FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/4 p. 8-13
  • Ny Fanahy Masina: Fanomezan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fanahy Masina: Fanomezan’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny herin’ny fanahy masina
  • Asa mahagaga
  • Soratra ara-tsindrimandry
  • Fianteherana amin’ny fanahy masina
  • Ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany
  • Soa avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra
  • Fanahy Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • ‘Amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny Fomba Fiasan’ny Fanahy Tamin’ny Taonjato Voalohany sy Ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Famantarana ny fanahy masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/4 p. 8-13

Ny Fanahy Masina: Fanomezan’i Jehovah

“Tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” — LIOKA 11:13.

1, 2. a) Fampanantenana inona no nomen’i Jesosy mikasika ny fanahy masina, ary nahoana izany no tena mampionona? b) Inona no atao hoe fanahy masina?

TAMIN’NY fararanon’ny taona 32 am.fan.ir., raha nitory ny vaovao tsara tany Jodia i Jesosy dia niresaka ny amin’ny fahalalahan-tanan’i Jehovah tamin’ireo mpianany. Nampiasa fanoharana mahery sasany izy ary avy eo dia nanome fampanantenana mahatalanjona tamin’ny filazana hoe: “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” — Lioka 11:13.

2 Nitondra fampiononana toy inona moa ireo teny ireo! Koa satria isika miaritra ny fisafotofotoan’ny andro farany ho an’ity tontolo ity sady miatrika ny fandrafian’i Satana sy ny demoniany, ary miady amin’ny fironan-dratsintsika manokana, dia tena mahafaly ny fo tokoa ny mahafantatra fa hanatanjaka antsika amin’ny fanahiny Andriamanitra. Tsy azo lavina fa tsy mety hisy ny fiaretana amim-pahatokiana raha tsy eo izany fanohanana izany. Moa ve ianao mba efa nanandrana ny herin’io fanahy io, dia ny hery miasan’Andriamanitra manokana? Takatrao ve hoe hatraiza no ahafahan’izy io manampy anao? Moa ve ianao mampiasa azy amin’ny fomba feno?

Ny herin’ny fanahy masina

3, 4. Hazavao amin’ny ohatra ny herin’ny fanahy masina.

3 Diniho aloha ny herin’ny fanahy masina. Ampitodiho any amin’ny lasa ny eritreritrao, any amin’ny taona 1954. Tamin’izay dia napoaka teo amin’ny nosy kely Bikini tany Pasifika Atsimo ny baomba hidirôzenina iray. Fotoana fohy taorian’ny nipoahan’ilay baomba, io nosy kanto io dia rakotry ny rahon’etona makadiry be miendrika afo, ary nasian’ny fipoahana iray mitovy hery amin’ny fipoakan’ny TNT 15 tapitrisa taonina. Avy taiza no niavian’izany hery mandrava rehetra izany? Izy io dia vokatry ny fanovana ho angôvo (énergie) ny ampahany kely monja tamin’ny “uranium” sy hidirôzenina izay nahaforona ny votoatin’ilay baomba. Ahoana, anefa, raha toa ireo mpahay siansa ka afaka manao ny mifanohitra amin’izay nataony tany Bikini? Aoka hataontsika hoe azon’izy ireo atao ny misambotra izany angôvo mirehitra rehetra izany ary manova azy ho “uranium” sy hidirôzenina grama vitsivitsy monja. Ho sangan’asa hiavaka tokoa izany! Nanao zavatra mitovy amin’izany anefa i Jehovah, saingy tamin’ny ambaratonga midadasika kokoa, rehefa “namorona ny lanitra sy ny tany” izy tamin’ny voalohany. — Genesisy 1:1.

4 Manana tahirin’angôvo mahery vaika tsy hita avanavana i Jehovah. (Isaia 40:26). Tamin’ny famoronana, dia tsy maintsy nampiasa ny sasany tamin’io angôvo io izy rehefa nanao ny tenan-javatra izay mahaforona izao rehetra izao. Inona no nampiasainy tamin’io asa famoronana io? Ny fanahy masina. Izao no vakintsika: “Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ny [fanahin’ny (esprit), MN] vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra”. (Salamo 33:6). Ary izao no vakina ao amin’ny fitantarana ny famoronana ao amin’ny Genesisy: “Ary ny Fanahin’Andriamanitra [fanahy masina] nanomba tambonin’ny rano.” (Genesisy 1:2). Hery lehibe toy inona moa ny fanahy masina!

Asa mahagaga

5. Amin’ny fomba ambony dia ambony inona avy no iasan’ny fanahy masina?

5 Mbola miasa amin’ny fomba ambony dia ambony ny fanahy masina. Mitarika sy mitondra ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra izy. (Ezekiela 1:20, 21). Sahala amin’ilay angôvo navoakan’ny baomba hidirôzenina, dia azo ampiasaina amin’ny fomba mandrava izy io mba hampiharana ny didim-pitsarana eo amin’ireo fahavalon’i Jehovah, kanefa dia niasa tamin’ny fomba hafa koa izy io, dia fomba izay mahatonga antsika hitolagaga. — Isaia 11:15, MN; 30:27, 28, MN; 40:7, 8, MN; 2 Tesaloniana 2:8, MN.

6. Ahoana no nanohanan’ny fanahy masina an’i Mosesy sy ny zanak’Isiraely tamin’ny fifandraisany tamin’i Egypta?

6 Ohatra, tany amin’ny taona 1513 al.fan.ir. tany ho any, dia naniraka an’i Mosesy i Jehovah mba hiseho teo anatrehan’i Faraon’i Egypta hitaky fahafahana ho an’ny zanak’Isiraely. Nandritra ny 40 taona talohan’izay i Mosesy dia mpiandry ondry tany Midiana, koa nahoana àry i Farao no tokony hihaino mpiandry ondry iray? Satria i Mosesy dia tonga tamin’ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah. Mba hanaporofoana izany, dia nomen’i Jehovah hery izy mba hahavitana fahagagana. Nanaitra ny saina aoka izany izy ireo hany ka, na dia ireo mpisorona egyptiana aza dia voatery niaiky hoe: “Ratsantànan’Andriamanitra ity”a (Eksodosy 8:15 [19, MN]). Nitondra loza folo ho an’i Egypta i Jehovah, ka ny farany tamin’izany dia nanery an’i Farao hamela ny vahoakan’Andriamanitra handao an’i Egypta. Rehefa nikiry nanenjika azy ireo tamin’ny tafiny i Farao, dia afa-nandositra ny Isiraelita rehefa nisy lalana nisokatra tamin’ny fomba nahagaga namaky ny ranomasina Mena. Nanaraka azy ireo ny tafika egyptiana ary nilentika tao anaty ranomasina. — Isaia 63:11-14; Hagay 2:4, 5.

7. a) Inona no antony sasany nahatonga ny fanahy masina hanao fahagagana? b) Na dia tsy mitranga intsony aza ny fahagagana ataon’ny fanahy masina, nahoana ny fitantarana azy ireny ao amin’ny Baiboly no mampionona?

7 Eny, tamin’ny alalan’ny fanahiny, i Jehovah dia nanao fahagagana lehibe ho an’ny Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy sy tamin’ny fotoana hafa koa. Inona no zava-nokendrena tamin’ireny fahagagana ireny? Nampandroso ny fikasan’i Jehovah izy ireny, nahatonga ny anarany ho fantatra, ary nampiseho ny heriny. Ary indraindray, toy ny tamin’i Mosesy, izy ireny dia nanaporofo tamin’ny fomba tsy azo lavina fa nanana ny fanohanan’i Jehovah ny olona iray. (Eksodosy 4:1-9; 9:14-16). Na dia izany aza, dia nahalana ireo fahagagana nentin’ny fanahy masina nandritra ny Tantara.b Azo inoana fa ny ankamaroan’ny olona niaina tamin’ny andron’ny Baiboly dia mbola tsy nahita iray tamin’izany mihitsy, ary tsy mitranga intsony izany amin’izao andro izao. Kanefa satria isika, amin’izao fotoana izao, mitolona amin-java-manahirana izay mety ho toa tsy azo resena, moa ve tsy mampionona ny mahafantatra fa raha mangataka amim-pinoana amin’i Jehovah isika, dia homeny antsika ilay fanahy nanohana an’i Mosesy teo anatrehan’i Farao ary nanokatra lalana ho an’ny Isiraelita teo amin’ny ranomasina Mena? — Matio 17:20.

Soratra ara-tsindrimandry

8. Inona no anjara asan’ny fanahy masina tamin’ny fanomezana ny Didy Folo?

8 Taorian’ny fanafahana azy ireo tany Egypta, dia nitarika ny Isiraelita tany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, ka tany i Jehovah dia nanao fanekena tamin’izy ireo ary nanome azy ireo ny Lalàny. Ny tapany lehibe indrindra tamin’izany Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy izany, dia ny Didy Folo, ary voasokitra teo amin’ny vato fisaka ny kopia voalohany taminy. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Hoy ny Baiboly: “Ary rehefa vita ny teny nataony [i Jehovah] tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’Andriamanitra”. — Eksodosy 31:18; 34:1.

9, 10. Ahoana no fiasan’ny fanahy masina tamin’ny fanoratana ny Soratra hebreo, ary ahoana no nihariharian’izany teo amin’ny fitenenana nampiasain’ny mpianatr’i Jesosy?

9 Ho fanampin’ny Didy Folo, tamin’ny alalan’ny fanahiny, dia nanome ho an’ny Isiraely lalàna sy fitsipika an-jatony maro i Jehovah mba hitarihana ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky. Ary mbola hisy soratra ara-tsindrimandry bebe kokoa ho avy. Taonjato maro taorian’ny andron’i Mosesy, dia nilaza marimarina toy izao ny Levita tao amin’ny vavaka ampahibemaso ho an’i Jehovah: “Nefa nandefitra taona maro taminy [Isiraelita] Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy”. (Nehemia 9:5, 30). Noraketina an-tsoratra ny faminaniana ara-tsindrimandry maro notononin’ireny mpaminany ireny. Ankoatra izany, ny fanahy masina dia nanosika lehilahy nahatoky maro hametraka an-tsoratra tantara masina sy hira fiderana mampiseho fahatsorana.

10 Niresaka ny amin’ireny soratra ireny i Paoly rehefa nilaza hoe: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:16, NW; 2 Samoela 23:2; 2 Petera 1:20, 21). Tsy azo lavina fa rehefa nanonona ireo soratra ireo ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, dia matetika no nampiasa fitenenana toy ny hoe “nampilazain’ny Fanahy Masina (...) an’i Davida”, “nampilazain’ny Fanahy Masina an’Isaia” na hoe: “araka izay lazain’ny Fanahy Masina” fotsiny. (Asan’ny apostoly 1:16; 4:25; 28:25, 26; Hebreo 3:7). Fitahiana toy inona moa izany hoe io fanahy masina nanan-kery teo amin’ny fanoratana ny Soratra Masina io ihany no niaro izany mba hahafahany hitarika sy hampionona antsika amin’izao andro izao! — 1 Petera 1:25.

Fianteherana amin’ny fanahy masina

11. Asan’ny fanahy masina inona no hita tamin’ny fanorenana ny tabernakely?

11 Raha nitoby teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay ny Isiraelita, dia nandidy azy ireo i Jehovah mba hanorina tabernakely iray ho foiben’ny fanompoam-pivavahana marina. Ahoana no nahafahan’izy ireo nanatanteraka izany? “Ary hoy Mosesy tamin’ny Zanak’Isiraely: Indro, efa notononin’i Jehovah anarana Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda, ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa”. (Eksodosy 35:30, 31). Nanamafy izay nety ho fahaizana voajanahary nananan’i Bezalila ny fanahy masina, ary afaka nanara-maso tamim-pahombiazana ny fananganana izany fanorenana niavaka izany izy.

