Fanontaniana amin’ny fianarana ny bokikely
Tokony hino ny Trinite ve ianao?
(FANAMARIHANA LEHIBE: Raiso ho toy ny lohatenin’ny toko iray ireo lohateny lehibe hita ao amin’ilay bokikely ary ho toy ny mahaforona toko iray ireo fehintsoratra ao anatin’ireo lohateny ireo ka omeo nomerao araka ny filaharany ireo fehintsoratra eo ambanin’ny lohateny tsirairay toy ny ao anatin’ny toko iray amin’ny boky fianarana iray. Aza hadinoina ny manisy ireo nomerao ireo eo am-panombohantsika ny fianarana ilay bokikely, mba hahazoana tsara ny hevitry ny fandaharana amin’ny fianarana ny boky omena ao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana.)
HERINANDRON’NY 25 NOVAMBRA
P. 3, Lohateny lehibe: “Tokony hino izany ve ianao?” ¶1 ka hatramin’ny p. 5 ¶15
1, 2. Fanamarihana inona avy no azo atao momba ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite?
3. Nahoana ny foto-kevitra momba ny Trinite no tokony hahaliana amin’izao androntsika izao?
4. Raha lazaina fohy, inona no atao hoe Trinite?
5. Inona no lazain’ireo izay tsy manaiky io foto-pampianarana io?
6. a) Ahoana no ilazalazan’ireo mpanohana ny Trinite ny niandohan’izy io? b) Ahoana no anazavan’ireo mpanakiana ny Trinite ny niandohan’izy io?
7. Inona avy no vokatra sasantsasany hita, a) raha marina ny Trinite? b) raha tsy marina ny Trinite?
8. Inona no hodinihina ato amin’ity bokikely ity?
Lohateny lehibe: “Ahoana no anazavana ny Trinite?”
1. Ahoana no ilazalazan’ny fiangonana katolika ny Trinite?
2, 3. Ahoana no ilazalazan’ny ankamaroan’ireo fiangonana hafa io foto-pampianarana io?
4. Manao ahoana ny fihetsiky ny olona maro eo anoloan’ny Trinite?
5-7. Inona no lazain’ny mpanome fanazavana samihafa momba ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite?
8, 9. Inona no lazain’ny Firaketana katolika iray momba ireo mpianatra ao amin’ireo seminera sy ny mpampianatra azy ireo, ary amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manamarina izany teny izany?
10. Inona no lazain’ny pretra jezoita iray momba ny Trinite?
11. Fanamarihana araka ny mety inona avy no ataon’ny teôlôjiana katolika iray?
12. Ahoana no anazavan’ny olona sasany ny niandohan’ny Trinite?
13, 14. Miteraka zava-manahirana lehibe inona ny filazana fa azo tamin’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra ny Trinite?
15. Moa ve tsy maintsy ho teôlôjiana vao ‘hahafantatra an’Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahiny’?
HERINANDRON’NY 2 DESAMBRA
P. 5, Lohateny lehibe: “Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?” ¶1 ka hatramin’ny p. 7 ¶36
1. Raha toa ka marina ny Trinite, nahoana izy io no tokony hampianarina mazava ao amin’ny Baiboly?
2. Ahoana no fiheveran’ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany ny Soratra masina?
3, 4. Inona no nampiasain’ny apostoly Paoly sy i Jesosy Kristy ho fototry ny fampianarany?
5, 6. a) Fahefana inona no neken’ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany fa niavian’ny Soratra masina? b) Inona no tokony hampoizintsika ara-drariny ny hahita azy ao amin’ny Baiboly raha toa ka marina ny Trinite?
7-9. a) Inona no samy eken’ny mpanome fanazavana protestanta sy katolika momba ny teny hoe “Trinite”, ary oviana io teny io no niseho voalohany tao amin’ny fampianaran’ny fiangonana? b) Moa ve ny fampiasan’i Tertullien ilay teny latina nadika hoe Trinite manaporofo fa nampianatra io foto-pampianarana io izy?
10, 11. Inona no eken’ny firaketana roa momba ireo Soratra hebreo sy ny Trinite?
12. Inona no lazain’ny pretra jezoita iray momba ny fanamarinana omen’ireo Soratra hebreo?
13. Inona no asehon’ny fandinihana ireo Soratra hebreo?
14-16. Inona no lazain’ny mpanome fanazavana roa momba ny Trinite sy ireo Soratra grika kristiana?
17-19. Teny inona avy no azo ampiasaina mba hampisehoana fa tsy nampianarina tao amin’ireo Soratra grika kristiana ny Trinite?
20, 21. Araka ny nomarihin’ny mpanoratra tantara roa, oviana moa no nanomboka nampianarina tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny Trinite?
22. Mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra inona ny porofo miharihary?
23-26. Moa ve ireo kristiana voalohany nampianatra ny Trinite?
27. Taorian’ny vanim-potoana inona vao niorina ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
28-30. Ahoana no fiheveran’i Justin le Martyr sy i Irénée an’Andriamanitra sy Kristy?
31, 32. Nanao ahoana avy ny fomba fihevitr’i Clément avy any Alexandrie sy i Tertullien?
33, 34. Tamin’ny taonjato fahatelo, inona avy no nolazain’i Hyppolite sy i Origène?
35. Ahoana no namintinan’ny mpanoratra tantara iray ny porofo momba ny Trinite?
36. Inona no hita mazava avy amin’ny fanamarinana omen’ny Baiboly sy ny tantara?
HERINANDRON’NY 9 DESAMBRA
P. 7, Lohateny lehibe: “Ahoana no nandrosoan’ny fampianarana ny amin’ny Trinite?” ¶1 ka hatramin’ny p. 9 ¶17
1, 2. Moa ve novolavolaina tao amin’ny Konsilin’i Nicée ny fomba filaza ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
3. Nahoana i Constantin no nangataka ny hisian’ny Konsilin’i Nicée?
4. Inona no lazain’ny mpanoratra tantara iray momba ny fiovan’i Constantin finoana?
5. Inona no anjara asan’i Constantin tao Nicée?
6. Moa ve i Constantin tena nahatakatra ireo fanontaniana ara-teôlôjia niadiana hevitra tao amin’ny Konsilin’i Nicée?
7. Noho izay notapahina tao amin’ny Konsilin’i Nicée, fanontaniana inona no azo atao?
8, 9. a) Inona no nitranga taorian’ny Konsilin’i Nicée? b) Inona no tapaka tao amin’ny Konsilin’i Constantinople tamin’ny 381 am.fan.ir.?
10. Inona no nitranga taorian’ny Konsilin’i Constantinople, ary oviana ny Trinite vao nanjary nolazaina mazava ho anisan’ireo fanekem-pinoana?
11. Iza moa i Athanase, ary inona no lazain’ilay fanekem-pinoana mitondra ny anarany?
12. a) Moa ve i Athanase nanorina ilay fanekem-pinoana mitondra ny anarany? b) Hafiriana no nilain’ny Fanekem-pinoan’i Athanase mba hielezany nanerana an’i Eoropa?
13. Nandritra ireo taonjato maro nahatongavan’ny Trinite ho nekena hatraiza hatraiza, inona no tena nitarika ireo fanapahan-kevitra?
14. Amin’ny ahoana no ifanarahan’ny tantaran’ny Trinite amin’ny faminanian’ny Baiboly?
15, 16. Inona no nambaran’ny apostoly Paoly sy ny mpanoratra ny Baiboly hafa mialoha?
17. a) Iza no nasehon’i Jesosy fa tao ambadik’io fihatahana tamin’ny kristianisma marina io? b) Ahoana no nilazan’ny firaketana iray izay nitranga?
HERINANDRON’NY 16 DESAMBRA
P. 9 ¶18 ka hatramin’ny p. 13 ¶9
P. 10: Fitoviana inona no hita eo amin’ireo fivavahan’ny mpanompo sampy fahiny, ireo fivavahana hindoa sy bodista ary ireo fivavahana lazaina fa kristiana?
18, 19. a) Inona no karazana fanompoam-pivavahana diso fahita tamin’ny andro fahiny? b) Tamin’ny fomba ahoana, araka ny filazan’ny mpanoratra tantara, no nahatafatsofoka ny hevitra momba ny Trinite tao amin’ny kristianisma?
20, 21. Inona no mampiray ny fanompoam-pivavahana atolotry ny Egyptiana an’ireo triniten’ny fanompoan-tsampy sy ny Triniten’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
22. Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana ny loharanom-panazavana roa raha ny amin’ny niandohan’ny Trinite?
23. Inona no lazain’ny Firaketana momba ny fivavahana sy ny fitondrantena nataon’i Hastings momba izay mampiray ireo triniten’ny fanompoan-tsampy sy ny Triniten’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
24, 25. Tamin’ny fomba ahoana no nananan’ilay filôzôfa grika atao hoe Platon hery teo amin’ny fandrosoan’ny Triniten’ny fivavahana lazaina fa kristiana tatỳ aoriana?
26, 27. Ahoana no nampisehoan’ny mpanoratra tantara ny hery nananan’i Platon teo amin’ny fandrosoan’ny Trinite?
28, 29. Inona no nitranga rehefa tonga ny faran’ny taonjato fahatelo am.fan.ir.?
30. Araka ny marihin’ny loharanom-panazavana ara-pivavahana iray, inona no tsy maintsy lazaina momba ny fandrosoan’ny Trinite?
31. Mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly, inona no nahatratra ny fara heriny tamin’ny taonjato fahefatra am.fan.ir.?
32. Inona no mampiseho fa tsy nety ho avy tamin’Andriamanitra ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite?
33, 34. a) Nahoana no tsy araka ny fandrindran-kevitra ny haneken’ny kristiana ny Trinite? b) Tsy maintsy tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana isika momba ny Trinite?
Lohateny lehibe: “Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’Andriamanitra sy Jesosy?”
1, 2. Raha toa ka hamaky ny Baiboly tsy misy fitompoan-teny fantatra ny olona, dia ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana izy ireo momba an’Andriamanitra sy Kristy?
3, 4. Inona no lazain’ny mpampianatra tantaram-piangonana iray momba ny fiheverana an’Andriamanitra a) ao amin’ireo Soratra hebreo? b) ao amin’ireo Soratra grika?
5. Ahoana no ampisehoan’ny fitsipi-pitenenana ampiasaina ao amin’ny Deoteronomia 6:4 fa persona iray ihany Andriamanitra?
6. Inona no nohamafisin’ny apostoly Paoly momba ny maha-izy an’Andriamanitra?
7. Amin’ny fomba ahoana no iresahana momba an’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly manontolo?
8. Raha toa ka marina ny Trinite, inona no ho nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry mazava tsara?
9. Inona no nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly mazava tsara?
HERINANDRON’NY 23 DESAMBRA
P. 13 ¶10 ka hatramin’ny p. 15 ¶26
10. a) Tamin’ny fomba ahoana no niresahan’i Jesosy momba an’Andriamanitra? b) Nahoana no i Jehovah irery no antsoina hoe Tsitoha?
11. Nahoana i Jehovah no resahina amin’ny endriny milaza maro ao amin’ireo Soratra hebreo?
12. Na dia amin’ny endriny milaza maro aza ny teny hebreo nadika hoe Andriamanitra, ahoana no ahafahana mampiseho fa tsy miresaka afa-tsy persona iray ihany izy io?
13. Nahoana no manohitra ny Trinite ny hevitry ny hoe ʼelo·himʹ?
14. Iza koa no ampiharan’ny Baiboly ny teny hoe “andriamanitra” amin’ny endriny milaza tokana sy maro?
15. Nahoana ny fampiasan’ny Baiboly ireo teny hebreo nadika hoe “andriamanitra” amin’ny endriny milaza tokana sy maro no tsy manohana ny Trinite?
16. Avy taiza no nolazain’i Jesosy fa niaviany?
17. Inona moa i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy?
18. Inona no niantsoan’ny Baiboly an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy, ary ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr’izany teny izany?
19. Iza moa ilay “Fahendrena” ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly, ary ahoana no niandohany?
20. Inona no lazain’ny Ohabolana 8:30 momba an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy, ary ahoana no anamafisan’ny Kolosiana 1:16 izany anjara asany izany?
21. Amin’ny fomba ahoana no iresahan’ny Baiboly momba ny fifandraisan’Andriamanitra sy i Jesosy teo am-pamoronana?
22. Nahoana ny fampiasana ny teny hoe “isika” sy “endritsika” no tsy manondro Trinite iray?
23, 24. Ahoana no ampisehoan’ny nakana fanahy an’i Jesosy fa tsy Andriamanitra akory izy?
25, 26.Ny fananan’i Jesosy safidy raha ny amin’ny fihazonana fahatokiana dia manaporofo inona?
HERINANDRON’NY 30 DESAMBRA
P. 15 ¶27 ka hatramin’ny p. 16 ¶40
27, 28. Mba hanonerana tsara ny fahotan’i Adama, tsy maintsy ho inona moa ny avotra?
29. a) Raha toa i Jesosy ka mpikambana ao amin’ny Andriamanitra iray, inona no ho dikan’izany ho an’ny sorom-panavotana? b) Ahoana no nampisehoan’ny toerana notanan’i Jesosy teto an-tany fa tsy nety ho Andriamanitra izy?
30. Ahoana no anoheran’ny maha-‘Zanakalahy tokan’Andriamanitra’ an’i Jesosy ny Trinite?
31. Amin’ny fomba ahoana no anandraman’ny mpanome fanazavana ara-pivavahana sasany manazava ny teny hoe “Zanakalahy tokana”, kanefa nahoana izany no tsy araka ny fandrindran-kevitra?
32. Iza, ankoatra an’i Jesosy, no ampiharan’ny Baiboly ny teny hoe “zanakalahy tokana”, ary amin’ny heviny ahoana?
33, 34. Inona ilay teny grika nadika hoe “zanakalahy tokana”, ary inona no heviny?
35. Rehefa miresaka an’Andriamanitra ho Rain’i Jesosy ny Baiboly, inona no tiany holazaina?
36. Nahoana no zava-dehibe ny fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “zanakalahy tokana” momba an’i Jesosy?
37. Na dia ireo demonia sy ireo miaramila romana aza dia nahafantatra hoe inona momba an’i Jesosy?
38. Nahoana i Jesosy no tsy afaka ny ho Andriamanitra?
39. Ahoana no ampisehoan’ny maha-“mpanalalana” an’i Jesosy fa tsy Andriamanitra izy akory?
40. Inona no fampianarana mazava ao amin’ny Baiboly ny amin’Andriamanitra sy Jesosy?
HERINANDRON’NY 7 JANOARY
P. 16, Lohateny lehibe: “Moa ve Andriamanitra ambony noho i Jesosy foana?” ¶1 ka hatramin’ny p. 18 ¶16
1, 2. Inona no nasehon’i Jesosy mazava tsara raha ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra?
3. Inona no nolazain’i Jesosy izay nampiseho fa niavaka tsara tamin’Andriamanitra izy?
4. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa nisaraka sy niavaka tsara Andriamanitra sy i Jesosy?
5. Koa satria nitaky ny hisian’ny vavolombelona roa mba hanamarinana ny raharaha iray ny Lalàn’i Mosesy, inona no asehon’izany momba an’i Jesosy sy Andriamanitra manao fanambarana ho vavolombelona?
6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy, ao amin’ny Marka 10:18, fa tsy anisan’ny Andriamanitra iray izy akory?
7. Fanambarana nataon’i Jesosy inona avy no mampiseho ny maha-ambony kokoa an’Andriamanitra?
8. Ahoana no ampihariharian’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy fa nanoa an’Andriamanitra izy?
9. Ahoana no fiheveran’ireo mpanara-dia an’i Jesosy azy?
10. Ahoana no nampisehoan’ny batisan’i Jesosy fa tsy Andriamanitra izy?
11. Inona no asehon’ny nanosoran’i Jehovah an’i Jesosy?
12. Rehefa niresaka tamin’ny renin’ny roa tamin’ireo mpianany i Jesosy, ahoana no nampiharihariany ny maha-ambony kokoa ny Rainy?
13. Inona no asehon’ireo vavaka nataon’i Jesosy?
14. Teo am-pialan’i Jesosy aina, ahoana no nampihariharian’ny antsoantsony fa ambony kokoa Andriamanitra?
15. Ahoana no anoheran’ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty ny maha-Andriamanitra azy?
16. Nahoana ny fahaizan’i Jesosy nanao fahagagana no tsy mampiseho fa Andriamanitra izy?
HERINANDRON’NY 13 JANOARY
P. 19 ¶17 ka hatramin’ny p. 20 ¶31
17. Nahoana i Jesosy no tsy nahafantatra hoe rahoviana no hifarana ity fandehan-javatra ity?
18. Ahoana no ampisehoan’ny Hebreo 5:8 fa tsy afaka ny ho Andriamanitra i Jesosy?
19. Ahoana no ampisehoan’ny Apokalypsy 1:1 fa tsy afaka ny ho Andriamanitra i Jesosy?
20, 21. Inona no ambaran’ny nanandratana an’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty amintsika?
22-24. Amin’ny fomba ahoana avy no anoheran’ireto fitantarana momba an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty ireto ny Trinite? a) Hebreo 9:24; b) Asan’ny apostoly 7:55; d) Apokalypsy 4:8 ka hatramin’ny 5:7.
25, 26. Fanamarihana inona no ataon’ny Filazam-baovaon’i Rylands momba an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty?
27. Mandritra ny hafiriana i Jesosy no hanohy ho eo ambany fahefan’Andriamanitra?
28. Ahoana no ampisehoan’ny 1 Korintiana 11:3 ny maha-ambony an’Andriamanitra noho i Jesosy?
29-31. Nitarika manam-pahaizana nihanitombo isa ho amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana ny fikarohana natao vao haingana?
HERINANDRON’NY 20 JANOARY
P. 20, Lohateny lehibe: “Ny Fanahy Masina — Hery miasan’Andriamanitra” ¶1 ka hatramin’ny p. 22 ¶19
1. Inona no lazain’ny fampianarana ny amin’ny Trinite momba ny fanahy masina?
2. Ao amin’ny Baiboly, ny teny hebreo hoe inona ary ny teny grika hoe inona no ampiasaina matetika indrindra ho an’ny hoe “fanahy” (esprit)?
3, 4. Araka ny marihina ao amin’ny Genesisy 1:2, inona no lazain’ny Baiboly momba ny fanahy masina?
5. Manomeza ohatra ny amin’ny fanomezan’ny fanahin’Andriamanitra fahazavana ho an’ny mpanompony.
6. Tamin’ny fomba ahoana no nananan’ny fanahy masina hery teo amin’ireo mpanoratra ny Baiboly?
7. Ohatra inona no mampiseho fa hery ny fanahy masina?
8. Amin’ny fomba ahoana avy no ampiasan’Andriamanitra ny fanahiny?
9. Afaka manome inona ny mpanompony ny fanahin’Andriamanitra?
10. Avy taiza ny herin’i Samsona, ary moa ve persona izany hery izany?
11. Tamin’ny endriny ahoana no nahatongavan’ny fanahy masina teo ambonin’i Jesosy, ary afaka nanao inona izy noho izy io?
12, 13. Tamin’ny endriny ahoana no nahatongavan’ny fanahy masina teo ambonin’ireo mpianatra izay afaka nanao inona noho izany?
14. Inona no lazain’ny teôlôjiana iray momba ny fampiasan’ny Baiboly teny fampiasa amin’ny persona mba hilazalazana ny fanahy masina?
15. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny Soratra masina ho toy ny persona ny zavatra sasany izay tsy persona?
16. Ahoana no ampisehoan’ny 1 Jaona 5:6-8 fa tsy persona akory ny fanahy masina?
17. Fomba fiteny fahita ao amin’ny Baiboly inona avy no mampiseho fa tsy persona akory ny fanahy masina?
18. Ahoana no ahafahantsika manazava ny filazan’ny Baiboly fa miteny ny fanahy masina?
19. Inona no tian’ny Matio 28:19 holazaina rehefa milaza izy hoe “amin’ny anaran’ny (...) fanahy masina”?
HERINANDRON’NY 27 JANOARY
P. 22 ¶20 ka hatramin’ny p. 24 ¶10
20. a) Rehefa nampiasa ny teny grika nadika hoe “mpanampy” i Jesosy, nahoana izy no nampiasa mpisolo anarana milaza lahy? b) Mpisolo anarana inona no ampiasaina mifandray amin’ilay teny grika tsy milaza lahy na vavy nadika hoe “fanahy” (esprit)?
21. Ahoana no nieken’ny Baiboly katolika iray fa tsy misy manamarina azy ny fampiasany mpisolo anarana milaza lahy miaraka amin’ny teny hoe “fanahy” (esprit)?
22. Nahoana ny soratra grika no mampiasa mpisolo anarana milaza lahy miaraka amin’ny teny hoe “mpanampy”?
23-25. Inona no eken’ny loharanom-panazavana katolika roa momba ny fanahy masina?
26, 27. Amin’ny fomba ahoana no anohanan’ny loharanom-panazavana katolika roa ny fomba fihevitry ny Baiboly momba ny fanahy masina?
28. Oviana ny fivavahana lazaina fa kristiana no nanambara fa persona ny fanahy masina?
29. Inona moa ny fanahy masin’Andriamanitra, ary tsy inona moa izy io?
Lohateny lehibe: “Ahoana ny amin’ireo ‘andinin-teny lazaina fa porofo’ manamarina ny Trinite?”
1, 2. Inona no tsy maintsy tadidina ao an-tsaina momba izay andinin-teny rehetra ao amin’ny Baiboly atolotra ho toy ny porofo manamarina ny Trinite?
3. “Andinin-teny lazaina fa porofo” telo inona avy no atolotry ny Firaketana katolika iray?
4. Inona no lazain’ireo andinin-teny atolotra ho toy ny porofon’ny Trinite?
5-7. Inona no tena porofoin’ireo andinin-teny atolotra ho toy ny porofon’ny Trinite ireo, araka ny eken’ny Firaketan’i McClintock sy i Strong?
8. Na dia samy voatonona ao amin’ny fitantarana ao amin’ny Matio 3:16 aza Andriamanitra sy i Jesosy ary ny fanahy masina, nahoana izy io no tsy manohana ny Trinite?
9. Nahoana no azontsika esorina ilay teny ao amin’ny 1 Jaona 5:7 araka ny hita ao amin’ny fandikan-teny tranainy sasany?
10. Nahoana ireo “andinin-teny lazaina fa porofo” hafa no tsy manohana ny Trinite?
HERINANDRON’NY 3 FEBROARY
P. 24 ¶11 ka hatramin’ny p. 25 ¶29
11. Ahoana no nampisehoan’ny tenan’i Jesosy mihitsy izay tiany holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”?
12. Ahoana no ampisehoan’ny fampiasan’i Paoly ilay teny grika nadika hoe “iray” fa io teny hita koa ao amin’ny Jaona 10:30 io dia midika hoe iray amin’ny hevitra sy ny fikasana?
13. Tamin’ny taonjato faha-16, inona no nolazain’i Jean Calvin momba ny fampiasana ny Jaona 10:30 mba hanohanana ny Trinite?
14. Ao amin’ny Jaona toko faha-10, ahoana no nanazavan’i Jesosy fa tsy Andriamanitra izy?
15-17. Ao amin’ny Jaona 5:18, fampiangana inona no nataon’ireo Jiosy tamin’i Jesosy, ary tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa diso izany?
18. Ahoana no nandikan’ny Fandikan-tenin’i Douay sy ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ny Filipiana 2:6, ary noho ny fikendrena inona?
19-24. Ahoana no nandikan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa ny Filipiana 2:6 ka ampisehoany hevitra mifanohitra amin’izay nokendren’ny Fandikan-tenin’i Douay sy ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques?
25, 26. a) Inona no lazain’ireo izay nandika amin’ny fomba marina kokoa ny Filipiana 2:6? b) Nahoana ilay teny grika ampiasaina ao amin’ny Filipiana 2:6 no tsy mamela ny hanekena ny fiheverana fa nanana fitoviana tamin’Andriamanitra i Jesosy?
27. Inona no ataon’ireo fandikan-teny izay nanao izay hilazan’ny Filipiana 2:6 fa i Jesosy dia tsy nieritreritra fa ratsy ny mitovy amin’Andriamanitra, kanefa inona no tena ahariharin’ny famakiana ilay teny grika amin’ny saina tsy miangatra?
28. Ahoana no ampisehoan’ireo andininy mialoha ny Filipiana 2:6 fa tsy nitady ny hitovy amin’Andriamanitra akory i Jesosy?
29. Inona no tena resahin’ny Filipiana 2:3-8?
HERINANDRON’NY 10 FEBROARY
P. 26 ¶30 ka hatramin’ny p. 27 ¶58
30. Ahoana no anandraman’ireo mpino ny Trinite mampiasa ny Jaona 8:58 mba hanohanana ny Trinite?
31. Ahoana no ampiasan’ny Eksodosy 3:14 (KJ) ny fitenenana hoe “IZAHO AHO”, ary inona no tiany holazaina?
32. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fitenenana hoe “Izaho aho” ao amin’ny Jaona 8:58?
33-37. Ahoana no nandikan’ny Baiboly samihafa ny Jaona 8:58?
38. Inona no tena hevitry ny teny grika ao amin’ny Jaona 8:58?
39. Ahoana no ampisehoan’ireo andininy mialoha ny Jaona 8:58 izay tian’i Jesosy holazaina?
40. Ahoana no amakiana ny Jaona 1:1 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques?
41. Na dia ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques aza dia mampiseho amin’ny fomba ahoana fa “ny Teny” dia tsy afaka ny ho ny tenan’ilay Andriamanitra Tsitoha, araka ny nomarihin’ny mpanoratra katolika iray?
42-51. Ahoana no nandikan’ny Baiboly samihafa ny tapany farany amin’ny Jaona 1:1?
52. Inona no asehon’ny fampiasana ny mpanoritra anarana voafaritra amin’ny teny grika momba ilay the·osʹ voalohany ao amin’ny Jaona 1:1?
53. Koa satria tsy misy mpanoritra anarana voafaritra miaraka amin’ilay fampiasana faharoan’ny hoe the·osʹ ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Jaona 1:1, hanao ahoana ny fandikana ara-bakiteny an’io teny io?
54. a) Nahoana ilay soratra amin’ny fiteny grika koine no tsy misy mpanoritra anarana voafaritra miaraka amin’ilay the·osʹ faharoa? b) Rehefa tsy ialohavan’ny mpanoritra anarana voafaritra ny anarana enti-milaza iray, rahoviana izy io no mety ho tsy voafaritra?
55. Inona no lazain’ny Gazetin’ny soratra ao amin’ny Baiboly momba ny tapany faharoa amin’ny Jaona 1:1?
56. Inona no asongadin’ny Jaona 1:1 momba an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy?
57. Nahoana ireo mpandika tenin’ny Soratra grika no mampiditra indraindray ny mpanoritra anarana tsy voafaritra?
58. Inona no nolazain’ny manam-pahaizana roa momba ny Jaona 1:1?
HERINANDRON’NY 17 FEBROARY
P. 28 ¶59 ka hatramin’ny p. 29 ¶71
59, 60. Moa ve ny fandikana ilay the·osʹ faharoa ao amin’ny Jaona 1:1 hoe “andriamanitra (iray)” mandika fitsipika amin’ny fitsipi-pitenenana grika?
61, 62. Moa ve ny teny manodidina ny tapany faharoa amin’ny Jaona 1:1 mitaky ny hisian’ny mpanoritra anarana tsy voafaritra eo anoloan’ilay teny hoe the·osʹ?
63, 64. Nahoana ny fiantsoana an’i Jesosy hoe “andriamanitra (iray)” no tsy mifanipaka amin’ny fisian’ny Andriamanitra iray ihany?
65. Ahoana no ampisehoan’ny teny hoe “Andriamanitra mahery” ampiharina amin’i Jesosy ao amin’ny Isaia 9:5 [9:6, MN] fa tsy Jehovah Andriamanitra izy akory?
66. Inona no lazain’ny Filazam-baovaon’i Rylands momba an’Andriamanitra sy Jesosy?
67. Inona no nety ho tian’i Tomasy holazaina rehefa nilaza izy hoe “Tompoko sy Andriamanitro”, araka ny hita ao amin’ny Jaona 20:28?
68. Ahoana no anampian’ny teny manodidina ny Jaona 20:28 antsika hahatakatra fa tsy te hilaza akory i Tomasy fa i Jesosy no ilay Andriamanitra Tsitoha?
69. Ahoana no anampian’ny Jaona 20:31 hanazava ny Jaona 20:28?
70. Inona no azo lazaina momba izay andinin-teny rehetra atolotra ho porofo manamarina ny Trinite?
71. Moa ve misy na dia andinin-teny iray aza mampianatra mazava ny Trinite?
HERINANDRON’NY 24 FEBROARY
P. 30 ¶1 ka hatramin’ny p. 31 ¶31
1. Fahalalana inona no tena ilaina mba hahazoana fiainana mandrakizay?
2. a) Lazao hoe inona no loharanon’ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. b) Hanampy antsika hanalavitra inona ny fahalalana ny fahamarinana?
3. Raha maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia mila ny manontany tena hoe ahoana?
4. Amin’ny ahoana ny fampianarana ny Trinite no manala baraka an’Andriamanitra?
5. Inona no vokatra nateraky ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
6. Rehefa manao “ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany” ny olona, zavatra inona no hataony manaraka izany?
7. Tamin’ny ahoana no nanalan’ireo mpino ny Trinite baraka an’Andriamanitra?
8. Ahoana no ampahafantaran’ny Tenin’Andriamanitra an’ireo izay manana ny fahamarinana sy ireo izay tsy manana azy io?
9. Inona no nolazain’ny teôlôjiana danoa iray momba ny fivavahana lazaina fa kristiana?
10. Ahoana no azo ilazalazana ny toe-piainana ara-panahy misy ny fivavahana lazaina fa kristiana?
11. Ahoana no hitsarana tsy ho ela ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary nahoana?
12. Nahoana isika no tokony handa ny Trinite?
13. Ho an’ny tombontsoan’iza no iasan’ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
14. Nahoana no mitondra fanamaivanana lehibe ny fahalalana marina momba an’Andriamanitra?
15. Antony maika dia maika inona no manosika antsika hanome voninahitra an’Andriamanitra?