23-29 MARTSA 2026
HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana
Asehoy hoe Mankasitraka ny Vidim-panavotana Ianao
“Ny fitiavan’i Kristy no mandrisika anay.”—2 KOR. 5:14, f.a.p.
HEVITRA HODINIHINA
Ahoana no ampisehoantsika rehetra hoe mankasitraka ny vidim-panavotana isika?
1-2. Tokony handrisika antsika hanao inona ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary nahoana? (2 Korintianina 5:14, 15, f.a.p.) (Jereo koa ny sary.)
AHOANA raha tsy tafavoaka tao amin’ny trano iray nirodana ianao, ka nisy olona nanavotra anao? Azo antoka hoe tena hankasitraka azy ianao. Te hisaotra azy manokana ianao, na dia tsy ianao irery aza no novonjeny. Tianao haseho mantsy hoe tsy hadinonao ny zavatra nataony.
2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe tsy mahavonjy ny tenantsika amin’ny ota sy ny fahafatesana isika. Soa fa teo ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia lasa afaka 1) mahazo famelan-keloka isika, 2) manantena hoe ho lasa lavorary, ary 3) mihavana amin’Andriamanitra indray. Lasa afaka manantena hiaina mandrakizay àry isika. Hita avy amin’ny vidim-panavotana fa tena tian’i Jesosy ny olombelona, ary efa ela be talohan’ny nahatongavany tetỳ izy no tia azy ireo. (Ohab. 8:30, 31) Nanoratra ny apostoly Paoly hoe “ny fitiavan’i Kristy no mandrisika anay.” (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15 sy ny fanamarihana ambany pejy.) Inona no dikan’izany? Tokony hasehontsika hoe mankasitraka ny fitiavan’i Jesosy isika, ary tsy hanadino an’izay nataony ho antsika.
Na navotana avy tao amin’ny trano iray rava isika na navotana avy tamin’ny ota, dia mila mampiseho hoe mankasitraka an’ilay namonjy antsika (Fehintsoratra 1-2)
3. Nahoana no mety tsy hitovy ny fomba ampisehoan’ny olona tsirairay hoe mankasitraka ny vidim-panavotana izy?
3 Ahoana no ampisehoanao hoe mankasitraka ny vidim-panavotana ianao? Mety tsy hitovy amin’ny an’olon-kafa ny valin-teninao. Nahoana? Eritrereto hoe misy olona telo handeha ho any amin’ny toerana iray, fa tsy mitovy ny toerana iaingany. Tsy mitovy ny lalana fidiny nefa samy tonga any amin’ilay toerana, na ilay tanjona. Ny hampiseho fankasitrahana ny vidim-panavotana koa no tanjonao. Miankina amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah amin’izao ny lalana fidinao mba hanatratrarana an’io tanjona io. Hiresaka sokajin’olona telo ity lahatsoratra ity: 1) Mpianatra Baiboly, 2) Kristianina vita batisa, ary 3) ondry niala tamin’ny andiany.
MPIANATRA BAIBOLY
4. Ahoana no ahitana hoe voamarik’i Jehovah ny mpianatra Baiboly?
4 Diniho izao raha mianatra Baiboly ianao: Anisan’ireo notaomin’i Jehovah hifandray aminy ianao matoa liana amin’ny vaovao tsara. (Jaona 6:44; Asa. 13:48) “Mpandinika ny fo” mantsy izy. Hitany ny ezaka ataonao mba hianarana momba azy, ary faly izy mahita ny fiovana ataonao noho ianao te hanaraka ny fitsipiny. (Ohab. 17:3; 27:11) Lasa afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah ianao noho ny vidim-panavotana. (Rom. 5:10, 11) Aza hamaivanina mihitsy izany.
5. Ahoana no azon’ny mpianatra Baiboly ampiharana an’ilay toromarika ao amin’ny Filipianina 3:16?
5 Ahoana no azon’ny mpianatra Baiboly ampisehoana fa mankasitraka ny vidim-panavotana izy? Azony atao, ohatra, ny manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny Filipianina, hoe: “Efa misy fandrosoana vitantsika, ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.” (Fil. 3:16) Izao no ilazan’ny fandikan-teny hafa azy io: “Aoka isika hizotra amin’izay efa andehanantsika hatramin’izao.” Aza avela hisy hisakana anao tsy handeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana àry.—Mat. 7:14; Lioka 9:62.
6. Ahoana no azon’ny mpianatra Baiboly atao raha sarotra aminy ny manao fiovana? (Deoteronomia 30:11-14) (Jereo koa ny sary.)
6 Ahoana raha sarotra aminao ny manaiky fampianarana iray nianaranao vao haingana? Manaova fikarohana, dia mivavaha amin’i Jehovah mba ho azonao kokoa ilay izy. (Sal. 86:11) Raha mbola sarotra aminao ihany ny mahazo an’ilay izy, dia aza miasa saina be amin’iny aloha fa tohizo ihany ny fianaranao Baiboly. Ahoana indray raha sarotra aminao ny miala amin’ny fanao iray raran’ny Baiboly? Tadidio hoe tsy mitaky zavatra tsy ho vitan’ny olona tsy lavorary mihitsy i Jehovah. Azonao atao tsara ny manaraka ny fitsipiny. (Vakio ny Deoteronomia 30:11-14.) Izy koa mampanantena hoe hanampy anao. (Isaia 41:10, 13; 1 Kor. 10:13) Aza milavo lefona àry. Aza mifantoka be amin’ilay ady mafy tsy maintsy ataonao, fa saintsaino hoe inona daholo ny zavatra tsara efa nataon’i Jehovah ho anao, anisan’izany ny nanomezany ny vidim-panavotana. Rehefa mitombo ny fitiavanao an’i Jehovah, dia ho hitanao hoe “tsy mavesatra ny didiny.”—1 Jaona 5:3.a
Tsy mitaky an’izay tsy ho vitantsika mihitsy i Jehovah. Hanampy antsika hampihatra ny fitsipiny izy (Fehintsoratra 6)
7. Inona no azon’ny tanora saintsainina raha tezaina ao amin’ny fahamarinana izy?
7 Tanora tezaina ao amin’ny fahamarinana ve ianao? Mpianatra Baiboly koa ianao raha izany. Ianao no sarobidy indrindra amin’ny olona ampianarin’ny ray aman-dreninao. Milaza ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8; 1 Tan. 28:9) Rehefa manao zavatra ianao mba hanatonana an’i Jehovah, dia manatona anao izy. Tsy hoe anisan’ny fianakaviana kristianina iray fotsiny no fahitan’i Jehovah anao. Notaominy manokana ianao. Ny olona tsirairay mihitsy mantsy no taominy, anisan’izany ny olona tsirairay tezaina ao amin’ny fahamarinana. Nahoana ianao no afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah? Noho ny vidim-panavotana. Tsy tokony hohamaivaninao mihitsy izy io. (Rom. 5:1, 2) Alohan’ny hanatrehanao Fahatsiarovana àry amin’ity taona ity, dia saintsaino hoe inona ny soa raisinao noho i Jesosy maty ho anao. Ny fisaintsainana an’izany no handrisika anao hanatratra ny tanjonao ara-panahy, na inona izany na inona. Izany no hampisehoanao fa mankasitraka ny vidim-panavotana nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanany ianao.b
KRISTIANINA VITA BATISA
8. Ahoana no efa nampisehoan’ny Kristianina vita batisa hoe mino ny vidim-panavotana ry zareo?
8 Raha Kristianina vita batisa ianao, dia betsaka ny fomba efa nampisehoanao hoe mino ny vidim-panavotana ianao. Efa nisy dingana nataonao, ohatra, mba hanatonana an’i Jehovah sy hanarahana ny fitsipiny. Nankatò ny didin’i Jesosy ianao, ka nitory sy nampianatra ny hafa. Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa koa ianao. Niaritra ianao na teo aza ny fanoherana. (2 Tim. 3:12) Hita hoe tia an’i Jehovah ianao sady mankasitraka ny vidim-panavotana.—Heb. 12:2, 3.
9. Inona no mila itandreman’ny Kristianina vita batisa?
9 Mila mitandrina anefa ny Kristianina vita batisa, satria mety tsy hankasitraka ny vidim-panavotana intsony rehefa mandeha ny fotoana. Ahoana no mety hahatonga an’izany? Diniho izay nitranga tamin’ny Kristianina tany Efesosy tamin’ny taonjato voalohany. Noderain’i Jesosy ry zareo satria niaritra. Na izany aza, dia izao no nolazainy tamin-dry zareo: “Izao no anomezako tsiny anao: Navelanao hihena ilay fitiavanao voalohany.” (Apok. 2:3, 4) Mety ho lasa fahazarana fotsiny ny fanompoan’ny Kristianina iray, araka io tenin’i Jesosy io. Mety hoe mivavaka sy mivory ary manompo izy. Tsy fitiavana intsony anefa no mandrisika azy, fa efa lasa fahazarana fotsiny ilay izy. Inona no azonao atao raha tsapanao hoe tsy tia be an’i Jehovah hoatran’ny taloha intsony ianao?
