Zoma 17 Oktobra
Asehoy eo amin’ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.—Efes. 5:8.
Mila ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika mba hahafahantsika hitondra tena foana hoatran’ny “zanaky ny mazava.” Fa maninona? Satria tsy mora mihitsy ny hoe madio foana eto amin’izao tontolo ratsy fitondran-tena izao. (1 Tes. 4:3-5, 7, 8) Ampian’ny fanahy masina isika mba hiady amin’ny toe-tsain’izy io, anisan’izany ny filozofiany sy ny fomba fiheviny mifanohitra amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ampiany koa isika mba hanana an’izay “rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina.” (Efes. 5:9) Hahazo ny fanahy masina, ohatra, isika raha mangataka azy io amin’ny vavaka. Nilaza i Jesosy fa “tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah. (Lioka 11:13) Mahazo fanahy masina koa isika rehefa miara-midera an’i Jehovah any am-pivoriana. (Efes. 5:19, 20) Misy heriny tsara amintsika izy io ka hanampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra. w24.03 23-24 § 13-15
Asabotsy 18 Oktobra
Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.—Lioka 11:9.
Mila manam-paharetana kokoa ve ianao? Raha izany, dia mivavaha momba an’ilay izy. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny faharetana. (Gal. 5:22, 23) Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary angataho i Jehovah mba hanampy anao hanana ny vokatry ny fanahy. Rehefa sarotra amintsika ny hanam-paharetana, dia “mangataha foana” fanahy masina mba hanampy antsika. (Lioka 11:13) Afaka mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hitovy amin’ny azy ny fomba fahitantsika ny zava-mitranga. Rehefa avy mivavaka isika, dia mila manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanam-paharetana isan’andro. Arakaraka ny ivavahantsika sy iezahantsika hanam-paharetana no hahatonga an’io toetra io hamaka ao am-pontsika, ka ho lasa maha izy antsika mihitsy. Manampy koa ny misaintsaina an’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly. Miresaka olona be dia be nanam-paharetana ny Baiboly. Hahita fomba anehoana an’io toetra io isika raha misaintsaina an’ireny tantara ireny. w23.08 22-23 § 10-11
Alahady 19 Oktobra
Alatsaho ny haratonareo dia hahazo trondro ianareo!—Lioka 5:4.
Nomen’i Jesosy toky ny apostoly Petera hoe hikarakara azy i Jehovah. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy, dia nataony nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga indray i Petera sy ny apostoly hafa. (Jaona 21:4-6) Azo antoka fa nanome toky an’i Petera iny fahagagana iny hoe mora amin’i Jehovah ny hanome an’izay ilainy. Tadidin’io apostoly io angamba ny tenin’i Jesosy hoe homen’i Jehovah an’izay ilainy ireo ‘mikatsaka foana an’ilay Fanjakana’ alohan’ny zavatra hafa. (Mat. 6:33) Nampihatra an’izany àry i Petera, ka ny fanompoana no tena nifantohany fa tsy ny fanaratoana. Sahy nitory izy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka an’arivony no nanaiky ny vaovao tsara. (Asa. 2:14, 37-41) Nanampy ny Samaritanina sy ny hafa firenena hanaiky an’i Kristy koa izy taorian’izay. (Asa. 8:14-17; 10:44-48) Tena nampiasa be an’i Petera i Jehovah mba hitaomana olona isan-karazany ho anisan’ny fiangonana. w23.09 20 § 1; 23 § 11