FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 32
  • Tena Ilaina ve ny Mahalala Fomba?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Ilaina ve ny Mahalala Fomba?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no soa ho azonao raha mahalala fomba ianao?
  • Inona no azonao atao mba hahatonga anao hahalala fomba kokoa?
  • Aoka isika hamboly ireo fomba kristiana eo amin’izao tontolo izao tsy manaja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • ‘Mitondrà tena amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra ny Fahalalam-pomba
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mahalala Fomba ny Mpanompon’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 32
Ankizilahy manampy vehivavy be taona mitondra entana

MANONTANY NY TANORA

Tena Ilaina ve ny Mahalala Fomba?

‘Maninona aho no tokony hiarahaba olona nefa ny olona aza tsy miarahaba ahy akory?’

‘Fa maninona moa aho no tsy maintsy hiteny foana hoe “azafady” na “misaotra”?’

‘Tsy mila mahalala fomba amin’ny iray tam-po amiko aho satria samy olona iray trano ihany izahay.’

Efa niteny toy izany koa ve ianao? Voa mafy ianao raha izany no izy. Mahasoa mantsy ny mahalala fomba.

  • Inona no soa ho azonao raha mahalala fomba ianao?

  • Inona no azonao atao mba hahatonga anao hahalala fomba kokoa?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Inona no soa ho azonao raha mahalala fomba ianao?

Misy soa telo ho azonao ireto raha mahalala fomba ianao:

  1. Hihatsara ny lazanao. Arakaraka izay ataonao amin’ny olona no hahatonga anao ho tsara laza na ho ratsy laza. Raha mahalala fomba ianao, dia hoeritreretin’ny olona hoe ankizy matotra sy hendry. Hahalala fomba aminao koa izy ireo. Raha tsy mahalala fomba kosa ianao, dia hoheverin’ny olona hoe tia tena, ka mety hisy zavatra tsy ho azonao, ary mety tsy hahita asa koa ianao. ‘Mitondra loza ho an’ny tenanao’ ianao amin’izany.—Ohabolana 11:17.

  2. Hahazo namana ianao. Hoy ny Baiboly: “Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kolosianina 3:14) Tena marina izany. Mora voasarika hinamana aminao ny hafa raha mahalala fomba sy tsara fanahy ianao. Iza tokoa moa no te hinamana amin’olona tsy mahalala fomba sy ratsy toetra?

  3. Hanaja anao ny olona. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Jennifer: “Raha mahalala fomba foana ianao, dia ho hitanao fa hanaja kokoa anao ny olona, na dia ireo tena tsy mahalala fomba aza.” Tsy hanaja anao kosa ny olona, raha tsy mahalala fomba ianao. Milaza ny Baiboly hoe: “Araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”—Matio 7:2.

Tadidio àry hoe: Mifanerasera amin’olona foana isika isan’andro. Raha mahalala fomba ianao, dia hiova ny fiheveran’ny olona anao, ary hohajainy ianao. Tena ilaina àry ny mahalala fomba!

Inona no azonao atao mba hahatonga anao hahalala fomba kokoa?

  1. Diniho ny fahazaranao. Mieritrereta hoe: ‘Manaja olon-dehibe ve aho rehefa miresaka amin’izy ireo? Impiry aho no miteny hoe “azafady” na “misaotra”? Varimbariana ve aho rehefa miresaka amin’ny hafa, ohatra hoe ilaozako mamaky sy mandefa SMS? Manaja ny ray aman-dreniko sy ny iray tam-po amiko ve aho sa tsy hajaiko izy ireo satria hoe “samy olona iray trano ihany” izahay?’

    Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—Romanina 12:10.

  2. Miezaha hanana tanjona. Manorata zavatra telo mbola mila iezahanao. Nilaza, ohatra, i Allison, 15 taona, fa mila miezaka ny “hahay hihaino ny hafa” izy “fa tsy ho be resaka loatra intsony.” I David, 19 taona, indray milaza fa hiezaka tsy handefa SMS intsony izy rehefa miaraka amin’ny namany sy ny fianakaviany. Hoy izy: “Hoatran’ny miteny amin-dry zareo aho hoe aleoko miresaka amin’ny olon-kafa toy izay miresaka amin-dry zareo. Tsy manaja olona mihitsy izany.” I Edward, 17 taona, kosa nilaza fa hiezaka ny tsy hanapaka tenin’olona izy. Hitan’i Jennifer, ilay voaresaka terỳ aloha, koa hoe mila miezaka hahalala fomba kokoa amin’ny zokiolona izy. Hoy izy: “Noarahabaiko haingankaingana fotsiny ry zareo, dia nitady hevitra hankanesana eny amin’ny ankizy namako aho. Fa izao aho efa miezaka mifampiresaka amin-dry zareo. Tena nanampy ahy hahalala fomba izany.”

    Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

  3. Jereo ny ezaka vitanao. Diniho mandritra ny iray volana ny fomba fiteninao na ny fihetsikao mba hahitanao raha efa miezaka hanatratra an’ireo tanjona tianao hotratrarina ianao na tsia. Rehefa mifarana ny volana, dia mieritrereta hoe: ‘Nihatsara ve ny toetrako rehefa niezaka hahalala fomba aho? Inona no mbola mila iezahako?’ Miezaha avy eo hanana tanjona hafa mifanaraka amin’izany.

    Milaza ny Baiboly hoe: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”—Lioka 6:31.

Fantatrao ve? Izay zavatra heverina ho fahalalam-pomba ao amin’ny tany iray, dia mety hoheverina ho tsy fahalalam-pomba any an-tany hafa. Fanao any Japon, ohatra, ny manala kiraro alohan’ny hidirana ao an-trano. Tsy fahalalam-pomba anefa izany any an-tany hafa. Ary inona ny fomba any aminareo?

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Selena

Selena

“Rehefa mahalala fomba ianao, dia izay matetika no voamariky ny olona voalohany. Mahafinaritra azy koa ianao raha mahalala fomba. Ho faly koa ianao satria fantatrao hoe mety ny nataonao.”

Megan

Megan

“Tsy dia hiraharaha anao ny olona raha tsy mahalala fomba ianao. Hohajain’ny olona kosa ianao raha tsara fanahy sy manaja azy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara