FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/92 p. 5
  • Mila ny mianatra avokoa isika rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mila ny mianatra avokoa isika rehetra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TAHIRIM-BOKIN’NY TENA MANOKANA
  • Soa Azo Amin’ny Fianarana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny fana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fomba Fanaovana Fikarohana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 2/92 p. 5

Mila ny mianatra avokoa isika rehetra

1 Teo anoloan’ny mpianany no nivavahan’i Jesosy tamin’i Jehovah toy izao: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny handraisany fahalalana momba anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy momba ilay nirahinao, dia i Jesosy Kristy.” (Jaona 17:3, NW). Eny, ny mpianatr’i Kristy rehetra, ary koa ireo olona vao liana, dia mila ny mandray izany fahalalana izany avokoa. Afaka manao izany isika, amin’ny alalan’ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana, ary amin’ny fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona. Manaraka akaiky fandaharam-potoana azo ampiharina iray ho amin’ny fianarana manokana tsy tapaka ve ianao?

2 Tena mandray soa be dia be avy amin’ny fananana fianarana Baiboly manokana any an-tokantranony ireo olona vao liana. Mba hitomboana eo amin’ny ara-panahy anefa, dia tsy maintsy manohy mandray fahalalana izy ireny ary avy eo dia mampihatra izay ianarany. (Heb. 5:13, 14). Manao izany ve ianao?

3 Tena tsara toerana mba handraisana fahalalana ireo mpanompon’i Jehovah tanora. May ny higoka fanazavana betsaka aoka izany ny sainy, ary matetika dia maniry ny hahalala ireo antony maha-toy izao na izao ny zavatra iray, izy ireny. Namorona antsika hanana izany faniriana izany i Jehovah. Ampiasao amim-pahendrena ny fotoananao mba handraisana fahalalana ara-panahy. Ataovy izay nolazain’ny apostoly Paoly ary ‘makà ny fotoana ilaina’ mba hanaovana izany fianarana manokana mampitombo fahalalana sy manatanjaka ny finoana izany. — Kol. 4:5, MN.

TAHIRIM-BOKIN’NY TENA MANOKANA

4 Manana tahirim-boky manokana na tahirim-bokim-pianakaviana ve ianao? Moa ve ao misy ireo “volumes reliés” (gazety natambatra) amin’ny Réveillez-vous! sy Ny Tilikambo Fiambenana, ireo boky Auxiliaire ary ireo zavatra vita an-tsoratra ampiasaintsika any amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona sy any amin’ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana? Moa ve ianao manana ny Index des publications de la Société Watch Tower 1950-1985 sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana tranainy kokoa misy eo an-toerana?

5 Hahita fanazavana sarobidy ianao ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra tranainy kokoa. Efa namaky na nianatra ilay bokikely hoe Les Témoins de Jéhovah et la question du sang ve ianao? Ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1975 dia manome ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah nanomboka tamin’ny andron’ny Rahalahy Russell ka hatramin’izao androntsika izao ary mamaly maro amin’ireo fanontaniana natao momba ny Vavolombelon’i Jehovah.

6 Ilaina ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana mba hampahatanjaka ara-panahy sy mba hahatonga ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa fanompoana. Manao ahoana ianao raha ny amin’izany? Manomana ireo fivorian’ny kongregasiona ve ianao? Moa ve ianao mamaky ny bokinao hoe Ny fomba fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra masina? Mampiasa azy io eo amin’ny asa fanompoana ve ianao?

7 Ampiasao ny Index des publications de la Société Watch Tower 1950-1985 mba hahitana valiny ho an’ireo fanontanianao manokana sy ho an’ireo ataon’ny olona aminao eny amin’ny fanompoana. Ireo loholona dia hahita fa fitaovana tena sarobidy tokoa ny Index mba hahitana fanazavana mampahery sy mifanentana ho an’ireo izay manatona azy ka mitady fanampiana ara-panahy.

8 Manome izao torohevitra izao ny 2 Timoty 2:15 (MN): “Manaova izay rehetra azonao atao mba hisehoanao ho olona ankasitrahan’Andriamanitra, dia mpiasa tsy manana na inona na inona hahamenatra azy, mampiasa ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba mety.” Mba hanaovana izany dia mila ny mianatra sy mampihatra izay ianarantsika avokoa isika rehetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara