FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 2 p. 12-19
  • Mankalazà an’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mankalazà an’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Marina
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay karazana persona maha-izy an’i Jehovah
  • Ampio ny hafa hianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra
  • ‘Mandehana amin’ny anaran’i Jehovah’
  • Mankalazà An’i Jehovah, Ilay Hany Andriamanitra Marina
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Iza moa Andriamanitra?
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Fanontaniana amin’ny fianarana ny bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Iza moa Andriamanitra?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 2 p. 12-19

Toko 2

Mankalazà an’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Marina

1. a) Iza moa ilay Andriamanitra marina? b) Tokony hisy vokany manao ahoana eo amin’ny fiainantsika ny fianarantsika momba azy?

NANORATRA ho an’ireo Kristiana namany ny apostoly Paoly fa, na dia maro aza ireo atao hoe andriamanitra, “amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray (...) ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy”. (1 Kor. 8:5, 6). Ilay ‘Andriamanitra iray’ resahin’i Paoly eto dia i Jehovah, ilay Mpamorona ny zavatra rehetra. (Deot. 6:4; Apok. 4:11). Ireo olona mahay mankasitraka, rehefa avy nianatra momba ireo toetrany tsara sy ireo zavatra nataony ho an’ny taranak’olombelona, dia mahatsiaro ho voasintona mafy hanatona azy. Inona no vokatr’izany? Hitan’izy ireo ho ara-dalàna tanteraka ny hankalaza an’Ilay derainy lalina aoka izany, tsy amin’ny teny ihany, fa amin’ny asa koa. Rehefa mitombo ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra, dia mahatsiaro ho voatosika hiresaka momba azy amin’ny hafa izy ireo, ary maniry hanahaka azy, hatramin’ny fetra azony tratrarina amin’ny maha-olombelona azy. Ny Baiboly dia mampirisika antsika rehetra hanao izany amin’ny filazana hoe: “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana”. (Efes. 5:1, 2). Mba hanarahana io torohevitra io, dia mila ny mahafantatra an’i Jehovah araka ny tena maha-izy azy marina isika.

Ilay karazana persona maha-izy an’i Jehovah

2. Inona avy ny sasany amin’ireo toetran’Andriamanitra miavaka izay manosika antsika hidera azy?

2 Ao amin’ny Baiboly iray manontolo dia ahitana fanambarana mivantana maro izay mampahafantatra ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra. Rehefa mamaky azy ireo ianao, dia makà fotoana hieritreretana momba izay tena dikany marina sy ny maha-zava-dehibe azy ireo ho anao. Ohatra: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deot. 32:4). ‘Ao aminy no misy fahendrena.’ (Joba 12:13). ‘Tsy toha ny heriny.’ (Isaia 40:26). Rehefa misaintsaina momba ireo toetrany ireo ianao, moa ve ianao tsy voatosika hankalaza azy, noho ianao talanjona noho ny amin’Andriamanitra?

3. Lafiny hafa inona avy amin’ny maha-izy an’i Jehovah no manintona aoka izany?

3 Manohy mampahafantatra antsika ny amin’ny toetrany manintona ny Baiboly ka milaza amintsika fa i Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. (Eks. 34:6). “Fa Hianao, [Jehovah, NW ] ô, no tsara sady mamela heloka”. (Sal. 86:5). “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tant. 16:9). “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35). Jehovah dia “manome malalaka ho an’ny olona rehetra” ary ilay “Andriamanitra sambatra” izy. (Jak. 1:5; 1 Tim. 1:11, NW ). Famelombelomana toy inona moa no azo amin’ny fanompoana io Andriamanitra tsy manan-tsahala io sy amin’ny fahatsapana ny fiahiany feno fitiavana!

4. a) Karazana fifikirana manao ahoana no takin’i Jehovah, ary inona no maha-zava-dehibe izany? b) Manasa antsika handray anjara amin’inona ny Salamo 34:3?

4 Mifanaraka tsara amin’ireo toetrany ireo ny maha-Andriamanitra “mitaky fifikirana aminy irery ihany” azy. (Eks. 20:5, NW ). Mba hanompoana azy amin’ny fomba azony ekena, dia tsy maintsy manolotra azy fifikirana feno isika. Tsy afaka ny ho tia izao tontolo izao izay manana an’i Satana ho andriamanitra, koa isika. (1 Jaona 2:15-17; 2 Kor. 4:3, 4). Mahita izay ao ambadiky ny fisehoana ho marina ivelany fotsiny i Jehovah. Fantany tsara, tsy izay ataontsika ihany, fa izay fihetseham-pontsika manao izany zavatra izany koa. Fantany tsara ihany koa ny hoe miezaka ho karazan’olona manao ahoana isika. Raha tia marina ny fahamarinana isika, dia manampy antsika izy. (Jer. 17:10; Ohab. 15:9). Noho ny fahafantarana ilay karazana persona maha-izy an’i Jehovah, dia olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nanaiky tamim-pifaliana ny fanasana nataon’ilay mpanao salamo manao hoe: “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko[, ianareo, ry olona, NW ]; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” (Sal. 34:3). Iray amin’izany olona izany ve ny tenanao?

5. Inona no hanampy antsika handray soa amin’ny fomba feno avy amin’ny fianarantsika ny maha-izy an’i Jehovah?

5 Hihalalina ny fanirianao hiresaka momba an’Andriamanitra, ary hahazo fanampiana lehibe ianao eo am-piezahanao hanahaka azy raha mandinika akaiky ireo toetrany misandratra ianao. Fantaro 1) hoe manao ahoana marina ny tsirairay avy amin’ireo toetrany, angamba amin’ny famaritana izay maha-hafa azy amin’ireo toetra hafa, 2) ny fomba nanehoan’i Jehovah azy io ary tamin’iza, ary koa 3) ny fomba ahafahanao maneho azy io na ny hery tokony hananany eo amin’ny fomba fijerinao zavatra.

6. Amin’ny fandraisana ny ohatra ny amin’ny fitiavana, asehoy ny fomba azonao andinihana ireo toetran’i Jehovah. Mba hanaovana izany, dia ampiasao ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity, ka ampidiro ao amin’ireo valin-teninao ireo andinin-teny ireo.

6 Aoka isika haka ohatra iray monja. Rehefa milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana”, inona no tiany holazaina? (1 Jaona 4:8). Mazava ho azy fa misy karazana fitiavana maro. Ny teny grika nampiasaina ao amin’io andinin-teny io dia ny hoe a·gaʹpe, izay manondro ilay endriny ambony indrindra amin’ny fitiavana, araka ny asehon’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Io fitiavana io dia fisehoan’ny tsy fitiavan-tena tanteraka. Tadidio ao an-tsaina izany ary ampifanaraho amin’izany ny valin-teninao manokana ho an’ireto fanontaniana eto ambany ireto, ary ampiasao ireo andinin-teny voalaza.

Amin’ny ahoana no ihariharian’io toetra io eo amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah? (Asa. 14:16, 17).

Inona no fisehoan’ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona miavaka indrindra? (Jaona 3:16). Noho ny hatsaran’ny olombelona ve no nanaovan’i Jehovah izany? (Rom. 5:8).

Inona no tokony ho vokatr’izay nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanany eo amin’ny fomba ampiasantsika ny fiainantsika? (2 Kor. 5:14, 15, 18, 19).

Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika, amin’ny maha-Kristiana antsika, mampiseho fa manana izany karazam-pitiavana izany amin’ireo Kristiana namantsika koa isika? (1 Kor. 13:4-7; 1 Jaona 4:10, 11; 3:16-18).

Iza koa no tokony hanehoantsika fitiavana, ary amin’ny fomba ahoana? (Matio 5:43-48; 28:19, 20; Gal. 6:10).

7. Rehefa manao ny fianaranao manokana ianao, ahoana no ahitanao fanazavana toy izany momba ireo toetra hafan’i Jehovah?

7 Ho tianao koa ve ny hamakafaka toy izany ny sasany amin’ireo toetran’i Jehovah hafa? Rehefa manao ny fianaranao manokana ianao, nahoana raha ianarana aloha ny amin’ny “rariny” sy ny “fahendrena”, avy eo dia ny amin’ny “hatsaram-panahy miharo fitiavana” sy ny “famindram-po” angamba? Ampiasao ireo indeksan’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower mba hahazoana fanazavana hahitanao fianarana maro aoka izany.

Ampio ny hafa hianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra

8. a) Andriamanitra inona avy no ivavahan’ny olona eo amin’izao tontolo izao? b) Iza no ao ambadik’izany fisafotofotoana rehetra izany, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?

8 Mifanohitra amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina ny fanompoan’ny olona andriamanitra an-tapitrisany maro ara-bakiteny. Tamin’ny taonjato fahefatra, ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia nandray ny finoana ny “Trinite”, izay efa nampianarin’ireo Babyloniana, Egyptiana, Hindoa ary Bodista talohan’izay. Ankoatra an’io fomba fiheverana momba an’Andriamanitra io, dia eo koa ireo mpanapaka mahery, atleta sy mpihira miavaka izay notompoina toy ny andriamanitra. Ny vola, ny tena ary ny maha-lahy sy ny maha-vavy koa dia nanjary andriamanitra toloran’ny olona fanompoam-pivavahana amin-kafanam-po. Iza no ao ambadik’izany rehetra izany? Ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, i Satana Devoly. (2 Kor. 4:4; 1 Kor. 10:20). Mampiasa izao fomba feno hafetsen-dratsy azo saintsainina rehetra izao izy mba hampiviliana ny olona hiala amin’i Jehovah, na fara faharatsiny mba tsy hanompoana azy amin’ny fomba feno.

9. Inona no fomba tsara indrindra hanampiana olona iray hianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra?

9 Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona toy izany, na milaza ho kristiana izy na tsia, mba hahafantatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra? Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra dia ny fampisehoana amin-katsaram-panahy amin’izy ireny izay lazain’ny Baiboly mihitsy momba ny maha-izy an’ilay Andriamanitra marina sy ny hoe karazana persona manao ahoana izy io. Avy eo dia ilaintsika ny manohana izany amin’ny fitondran-tena izay manome taratr’ireo toetra tsara araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. — 1 Pet. 2:12.

10. Rehefa miresaka amin’ny mpino ny Trinite iray isika, nahoana moa no tsy fahendrena ny iheverana mialoha fa efa fantatsika tsara izay inoany?

10 Inona anefa no hataonao raha misy mpikambana ao amin’ireo fiangonana ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana manohitra anao amin’ny filazana fa araka ny Soratra Masina ny finoany ny “Trinite”? Voalohany indrindra aloha, dia fantaro fa, na dia misy fanambarana ofisialy momba ny fampianarana ny amin’ny “Trinite” aza, dia olona maro no manana ny fomba fiheviny manokana momba azy io. Asao izy ireo hilaza ny heviny, ary avy eo dia ampio izy ireo hampitaha ny finoany amin’izay voalaza ao amin’ny Baiboliny manokana. Any aoriana, dia ampirisiho koa izy ireo hampitaha ny fampianarana ofisialin’ny fiangonany amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.

11. Raiso tsirairay ireo hevi-dehibe dimy ireo, ary ampiasao ireo fanontaniana sy andinin-teny voatanisa ato amin’ity fehintsoratra ity mba hanjohiana hevitra momba ny tsy maha-araka ny Soratra Masina ny fampianarana ny amin’ny “Trinite”.

11 Tadidio ao an-tsaina ny fanirianao hanampy ireo olona tso-po, ary diniho ny fomba ho azonao ampiasana ireo andinin-teny voamarika eto ambany mba hanjohiana hevitra momba izay holazaina miaraka amin’ireo andinin-teny ireo:

1) Ny mpino ny Trinite sasany dia manantitrantitra fa misy Persona telo izay samy andriamanitra avy (Ray, Zanaka ary Fanahy Masina), kanefa tsy mahaforona afa-tsy Andriamanitra iray ihany.

Mampiseho ve anefa ny Asan’ny Apostoly 2:4, 17 fa persona ny “Fanahy Masina”?

Nahoana no manampy ny manamarika hoe olona firy no resahina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto andinin-teny ireto? (Jaona 17:20-22; Asa. 7:56; Apok. 7:10).

2) Misy mino fa ny mpikambana rehetra ao amin’ny “Trinite” dia mitovy laza, fa tsy misy ambony kokoa na ambany kokoa noho ny hafa, fa samy mitovy ary samy mandrakizay izy ireo.

Mitovy hevitra amin’izany ve ny Soratra Masina? (Mba hamaliana izany, dia jereo ny Jaona 14:28; Matio 24:36; Apokalypsy 3:14.)

3) Misy maka ny Jaona 1:1 ho porofon’ny “Trinite”. Milaza izy ireo fa tsy misy mpanoritra anarana tsy voafaritra (toy ny hoe un, une na des amin’ny fiteny frantsay) eto ilay andinin-teny amin’ny fiteny grika, ka noho izany, dia tsy maintsy vakina hoe: “ny Teny dia Andriamanitra”, fa tsy hoe “andriamanitra iray”.

Persona firy anefa no resahina eo amin’ny Jaona 1:1? Telo ve? Sa roa? Ankoatra izany, amin’ny ahoana no anoheran’ny Jaona 1:18 ny fampianarana ny amin’ny “Trinite”?

Marina fa tsy misy mpanoritra anarana tsy voafaritra amin’ny fiteny grika (toy ny amin’ny fiteny malagasy koa), kanefa fiteny maro hafa no manana mpanoritra anarana tsy voafaritra, ary ampiasaina izany amin’ireo fiteny ireo mba hilazana hevitra araka ny marina tsara. Raha misy mihevitra fa diso ny fampiasana ny mpanoritra anarana tsy voafaritra rehefa mandika ny Jaona 1:1, ho tiany koa ve ny tsy hampiditra mpanoritra anarana tsy voafaritra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 28:6? (Ny fomba hafa iray andikana ny Jaona 1:1 dia hoe: “ny Teny dia araka an’Andriamanitra”, izany hoe nanana ireo toetra nananan’Andriamanitra koa izy, araka ny An American Translation.)

4) Ireo mpino ny Trinite dia milaza koa fa ao amin’ny Genesisy 1:1, 26, ny teny hebreo nadika hoe “Andriamanitra” dia ny hoe El·o·himʹ izay amin’ny endrika milaza maro amin’ny teny hebreo ka midika hoe “Andriamanitra maro” raha ny tena izy.

Nahoana izany no tsy manohana ny fampianarana fa misy Persona telo izay samy araka an’Andriamanitra ao amin’ny “Andriamanitra iray ihany”?

Raha manondro “Trinite” iray izy io ao amin’ny Genesisy 1:1, inona àry no tondroiny ao amin’ny Mpitsara 16:23 izay mampiasa ny hoe El·o·himʹ mba hilazana hoe “andriamanitra iray”, ka ilay matoanteny hebreo eto dia amin’ny endrika milaza tokana fa tsy maro?

Nahoana no atao amin’ny endrika milaza maro ny teny hoe Andriamanitra amin’ny teny hebreo ao amin’ireo andinin-teny ireo? Izany dia fomba iray anehoana fahatsarana na fahalehibeazana amin’ny teny hebreo. Raha persona mihoatra ny iray no tiana horesahina, dia hatao amin’ny endrika milaza maro koa ireo matoanteny miaraka aminy, kanefa tsy izany no hita ao amin’ireo andinin-teny voalaza eo ambony ireo.

5) Noho ireo fiangonana nanasongadina be dia be an’i Jesosy (sy ny fanesorana ny anaran’i Jehovah avy tamin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro), ny olona sasany dia mieritreritra an’i Jesosy ihany rehefa misy firesahana an’Andriamanitra.

Ohatra tokony hotahafina inona anefa no nomen’i Jesosy raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana? (Lioka 4:8).

12. Nahoana no mety indrindra ny niantsoan’i Jesosy ny Rainy hoe “Andriamanitra tokana sady marina”?

12 Na dia resahina ho toy ny “andriamanitra”, ary “Andriamanitra Mahery” mihitsy aza, i Jesosy ao amin’ny Soratra Masina, dia nankalaza ny Rainy izy ka niantso azy hoe “ny Raiko sy ny Rainareo”. (Jaona 1:1, NW; 20:17; Isaia 9:5). Nitovy hevitra tamin’i Mosesy, izay nilaza hoe: “Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy”, izy. (Deot. 4:35). I Jehovah dia miavaka tanteraka amin’ireo ivavahan’ny olona, toy ireo sampy sy olona asandratra ho andriamanitra ary i Satana Devoly. Mifanohitra amin’izy rehetra ireo, dia ilay “Andriamanitra tokana sady marina”, araka ny niantsoan’i Jesosy azy, i Jehovah. — Jaona 17:3.

‘Mandehana amin’ny anaran’i Jehovah’

13, 14. Inona no tafiditra amin’ny hoe “mahalala” ny anaran’Andriamanitra sy ny hoe ‘mandeha amin’ny anaran’i Jehovah’?

13 Rehefa avy tao anatin’ny fisafotofotoana nandritra ny taona maro momba ny maha-izy an’Andriamanitra ny olona maro dia entanin-kafaliana rehefa mahita voalohany indrindra ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny Baiboliny. (Eks. 6:3). Kanefa tsy handray soa maharitra avy amin’izany fahalalana izany izy ireo raha tsy rehefa ‘mandeha amin’ny anaran’i Jehovah mandrakizay’ ihany. (Mika 4:5). Zavatra be lavitra noho ny fahafantarana fotsiny ny anarana hoe Jehovah, na ny filazana tena ho Vavolombelon’i Jehovah, no takina amin’izany.

14 Momba ny hevitry ny anaran’Andriamanitra, dia manambara toy izao ny Salamo 9:10: “Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao (...), Jehovah ô.” Mitaky inona izany? Izany dia mitaky mihoatra noho ny fahalalana fotsiny ny anarana hoe Jehovah, izay tsy voatery hidika avy hatrany hoe fatokiana an’i Jehovah. Ny hoe “mahalala” ny anaran’Andriamanitra eto dia midika hoe mankasitraka ny hoe karazana Andriamanitra manao ahoana i Jehovah, manaja ny fahefany ary mankatò ny baikony. Mitovy amin’izany koa fa ny hoe ‘mandeha amin’ny anaran’i Jehovah’ dia midika hoe manolo-tena ho azy ary misolo tena azy amin’ny maha-iray amin’ireo mpivavaka aminy ka mampifanaraka marina ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Lioka 10:27). Manao izany ve ianao?

15. Inona koa, ankoatra ny fahatsiarovana adidy, no ilaina raha tiantsika ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay?

15 Raha maniry hanompo an’i Jehovah mandrakizay isika, dia tsy maintsy misy zavatra hafa manosika antsika hanao izany, fa tsy ny fahatsiarovana adidy fotsiny. Nampirisika an’i Timoty, izay efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro, toy izao ny apostoly Paoly: “Mampiofàna tena amin’ny fametrahana ny fifikirana amin’Andriamanitra ho zava-kendrenao.” (1 Tim. 4:7, NW ). Avy amin’ny fo ny fifikirana; atosiky ny fankasitrahana an’ilay anehoana azy izy io. Ny “fifikirana amin’Andriamanitra” dia fanajana lalina ny tenan’i Jehovah mihitsy. Maneho firaiketana feno fitiavana aminy noho ny fankasitrahana azy sy ny lalany, izy io. Mahatonga antsika haniry ny hanajan’ny rehetra lalina ny anarany izy io. Tsy maintsy mamboly “fifikirana amin’Andriamanitra” izay ny zava-kendren’ny fiainantsika isika, raha tiantsika ny handeha amin’ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, mandrakizay. — Sal. 37:4; 2 Pet. 3:11, NW.

Famerenana

● Karazana persona manao ahoana moa i Jehovah? Inona no soa azontsika avy amin’ny fahatakarana amin’ny fomba mazava tsara ny tsirairay amin’ireo toetrany?

● Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra?

● Inona no tafiditra amin’ny hoe “mahalala” an’i Jehovah sy ny hoe ‘mandeha amin’ny anarany’?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara