Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nahatonga fiadian-kevitra Jesosy
FOTOANA fohy taorian’ny nandraisana azy tao an-tranon’i Simona, dia nanomboka dia faharoa ho any Galilia Jesosy mba hitory tany. Nandritra ny diany teo aloha tao amin’io faritany io, dia niaraka tamin’ireo mpianany voalohany izy, dia Petera, Andrea, Jakoba ary Jaona. Nefa teto kosa dia niaraka taminy ireo apostoliny 12, ary koa vehivavy sasantsasany, ka ankoatra ny hafa dia tao i Maria Magdalena, Sosana ary Johana, izay mpanao raharahan’i Heroda mpanjaka ny vadiny.
Arakaraka ny nitaran’ny fanompoan’i Jesosy, dia nihamafy ny fiadian-kevitra nateraky ny asany. Nentina teo amin’i Jesosy ny lehilahy iray azon’ny demonia, izay sady jamba no moana ihany koa. Rehefa nositranin’i Jesosy izy, ka naveriny taminy ny fahafahana miteny sy ny fahitana tamin’ny fanafahana azy tamin’ny ziogan’ny demonia, dia talanjona ny vahoaka. Hoy izy ireo: “Moa Ity va Ilay Zanak’i Davida?”
Nitangorona be dia be nanodidina ilay trano nitoeran’i Jesosy ny vahoaka, hany ka tsy afaka nihinan-kanina akory aza izy sy ny mpianany. Afa-tsy ireo izay nifanontany raha izy no ilay “Zanak’i Davida” nandrasana aoka izany, dia teo koa ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay nandeha hatrany Jerosalema mba hitadiavana izay hanamavoana azy. Tetsy an-danin’izany koa, rehefa nahare ny fahatairana napoitran’i Jesosy ireo anisan’ny havany, dia tonga mba haka azy an-keriny. Noho ny antony inona?
Izao: tsy mbola nino ireo rahalahin’i Jesosy fa izy no Zanak’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia sarotra taminy ny nihevitra fa io Jesosy io, araka ny nahitan’izy ireo azy nihalehibe tao Nazareta, dia afaka nanapoaka izany tabataba sy fiadian-kevitra izany. Izany no anton’ny ninoany fa tratry ny fikorontanan-tsaina mafy izy. “Very saina izy”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo, ary nitady hisambotra azy izy mba hitondrana azy.
Tsy azo lavina anefa fa nositranin’i Jesosy ilay lehilahy azon’ny demonia. Fantatr’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo fa tsy azon’izy ireo nolavina ny fahamarinan’ireo fahagagana nataon’i Jesosy, na inona izany na inona, anisan’izany io farany io. Izany no antony nitenenany toy izao tamin’ny vahoaka mba hanaratsiana an’i Jesosy: “Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia.”
Nahalala izay noeritreretiny Jesosy ka niantso ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ho eo akaikiny, ary niteny hoe: “Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana ny haharetan’ny fanjakany?”
Izany ka fandrindran-kevitra tsy azo ifonana! Rehefa heverina ny fanizingizinan’ny Fariseo fa nisy sasany tao aminy nandroaka demonia, dia nanontany azy ireo koa Jesosy hoe: “Raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo azy?” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fiampangana nataon’izy ireo tamin’i Jesosy dia nety nitamberina taminy tsara ihany koa. Avy eo Jesosy dia nilaza hoe: “Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra.”
Mba hanazavana amin’ny alalan’ny sary ny hoe porofon’ny fananany fahefana amin’i Satana ny fahefany hamoaka demonia, Jesosy dia niteny hoe: “Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.” Nanohitra tanteraka an’i Jesosy ny Fariseo, tamin’ny fampisehoana fa mpanompon’i Satana izy ireo. Nampiodina ny Isiraelita tamin’i Kristy izy ireo.
Noho izany, Jesosy dia nampitandrina ireo fahavalo tapahin’i Satana ireo fa ‘tsy hahazoana famelan-keloka ny fitenenan-dratsy ny fanahy masina’. Nanazava izy hoe: “Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.” Nanao fahotana tsy azo avela karazan’izany ireny mpanora-dalàna sy Fariseo ireny tamin’ny filazana tamim-pankahalana ho avy tamin’i Satana izay tsy azo lavina fa asam-pahagagana nataon’ny fanahy masin’Andriamanitra. Matio 12:22-32; Marka 3:19-30; Jaona 7:5.
◆ Tamin’inona no naha-hafa ny dia faharoa nataon’i Jesosy tany Galilia noho ny voalohany?
◆ Nahoana moa ny fianakavian’i Jesosy no nanandrana nisambotra azy?
◆ Tamin’ny fomba ahoana no niezahan’ireo Fariseo hanazimbazimba ireo fahagagana nataon’i Jesosy, ary ahoana no nanoheran’i Jesosy ny fiampangan’izy ireo?
◆ Tamin’inona no naha-meloka ireny Fariseo ireny, ary nahoana?