12. Ahoana no nanatanjahan’ny fanahy masina tamin’ny fomba tsy nahazatra olona sasany taorian’ny andron’i Mosesy?

12 Tatỳ aoriana kokoa, ny fanahin’i Jehovah dia niasa teo amin’i Samsona, nanome azy tanjaka mihoatra noho ny an’ny olombelona mba hahafahany hanafaka ny Isiraely tamin’ny Filistina. (Mpitsara 14:5-7, 9; 15:14-16; 16:28-30). Mbola tatỳ aoriana kokoa, i Solomona dia nomena fahendrena manokana tamin’ny naha-mpanjakan’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra azy. (2 Tantara 1:12, 13). Teo ambany fanapahany, dia niroborobo mbola tsy nisy toy izany ny Isiraely, ary ny toe-piainany sambatra dia nanjary ohatra ny amin’ireo fitahiana ho azon’ny vahoakan’Andriamanitra eo ambanin’ny Fanjakana Arivo taonan’i Kristy Jesosy, ilay Solomona Lehibe. — 1 Mpanjaka 4:20; 5:5, 9-14; Isaia 2:3, 4; 11:1, 2; Matio 12:42.

13. Amin’ny ahoana ilay fitantarana ny amin’ny nanatanjahan’ny fanahy an’i Bezalila sy i Samsona ary i Solomona no mampahery antsika amin’izao andro izao?

13 Fitahiana toy inona moa ny nanaovan’i Jehovah izay hahazoantsika mampiasa io fanahy io ihany! Rehefa mahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana isika mba hanatanterahana asa nanendrena iray na mba hanaovana ny asa fitoriana, dia afaka mangataka amin’i Jehovah isika mba hanome antsika fanahy mitovy amin’ilay nomeny an’i Bezalila. Rehefa mijaly noho ny aretina na miaritra fanenjehana isika, ilay fanahy izay nanome an’i Samsona hery mahatalanjona io ihany no hanatanjaka antsika — na dia tsy amin’ny fomba mahagaga aza, mazava ho azy. Ary rehefa miatrika zava-manahirana sarotra isika na tsy maintsy manao fanapahan-kevitra lehibe, dia azontsika angatahina i Jehovah izay nanome fahendrena mahatalanjona an’i Solomona mba hanampy antsika hanao zavatra amim-pahendrena. Amin’izay, sahala amin’i Paoly, dia hilaza isika hoe: “Manana ny tanjaka ho an’ny zavatra rehetra aho noho ilay manome hery ahy”. (Filipiana 4:13, NW). Ary hihatra amintsika ilay fampanantenan’i Jakoba hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany”. — Jakoba 1:5.

14. Iza tamin’ny andro fahiny sy ankehitriny no notohanan’ny fanahy masina?

14 Ny fanahin’i Jehovah koa dia teo amin’i Mosesy fony izy nitsara ilay firenena. Rehefa nisy hafa voatendry hanampy an’i Mosesy, dia hoy i Jehovah: “Izaho haka amin’ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy hianao irery intsony no hitondra azy”. (Nomery 11:17). Araka izany, ireo lehilahy ireo dia tsy voatery nanao zavatra tamin’ny herin’ny tenany. Nanohana azy ny fanahy masina. Vakintsika fa tatỳ aoriana ny fanahin’i Jehovah dia teo amin’ny olona hafa. (Mpitsara 3:10, 11; 11:29). Rehefa nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely amin’ny hoavy i Samoela, dia milaza toy izao ny fitantarana: “Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ny rahalahiny; ary ny Fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida hatramin’iny andro iny”. (1 Samoela 16:13). Ireo izay manana andraikitra mavesatra amin’izao andro izao — eo amin’ny fianakaviana, ao amin’ny kongregasiona, ao amin’ny fandaminana — dia afaka mahazo fiononana rehefa mahafantatra fa ny fanahin’Andriamanitra dia mbola manohana ny mpanompony ihany eo am-piantsorohan’izy ireo ny andraikiny.

15. Tamin’ny fomba ahoana no nanatanjahan’ny fanahy masina ny fandaminan’i Jehovah a) tamin’ny andron’i Hagay sy i Zakaria? ary b) amin’izao andro izao?

15 Arivo taona vitsivitsy taorian’ny andron’i Mosesy, dia nisy olona nahatoky teo amin’ny zanak’Isiraely niverina tany Jerosalema avy any Babylona, nirahina mba hanorina indray ny tempoly. (Ezra 1:1-4; Jeremia 25:12; 29:14). Nipoitra anefa ny fanakantsakanana sarotra, ary kivy nandritra ny taona maro izy ireo. Tamin’ny farany, dia nanangana ny mpaminany Hagay sy Zakaria i Jehovah mba hampirisika ny Jiosy tsy hiantehitra amin’ny herin’ny tenany. Amin’ny fomba ahoana anefa no hanatanterahana ilay asa? “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. (Zakaria 4:6). Ary noho ny fanohanan’ny fanahin’Andriamanitra, dia voaorina ilay tempoly. Nanao be toy izany koa ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao. Miitatra maneran-tany ny fitoriana ny vaovao tsara. Olona an-tapitrisany maro no tezaina ao amin’ny fahamarinana sy ny rariny. Alamina ireo fivoriambe. Aorina ny Efitrano Fanjakana sy biraon’ny sampana maro. Natao ny maro tamin’izany na dia teo aza ny fanoherana feno fankahalana. Tsy nanjary kivy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fahafantarany fa ny zava-drehetra mihitsy dia notanterahina, tsy tamin’ny herin’ny tafika iray, na tamin’ny herin’olombelona, fa tamin’ny fanahin’Andriamanitra.

Ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany

16. Inona no fanandraman-javatra hitan’ireo mpanompon’i Jehovah talohan’ny andro kristiana tamin’ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra?

16 Araka ny efa hitantsika, ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro talohan’ny andro kristiana dia nahafantatra tsara ny herin’ny fanahin’Andriamanitra. Niantehitra tamin’izany izy mba hanampy azy ireo hanatanteraka andraikitra mavesatra sy mba hanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo koa fa ny Lalàna sy ireo soratra hafa izay masina dia ara-tsindrimandry, nosoratana teo ambanin’ny herin’ny fanahin’i Jehovah, ka noho izany dia ‘Tenin’Andriamanitra’. (Salamo 119:105). Ahoana kosa ny amin’ny andro kristiana?

17, 18. Inona avy no fampisehoana fahagagana nataon’ny fanahy tamin’ny andro kristiana, ary niasa noho ny fikasana inona izy ireny?

17 Nahita asa mahatalanjona nataon’ny fanahin’Andriamanitra koa ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Nisy fanaovana faminaniana azo avy tamin’ny tsindrimandrin’ny fanahy. (1 Korintiana 14:1, 3). Ho fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jesosy hoe ny fanahy masina dia hampahatsiaro an’ireo mpianany izay zavatra rehetra nolazainy sady hampianatra azy ireo lafin’ny fahamarinana fanampiny, dia nisy boky maromaro nosoratana teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina. (Jaona 14:26; 15:26, 27; 16:12, 13). Ary nisy fahagagana, araka ny horesahina amin’ny fomba feno kokoa ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Tsy azo lavina fa nosantarina tamin’ny fahagagana niavaka iray ny taonjato voalohany. Tany amin’ny taona faha-2 al.fan.ir. tany ho any, dia tsy maintsy teraka ny zaza manokana iray, ary ho famantarana, dia tsy maintsy virjiny ny reniny tanora. Ahoana no netezan’izany? Tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Hoy ny fitantarana: “Ary ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy.” — Matio 1:18; Lioka 1:35, 36.

18 Rehefa nihalehibe i Jesosy, dia namoaka demonia izy, nanasitrana ny marary, ary nanangana hatramin’ny maty mihitsy aza noho ny herin’ny fanahy masina. Nahavita fahagagana sy asa lehibe koa ny sasany tamin’ireo mpianany. Fanomezan’ny fanahy ireny fahaizana manokana ireny. Inona no zava-nokendreny? Toy izay nataon’ireo fahagagana teo aloha ihany, izy ireo dia nampandroso ny fikasan’Andriamanitra ary nampahafantatra ny heriny. Ambonin’izany, izy ireny dia nampiseho fa marina ny filazan’i Jesosy ny tenany hoe nirahin’Andriamanitra izy; ary tatỳ aoriana izy ireny dia nanaporofo fa ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany no firenena voafidin’Andriamanitra. — Matio 11:2-6; Jaona 16:8, MN; Asan’ny apostoly 2:22; 1 Korintiana 12:4-11; Hebreo 2:4; 1 Petera 2:9.

19. Amin’ny ahoana ny finoantsika no hatanjahin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mikasika ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ireo apostoliny?

19 Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa ny fampiharihariana ny fanahy amin’ny fomba mahagaga toy izany dia natao ho an’ny fahazazan’ny kongregasiona ary hihelina, koa izany no tsy ahitantsika amin’izao andro izao fahagagana toy izany ataon’ny fanahy masina. (1 Korintiana 13:8-11). Na dia izany aza, ireo fahagagana vitan’i Jesosy sy ireo apostoliny dia mihoatra noho ny zava-mahaliana ara-tantara fotsiny. Izy ireny dia manatanjaka ny finoana ny fampanantenan’Andriamanitra fa ny aretina sy ny fahafatesana dia tsy hanan-toerana eo ambany fanapahan’i Jesosy ao amin’ilay tontolo vaovao. — Isaia 25:6-8; 33:24; 65:20-24.

Soa avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra

20, 21. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fanomezana ny fanahy masina?

20 Hery lehibe toy inona moa ny fanahy masina! Ahoana anefa no ahafahan’ny kristiana amin’izao andro izao mandray soa avy amin’izy io? Voalohany, dia nilaza i Jesosy fa tokony hangataka azy io isika, koa nahoana raha manao izany fotsiny? Mivavaha amin’i Jehovah mba hanomezany anao io fanomezana mahatalanjona io, tsy amin’ny fotoam-pihenjanana ihany, fa amin’ny toe-javatra rehetra. Fanampin’izany, dia vakio ny Baiboly mba hahafahan’ny fanahy masina hiresaka aminao. (Ampitahao amin’ny Hebreo 3:7.) Saintsaino izay vakinao ary ampiharo izany mba hahafahan’ny fanahy masina hanan-kery eo amin’ny fiainanao. (Salamo 1:1-3). Ankoatra izany, dia miaraha — mitokana sy ao amin’ny kongregasiona, ary any amin’ny fivoriambe — amin’ny hafa izay miantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra. Lehibe toy inona moa ny fanatanjahana omen’ny fanahy masina an’izay mankalaza ny Andriamaniny “ao amin’ny fiangonana”! — Salamo 68:26.

21 Tsy Andriamanitra malala-tanana ve i Jehovah? Nilaza izy fa mila ny mangataka ny fanahy masina fotsiny isika dia hanome izany antsika izy. Ho hadalana toy inona moa ny fianteherana amin’ny fahendren’ny tenantsika sy ny herintsika rehefa afaka mampiasa fanampiana mahery toy izany ny tenantsika! Misy anefa raharaha hafa mifandray amin’ny fanahin’Andriamanitra izay misy akony eo amintsika amin’ny maha-kristiana antsika, ary izany dia horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ilay fitenenana hoe: “Ratsantànan’Andriamanitra” dia mazàna ilazana ny fanahy masina. — Ampitahao amin’ny Lioka 11:20 sy Matio 12:28.

b Ny ankamaroan’ireo fahagagana voatantara ao amin’ny Baiboly dia nitranga nandritra ny andron’i Mosesy sy i Josoa, i Elia sy i Elisa, ary i Jesosy sy ireo apostoliny.

Ahoana no Havalinao Ireto Fanontaniana Manaraka Ireto?

◻ Ahoana no namoronan’i Jehovah ny tenan-javatra rehetra eo amin’izao rehetra izao?

◻ Inona avy no fomba sasany niasan’ny fanahy masina tamin’ny andro talohan’ny kristianisma?

◻ Amin’ny ahoana no mampionona antsika amin’izao andro izao ny mahafantatra izay notontosain’ny fanahy masina tamin’ny andro fahiny?

◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fanomezana ny fanahy masina?

[Sary, pejy 10]

Ilay fanahy izay nanome an’i Samsona hery mihoatra noho ny an’ny olombelona dia afaka manome antsika hery amin’ny zava-drehetra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara