FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsimisaraka (Northern), Betsimisaraka (Southern), Konkomba, Matses, Mi'kmaq
  • Androany

Asabotsy 18 Oktobra

Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.​—Lioka 11:9.

Mila manam-paharetana kokoa ve ianao? Raha izany, dia mivavaha momba an’ilay izy. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny faharetana. (Gal. 5:22, 23) Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary angataho i Jehovah mba hanampy anao hanana ny vokatry ny fanahy. Rehefa sarotra amintsika ny hanam-paharetana, dia “mangataha foana” fanahy masina mba hanampy antsika. (Lioka 11:13) Afaka mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hitovy amin’ny azy ny fomba fahitantsika ny zava-mitranga. Rehefa avy mivavaka isika, dia mila manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanam-paharetana isan’andro. Arakaraka ny ivavahantsika sy iezahantsika hanam-paharetana no hahatonga an’io toetra io hamaka ao am-pontsika, ka ho lasa maha izy antsika mihitsy. Manampy koa ny misaintsaina an’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly. Miresaka olona be dia be nanam-paharetana ny Baiboly. Hahita fomba anehoana an’io toetra io isika raha misaintsaina an’ireny tantara ireny. w23.08 22-23 § 10-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 19 Oktobra

Alatsaho ny haratonareo dia hahazo trondro ianareo!​—Lioka 5:4.

Nomen’i Jesosy toky ny apostoly Petera hoe hikarakara azy i Jehovah. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy, dia nataony nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga indray i Petera sy ny apostoly hafa. (Jaona 21:4-6) Azo antoka fa nanome toky an’i Petera iny fahagagana iny hoe mora amin’i Jehovah ny hanome an’izay ilainy. Tadidin’io apostoly io angamba ny tenin’i Jesosy hoe homen’i Jehovah an’izay ilainy ireo ‘mikatsaka foana an’ilay Fanjakana’ alohan’ny zavatra hafa. (Mat. 6:33) Nampihatra an’izany àry i Petera, ka ny fanompoana no tena nifantohany fa tsy ny fanaratoana. Sahy nitory izy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka an’arivony no nanaiky ny vaovao tsara. (Asa. 2:14, 37-41) Nanampy ny Samaritanina sy ny hafa firenena hanaiky an’i Kristy koa izy taorian’izay. (Asa. 8:14-17; 10:44-48) Tena nampiasa be an’i Petera i Jehovah mba hitaomana olona isan-karazany ho anisan’ny fiangonana. w23.09 20 § 1; 23 § 11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 20 Oktobra

Hotetitetehina ianareo ... raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy sy ny dikany.​—Dan. 2:5.

Roa taona teo ho eo taorian’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, dia nanonofy momba ny sarivongana ngezabe i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ary nampiady saina azy ilay izy. Norahonany hoe hovonoina daholo ny olon-kendry, anisan’izany i Daniela, raha tsy nolazain-dry zareo hoe inona ilay nofy sy ny dikany. (Dan. 2:3-5) Nila nanao zavatra haingana àry i Daniela, satria raha tsy izany dia betsaka no ho faty. “Nankao amin’ny mpanjaka [izy] ka nangataka mba homena fotoana fanampiny, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy.” (Dan. 2:16) Nila herim-po sy finoana izany. Tsy misy porofo mantsy hoe efa nilaza ny dikan’ny nofin’olona i Daniela talohan’izay. Nasainy “nivavaka tamin’ilay Andriamanitry ny lanitra” ireo namany, “mba hangataka famindram-po taminy, dia hampahafantatra azy ireo an’ilay zava-miafina.” (Dan. 2:18) Namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah. Nampian’Andriamanitra i Daniela, ka nahavita nilaza ny dikan’ny nofin’i Nebokadnezara. Avotra àry ny ain’i Daniela sy ny namany. w23.08 2 § 4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara