Ny fomba hahatongavana ho mpitory maharitra mahita vokatra tsara
NATAONAO ho anton-draharaha ve ny asan’ny mpitory maharitra? Raha mpitory maharitra na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro ianao, dia tsy isalasalana mihitsy fa irinao ny hahita vokatra tsara eo amin’ny asanao. Mitaky mihoatra noho ny fahafahana manokana fotoana ho an’ny raharaha iray anefa ny fahitana vokatra tsara. Ireo izay mahita fahombiazana amin’ny fiezahany dia tokony hanaiky ny hampiofanina ka hampitombo hatrany ny fahaizany.
Amin’izany, ahoana no ahafahanao, tsy hoe maharitra fotsiny, fa mandroso koa eo amin’ny asanao amin’ny maha-mpitory maharitra? Hevero ireto fanontaniana lehibe vitsivitsy nanaraka ireto.
Manao ahoana ny toetry ny fifandraisako amin’Andriamanitra?
Ny anankiray amin’ireo anton-javatra lehibe indrindra mba hahatongavana ho mpitory maharitra mahita vokatra tsara dia ny fitanana fifandraisana akaiky sy mafy amin’i Jehovah. Amin’izany, dia azo atao ny maka fianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’i Davida mpanao salamo. Nitalaho tamin’Andriamanitra toy izao izy: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” — Salamo 25:4, 5.
Niankina tanteraka tamin’ilay ‘Andriamanitry ny famonjena azy’ i Davida. Niriny ny hampianaran’i Jehovah azy sy ny ‘hampahafantarany azy ny lalany’. Tsapanao ve ny faniriana miredareda ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra tao amin’i Davida? Tsy faniriana mihelina fotsiny anefa izany, satria hoy ny nambarany: “Hianao no andrasako mandritra ny andro.”
Fa ahoana no azonao itanana fifandraisana akaiky toy izany amin’i Jehovah? Mariho fa ireo andininy notononina etsy ambony dia teny notononin’i Davida tao amin’ny vavaka. Ny fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka tokoa no mahaforona fototry ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ary mampahery ny mahafantatra fa tsy voatery mangataka fotoana amin’ny Raintsika any an-danitra isika. Afaka manatona azy amin’ny fotoana rehetra isika, araka ny asehon’ireto tenin’i Davida ireto: “Hianao no itarainako mandrakariva.” (Salamo 86:3). Ny Zanak’Andriamanitra koa aza, izay lehilahy tanteraka teto an-tany, dia niaiky koa fa tsy afaka ny hahazo vokatra tsara izy raha tsy nisy ny fanampian’ny Rainy. Tamin’ny fotoana rehetra, dia nitodika tany aminy tao amin’ny vavaka i Jesosy: vao maraina be, nandritra ny andro ary ny alina koa aza. — Marka 1:35; Lioka 11:1; 6:12.
Amin’ny maha-kristiana, dia tokony hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy isika raha tiantsika ny hahita vokatra tsara eo amin’ny fanompoana (Hebreo 5:7). Izao no nambaran’ny vehivavy kristiana iray izay mpitory maharitra faka tahaka hatramin’ny 30 taona: “Tena ilaiko ny vavaka mba hahitana vokatra amin’i Jehovah izany, noho ny fahatsapana fa tsy afaka ny ho mpitory maharitra amin’ny fianteherana amin’ny tenako ihany aho. Mangataka mandrakariva amin’i Jehovah aho mba hanampy ahy haharitra.”
Mba hahombiazana amin’ny asan’ny mpitory maharitra tokoa, dia ilainao ny mitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, amin’ny fianteherana tanteraka aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Mendrika ny hoheverintsika fatratra koa anefa izao fanontaniana manaraka izao.
Manao ahoana ny halalin’ny fitiavako ny hafa?
Fanehoam-pitiavana ny asan’ny mpitory maharitra. Nahoana? Satria mila fitiavana fahafoizan-tena ny fanompoana manontolo andro. Amin’ny maha-mpitory maharitra, dia manome mandrakariva amin’ny fotoananao sy ny herinao ianao mba hanampiana ny hafa. Tsy ho afaka ny hanohy hanao izany anefa ianao raha tsy mihevitra amim-pahatsorana izay ilain’ny mpiara-belona aminao. Fony teto an-tany i Jesosy dia naneho fitiavana ny hafa toy izany. Ohatra, indray mandeha i Jesosy sy ireo mpianany dia niondrana an-tsambo ho any amin’ny toerana nitokana iray mba ‘hiala sasatra kely’. Nialoha azy tany anefa ny vahoaka. “Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.” — Marka 6:30-34.
Sahala amin’i Jesosy, ireo mpitory maharitra dia tokony hanana fitiavana lalina ny mpiara-belona aminy. Ny fitiavana toy izany dia manosika azy ireny handany hery ho an’ny hafa. Araka ny nilazan’ny mpanora-dalàna iray azy tamin’i Jesosy indray andro, “ny ho tia Azy [Andriamanitra] amin’ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra”. (Marka 12:33.) Ireo teny ireo dia manampy antsika hahatakatra fa ny zava-dehibe dia tsy izay ataontsika eo amin’ny fanompoana fotsiny, fa ny antony manosika antsika koa.
Ianareo izay mpitory maharitra, dia manokana fotoana misimisy kokoa amin’ny fitoriana sy ny asa fanaovana mpianatra noho ny ataon’ny ankamaroan’ireo namanareo ianareo. Ambonin’izany, dia tafahaona amin’olona maro kokoa ianareo. Inona no fihetseham-po tsapanareo ho azy ireny? Nilaza toy izao ny mpitory maharitra iray: “Fantatro fa ny fitiavana no anankiray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Raha tsy nisy ny fitiavana, dia tena tsy nandeha tao amin’ny lalan’ny fahamarinana aho, indrindra ka hoe ho mpitory maharitra mahita vokatra. Tamin’ny fanehoana io toetra io, dia haiko ny nanavaka izay nilain’ny olona, ary tsapako fa manohina azy ireny ny fitiavana. Marina fa indraindray ny fihetsik’izy ireny na ny toetrany dia misedra ny fitiavana asehontsika azy. Ao anatin’izany fotoana izany indrindra aho no miezaka mihaino azy ireny sy maneho faharetana.”
Mahatsapa fihetseham-po toy izany ve ianao amin’ireo olona ao amin’ny faritaninao? Mba hahatongavana ho mpitory maharitra mahita vokatra tsara, dia tokony ho tia ny hafa ianao (1 Tesaloniana 2:6-8). Mila fandaharana tsara koa anefa ianao mba hahitana fahombiazana amin’ny asanao amin’ny maha-mpitory maharitra. Koa manontania tena hoe:
Manana fandaharana voalanjalanja ve aho?
Mba haharetana sy hahitana fahombiazana amin’ny fanompoana manontolo andro, ny mpitory maharitra iray dia tokony hahay handamina ny fotoanany. Mety hanjary havesatra ny asan’ny mpitory maharitra raha tsy manana fandaharana manokana tsara ny tena. Hita avy hatrany fa tsy ampy ny mandahatra ny fotoanantsika mba hanokanana ora hentitra ho amin’ny fitoriana.
Tokony hanana fandaharana voalanjalanja ny mpitory maharitra iray. Manana izany ve ianao? Ho tsara ny hanontanianao tena hoe: Mandany fotoana mety amin’ireo lafiny samy hafa amin’ny fanompoana ve aho? Afaka milaza ve aho fa manao izay rehetra azoko atao mba hahitana ny olona eny amin’ny faritany? Manao ireo fanovana ilaina eo amin’ny fandaharako ve aho mba hitsidihana azy ireny rehefa ao an-tranony izy? Mahita vokatra tsara ve aho amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika? Izao no nambaran’i Jesosy: ‘Mandehana àry ka manaova mpianatra, (...) mampianatra azy ireny.’ (Matio 28:19, 20, MN ). Ny fitoriana, toy ny fampianarana, dia anisan’ny fanompoantsika. Mianina amin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra ve ianao, sa miverina any amin’izay rehetra naneho fahalianana, na nandray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izy ireny na tsia? Raha fintinina, ataonao ve izay hahatonga ny fotoananao ho zava-dehibe?
Mpampianatra mandroso ve aho?
Zava-dehibe koa io. Nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 4:2: “Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana (...) amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra [amim-pahaiza-mampianatra, MN ].” Mba hahafahana mitory na ao anatiny na any ivelan’ny kongregasiona, ny mpitory maharitra mahita vokatra tsara dia manao izay rehetra azony atao mba hahaiza-mampianatra sy hihatsarana amin’io lafiny io. Nahoana moa no nolazain’i Paoly ho fahaizana ny fampianarana? Satria ilaina ny fahazarana sy ny fahakingana mba hampianarana.
Ahoana no hahatongavanao ho mpampianatra mahay kokoa? Aoka havelantsika hamaly ny apostoly Paoly: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15). Ny mpitory maharitra dia tena tokony hanokana fotoana ho an’ny fianarana manokana ny Baiboly sy ho amin’ny fieritreretana ary ny fisaintsainana. Tafiditra amin’izany ny fampiharana ireo fanipazan-kevitra voarakitra ao amin’ny boky toy ny Comment raisonner à partir des Ecritures, Ny fanompoana ilay Fanjakana sy ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratiquea.
Araka izany, mba hahitana vokatra tsara eo amin’ny asan’ny mpitory maharitra, dia manohiza mitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra. Izany dia hanosika anao hahazo fitiavana lalina ny mpiara-belona aminao sy haneho izany aminy. Miharihary fa mba hanehoana fitiavana toy izany, dia tsy tokony hiahy ny amin’ny isan’ny ora laninao eny amin’ny fanompoana fotsiny ianao, fa tokony haniry ny haha-zava-dehibe izany fotoana izany koa. Ho vitanao izany amin’ny fanaovana ny fiezahana ilaina mba hamelabelarana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Farany, dia aoka ianao ho tonga mpampianatra mahay kokoa hatrany amin’ny fizàrana mampiasa fomba samy hafa fitarihan-dresaka amin’ny olona ao anatin’ny faritra ny fanompoana sy amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Baiboly noho ny fikasana ny hihatsara eo amin’ny fahaiza-mampianatra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.