10. Ahoana no azonao ampiharana an’ilay tenin’i Paoly tamin’i Timoty? (1 Timoty 4:13, 15)
10 Nampirisihin’ny apostoly Paoly i Timoty mba ‘hieritreritra tsara’ sy ‘hifantoka tanteraka’ amin’ny fanompoany an’i Jehovah. (Vakio ny 1 Timoty 4:13, 15.) Ahoana no hampiharanao an’izany torohevitra izany? Saintsaino izay azonao atao mba hanatsarana ny fanompoanao an’i Jehovah, amin’izay ianao “harehitry ny fanahy” foana. (Rom. 12:11) Maninona, ohatra, raha hatsaraina ny fomba fanomananao, amin’izay ianao mifantoka kokoa any am-pivoriana? Sao dia afaka mitady toerana mitokana ianao rehefa mianatra samirery, mba ho afaka hisaintsaina an’izay nianaranao? Mila ampiana afo ny kitay mba hirehitra foana. Hoatr’izany koa fa mila manao an’ireo ianao raha tianao ny hankasitraka indray an’izay rehetra nataon’i Jehovah ho anao, anisan’izany ny vidim-panavotana. Mandritra an’ireo herinandro vitsivitsy mialoha ny Fahatsiarovana koa, dia saintsaino ny fitahiana azonao noho ianao anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo antoka hoe hanampy anao hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana izany. Io ihany mantsy no ahafahanao mifandray amin’i Jehovah.
11-12. Raha misy fotoana ianao tsy mafana fo hoatran’ny taloha, midika ve izany hoe tsy ao aminao intsony ny fanahin’Andriamanitra? Hazavao. (Jereo koa ny sary.)
11 Ahoana raha tsy mafana fo amin’ny fanompoana intsony ianao? Aza kivy na mieritreritra hoe tsy ao aminao intsony ny fanahin’i Jehovah. Tadidio izay nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fanompoany tamin’izy nanoratra ho an’ny Korintianina. Hoy izy: “Na tsy an-tsitrapo aza ... no anaovako an’izany, dia mbola manana asa nampiandraiketina ahy ihany aho.” (1 Kor. 9:17) Inona no tiany holazaina?
12 Nisy fotoana i Paoly tsy tena te hitory. Tapa-kevitra ny hitory foana anefa izy, na dia rehefa tsy nazoto aza. Afaka manahaka azy ianao. Miezaha ho tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana, na dia tsy tena mazoto hanao an’izany aza ianao. Inona no hanampy anao? Mivavaha mba “hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.” (Fil. 2:13) Tohizo foana ny fahazaranao ara-panahy. Matokia hoe ho tia be an’i Jehovah hoatran’ny taloha ianao rehefa mandeha ny fotoana, ary hafana fo indray.
Tohizo foana ny fahazaranao ara-panahy na dia tsy mazoto aza ianao indraindray (Fehintsoratra 11-12)
13. Ahoana no hamantarantsika raha “ao amin’ny finoana” isika na tsia?
13 Tsara koa indraindray ny mandini-tena, araka ny resahin’ny 2 Korintianina 13:5 hoe: “Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara foana hoe manao ahoana ny tenanareo.” Saintsaino, ohatra, hoe: ‘Ilay Fanjakana ve no ataoko loha laharana eo amin’ny fiainana?’ (Mat. 6:33) ‘Hita amin’ny fialam-boly ataoko ve fa mankahala ny ratsy aho?’ (Sal. 97:10) ‘Manampy ny fiangonana hihavana sy hiray saina ve aho?’ (Efes. 4:2, 3) Misaintsaina ny nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana isika rehefa Fahatsiarovana, ka afaka mandini-tena sy mamantatra raha velona ho an’i Kristy isika fa tsy velona ho an’ny tenantsika.c
ONDRY NIALA TAMIN’NY ANDIANY
14. Inona no mety ho nahatonga ny Kristianina sasany ho tafasaraka tamin’ny andian’ondry?
14 Tsy niaraka tamin’ny fiangonana intsony ny Kristianina sasany, nefa efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny volana maromaro na taona maro mihitsy aza. Nahoana? Eo ireo tototry ny “fanahiana eo amin’ny fiainana.” (Lioka 21:34) Ny hafa indray tafintohina tamin’ny teny na zavatra nataon’ny mpiara-manompo iray. (Jak. 3:2) Misy kosa nanao fahotana lehibe, dia tsy sahy mangataka fanampiana. Inona no azonao atao raha niala tamin’ny andian’ondry ianao, na inona na inona antony? Tokony handrisika anao hanao inona ny vidim-panavotana sy ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy anao?
15. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe tsy manadino an’ireo ondry niala tamin’ny andiany izy? (Ezekiela 34:11, 12, 16)
15 Saintsaino hoe ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireny ondry niala tamin’ny andiany ireny. Tsy manadino an-dry zareo izy. Mitady an’ireny ondry very ireny kosa izy, dia avy eo ry zareo omeny sakafo sady ampiany hiverina aminy. (Vakio ny Ezekiela 34:11, 12, 16.) Hoatr’izany koa ve no ataon’i Jehovah aminao? Azo antoka izany. Matoa ianao mamaky an’ity lahatsoratra ity dia midika izany hoe mbola te hampifaly azy ianao. Ary sao dia efa manampy anao hiverina aminy indray i Jehovah? Izy ihany ange no nahita ny toe-ponao sy nitaona anao ho ao amin’ny fahamarinana e!
16. Inona no hanampy an’ireo ondry niala tamin’ny andiany mba hiverina amin’i Jehovah indray? (Jereo koa ny sary.)
16 Misy an’ireto teny mampahery ireto ao amin’ny bokikely Miverena Amin’i Jehovah: “Matokia fa hanampy anao i Jehovah rehefa hiverina aminy ianao. Hampiany ianao mba tsy hiady saina na tsy hitana lolompo na tsy hanamelo-tena intsony fa hilamin-tsaina. Lasa te hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny mpanompony indray ianao avy eo.” Tadidio koa fa tena te hanampy anao ny anti-panahy. Afaka ny ho ‘toy ny toerana fiafenana amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny oram-baratra’ ry zareo. (Isaia 32:2) Azo antoka hoe mankasitraka ny vidim-panavotana ianao. Saintsaino àry hoe: ‘Inona avy ny dingana azoko atao amin’izao, mba hahafahako “hifandamina” amin’i Jehovah?’ (Isaia 1:18; 1 Pet. 2:25) Maninona, ohatra, raha mba mivory indray mandeha any amin’ny Efitrano Fanjakana? Azonao atao ve ny manatona anti-panahy anankiray, ary mangataka fanampiana aminy? Mety hanendry olona iray izy mba hampianatra Baiboly anao mandritra ny fotoana kelikely. Matokia fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao mba hampisehoana hoe mankasitraka ny sorom-panavotan’ny Zanany ianao.
Saintsaino izao: ‘Inona avy ny dingana azoko atao amin’izao mba hahafahako “hifandamina” amin’i Jehovah?’ (Fehintsoratra 16)
AHOANA NO HATAONAO?
17-18. Ahoana no azontsika ampiasana tsara ny fotoanantsika mialoha ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity?
17 Nilaza ny antony nanomezana ny vidim-panavotana i Jesosy. Hoy izy: “Mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Amin’ny alalan’ny vidim-panavotana i Jehovah no manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy misy amintsika tokony hanamaivana an’izany. (Rom. 3:23, 24; 2 Kor. 6:1) Afaka misaintsaina ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy antsika isika mandritra an’ireo andro vitsivitsy mialoha ny Fahatsiarovana. Ary izany fitiavana izany no handrisika antsika hampiseho ny fankasitrahantsika.
18 Ahoana no hampisehoanao hoe mankasitraka ny vidim-panavotana ianao? Mety tsy hitovy amin’ny an’olon-kafa ny valin-teninao. Matokia anefa fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao sy ny an’ny mpanompony an-tapitrisany, izay ‘tsy velona ho an’ny tenany intsony, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo.’—2 Kor. 5:15.
HIRA 14 Derao Ilay Mpanjaka Hitondra ny Tany
a Ampiasao ilay hoe “Tanjona” any amin’ny faran’ny lesona tsirairay amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, mba hahafahanao hampihatra an’izay ianaranao ao amin’ny Baiboly.
b Misy soso-kevitra hanampy anao handroso ara-panahy ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ry Tanora, ‘Miezaha Mafy Foana mba Hahazo Famonjena’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Desambra 2017.
c Misy soso-kevitra hanampy anao hankasitraka an’i Jehovah foana ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Manosika Anao Hanompo An’Andriamanitra?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1995.