hihavana aminy ny zavatra hafa rehetra, tamin’ny alalan’ny ra nalatsak’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana.’ (Kol. 1:19, 20) Izay no mahatonga antsika ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah, na dia mbola tsy lavorary aza.

Miaramila romanina manomana ny famantsihana an’i Jesosy eo amin’ny hazo fijaliana. Mitondra an’i Jesosy mankeo amin’ilay tsato-kazo ireo miaramila roa, fa ny anankiray kosa mitazona marotoa sy fantsika.

Ny fahafatesan’i Jesosy ihany no ahafahantsika olombelona mifandray tsara amin’i Jehovah indray (Fehintsoratra 16)


MANAPOROFO HOE MAMINDRA FO I JEHOVAH

17. Nahoana ny vidim-panavotana no mampiseho hoe tena mamindra fo i Jehovah? (Efesianina 2:4, 5)

17 Hita avy amin’ny vidim-panavotana hoe “tena mamindra fo” i Jehovah. “Novelominy” mantsy isika “na dia maty noho ny helotsika aza.” (Vakio ny Efesianina 2:4, 5.) Miantsoantso mitady fanampiana ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ Hoatran’ilay lehilahy tsy tafavoaka tao amin’ny trano nirodana ry zareo, ka mila famonjena noho ny ota nolovany. (Asa. 13:48) Mamaly ny antson’ireny olona ireny i Jehovah ka ataony azo antoka hoe maheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana ry zareo, amin’izay afaka mianatra mba hahafantatra azy sy Jesosy Zanany. (Jaona 17:3) Raha nieritreritra i Satana hoe tsy ho tanteraka intsony ny fikasan’i Jehovah rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia diso hevitra izy.

18. Inona no tokony hotadidintsika foana rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana isika?

18 Rehefa misaintsaina ny soa hoentin’ny vidim-panavotana isika, dia mila mitadidy hoe inona no tena antony nanomezan’i Jehovah azy io. Tsy ny hamonjena antsika fotsiny no nanomezana azy io, fa mba hamalian’i Jehovah ny fiampangan’i Satana azy tany Edena. (Gen. 3:1-5, 15) Ny vidim-panavotana no ampiasain’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany, izany hoe hanadiovana azy io amin’ny fanaratsiana rehetra nataon’i Satana. Manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana koa i Jehovah, mba hampisehoana hoe Andriamanitra fitiavana izy. Marina hoe mpanota isika, nefa noho ny hatsaram-panahiny miavaka, dia avelany hanaporofo isika hoe mpandainga i Satana. (Ohab. 27:11) Ahoana no azonao ampisehoana hoe mankasitraka ny vidim-panavotana ianao? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay.

NAHOANA NY VIDIM-PANAVOTANA NO...

  • ahazoantsika famelan-keloka?

  • mahatonga antsika hanantena hoe ho lasa lavorary isika?

  • mampihavana antsika amin’Andriamanitra indray?

HIRA 19 Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

a FANAZAVANA: Ny vidim-panavotana dia vola aloa mba hanafahana olona iray nisy naka an-keriny. Antsoina hoe vidim-panavotana ny sorona nataon’i Jesosy, satria io no hanafahana ny olombelona mankatò amin’ny ota sy ny fahafatesana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara