Toko 16
Mpitaingin-tsoavaly Efatra Mirifatra!
Fahitana 3—Apokalypsy 6:1-17
Foto-kevitra: Mpitaingin-tsoavaly efatra mirifatra, vavolombelona maty maritiora hita tao ambanin’ny alitara, ary ilay andro lehiben’ny fahatezerana
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny 1914, ka hatramin’ny fandravana ity tontolo ity
1. Ahoana no nampihariharian’i Jehovah tamin’i Jaona izay voarakitra ao amin’ilay horonam-boky nosokafan’i Jesosy?
MOA ve isika tsy liana amin’ireo “zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela”, amin’izao andro sarotra izao? Liana tokoa isika, satria mahakasika antsika izany! Andeha àry isika hiaraka amin’i Jaona, hijery ny hanokafan’i Jesosy an’ilay horonam-boky mahaliana. Tsy voatery mamaky an’ilay izy anefa i Jaona. Nahoana? Satria haseho aminy amin’ny alalan’ny “famantarana” ny zavatra voarakitra ao, ka hahita fisehoan-javatra maro mahaliana sy be tsipiriany izy.—Apokalypsy 1:1, 10.
2. a) Inona no hitan’i Jaona sy reny, ary midika ho inona ny endrik’ilay kerobima? b) Iza no nantsoin’ilay kerobima voalohany, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
2 Henoy àry i Jaona, fa vahan’i Jesosy ny tombo-kase voalohany: “Ary nahita aho rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra nanao hoe: ‘Avia!’ Ary ny feony dia toy ny kotroka.” (Apokalypsy 6:1) Feon’ilay kerobima voalohany izany. Nanana endrika liona izy io, ka toa nidika izany fa hanatanteraka amin-kerim-po ny didim-pitsarana marin’i Jehovah ny fandaminany. Ary iza no nantsoiny hoe: ‘Avia’? Tsy i Jaona aloha, satria efa nasaina handray anjara amin’ilay faminaniana izy. (Apokalypsy 4:1) Olon-kafa no antsoin’io ‘feo toy ny kotroka’ io mba handray anjara amin’ilay voalohany amin’ireo fisehoan-javatra efatra mifampitohy.
Ilay soavaly fotsy sy ny mpitaingina azy
3. a) Inona indray no nohazavain’i Jaona? b) Manondro inona ilay soavaly fotsy, araka ny voalazan’ny Baiboly?
3 Nahazo tombontsoa hahita fisehoan-javatra mampangitakitaka sy mifanesy i Jaona, ary toy izany koa ireo voahosotra be zotom-po sy ny namany ankehitriny! Hoy i Jaona: “Ary nahita aho, ary indro, nisy soavaly fotsy. Ary ilay nitaingina azy nanana tsipìka, ary nomena satroboninahitra izy. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.” (Apokalypsy 6:2) Nisy soavaly fotsy nivoaka tokoa, ho valin’ilay antso toy ny kotroka hoe: “Avia!” Matetika no manondro ady ny soavaly, ao amin’ny Baiboly. (Salamo 20:7; Ohabolana 21:31; Isaia 31:1) Fotsy be ilay soavaly, angamba soavaly lahy tsara tarehy, ka midika izany fa masina sy madio tanteraka izy. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 1:14; 4:4; 7:9; 20:11.) Tena mety izany mba hanondroana ady madio sy marina eo imason’i Jehovah!—Jereo koa ny Apokalypsy 19:11, 14.
4. Iza no Mpitaingina an’ilay soavaly fotsy? Hazavao.
4 Iza no Mpitaingina an’ilay soavaly? Manana tsipìka fitondra manafika izy, sady nomena satroboninahitra. I Jesosy sy ireo anti-panahy 24 ihany no olo-marina manao satroboninahitra mandritra ny andron’ny Tompo. (Daniela 7:13, 14, 27; Lioka 1:31-33; Apokalypsy 4:4, 10; 14:14)a Tsy azo inoana anefa hoe iray amin’ireo anti-panahy 24 no nahazo satroboninahitra manokana, noho ny zava-bitany. I Jesosy Kristy ihany àry io mpitaingin-tsoavaly tokana io. Hitan’i Jaona tany an-danitra izy, tamin’ilay fotoana nanan-tantara tamin’ny 1914, rehefa niteny i Jehovah hoe: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako.” Nolazainy koa ny zava-kendren’izany, dia ny hoe: “Homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao.” (Salamo 2:6-8)b Rehefa namaha ilay tombo-kase voalohany àry i Jesosy, dia naharihariny fa izy ilay Mpanjaka vaovao hivoaka hiady amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.
5. Inona no tenin’ny mpanao salamo mitovy amin’ny Apokalypsy 6:2, momba ilay Mpitaingin-tsoavaly?
5 Mifanaraka tsara amin’ny Salamo 45:4-7 io fisehoan-javatra io. Izao no voalaza ao ho an’ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah: ‘Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana. Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra—firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao—ka mitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka. Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.’ Fantatr’i Jaona tsara io faminaniana io, ka takany fa mihatra amin’i Jesosy Mpanjaka ilay izy.—Ampitahao amin’ny Hebreo 1:1, 2, 8, 9.
Mivoaka handresy
6. a) Nahoana ilay Mpitaingin-tsoavaly no mivoaka handresy? b) Nanomboka oviana ary mitohy hatramin’ny oviana ny fandresen’i Jesosy?
6 Nahoana anefa ilay Mpanjaka vaovao no mivoaka hiady? Satria manohitra mafy ny fanjakany i Satana Devoly, fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, sy ireo manao ny sitrapon’i Satana eto an-tany, na fanahy inian’izy ireo izany na tsia. Tsy maintsy nisy ady lehibe tany an-danitra rehefa niorina ilay Fanjakana. Mikaela (midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”) no anarana nentin’i Jesosy niady tamin’izay. Nandresy an’i Satana sy ny demoniany izy, ary nanipy azy ireo ho etỳ an-tany. (Apokalypsy 12:7-12) Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo ny fandresen’i Jesosy, ary mbola mitohy hatramin’izao, satria angonina ireo olona toy ny ondry. Mbola “eo ambany fahefan’ilay ratsy” ity tontolo ity, nefa tia sy mikarakara ny rahalahiny voahosotra sy ny namany foana i Jesosy, ka manampy azy ireo handresy amin’ilay ady ho an’ny finoana.—1 Jaona 5:19.
7. Inona no fandresena azon’i Jesosy teto an-tany nanomboka tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
7 Inona koa no fandresena azon’i Jesosy nandritra ireo 90 taona mahery lasa tamin’ny andron’ny Tompo? Maro ny zava-tsarotra sy fanerena ary fanenjehana manjo ny vahoakan’i Jehovah eran-tany, na ny tsirairay izany na ny fiangonana. Niresaka olana toy izany ny apostoly Paoly rehefa nanaporofo ny maha mpanompon’i Kristy azy. (2 Korintianina 11:23-28) Mila “hery fanampiny” hiaretana ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra fa any amin’ny toerana misy ady sy herisetra. (2 Korintianina 4:7) Mbola afaka miteny toa an’i Paoly anefa ireo Vavolombelona mahatoky, na dia ao anatin’ny fitsapana mafy indrindra aza, hoe: “Ny Tompo ... nijoro teo anilako ka nankahery ahy, mba hotanterahina an-tsakany sy an-davany amin’ny alalako ny asa fitoriana.” (2 Timoty 4:17) Mandresy ho azy ireo tokoa i Jesosy. Hivoaka handresy ho antsika koa izy, raha mbola tapa-kevitra ny hamita ny adintsika ho an’ny finoantsika koa isika.—1 Jaona 5:4.
8, 9. a) Inona no fandresena azon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany? b) Taiza no tena niavaka ny fitomboan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
8 Nahazo fandresena maro ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, teo ambany fitarihan’ilay Mpanjaka mandresy. Niaro an’ireo Mpianatra ny Baiboly ireo tamin’ny fomba niavaka izy tamin’ny 1918, mba tsy ho fongana tanteraka izy ireo. ‘Naharesy’ azy ireo vetivety mantsy ny fandaminana ara-politikan’i Satana. Navotany avy tao am-ponja anefa izy ireo tamin’ny 1919, ka nomeny hery hanambarana ny vaovao tsara ‘tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.’—Apokalypsy 13:7; Asan’ny Apostoly 1:8.
9 Niezaka nandripaka ny Vavolombelon’i Jehovah i Alemaina sy ny mpiray dina taminy, talohan’ny Ady Lehibe II sy nandritra izany. Nanohana mivantana na an-kolaka an’ireny mpanao didy jadona ireny ny mpitondra fivavahana, indrindra fa ny Katolika Romanina. Vavolombelona 10 000 teo ho eo no tany am-ponja na tany amin’ny toby fitanana nandritra ny taona maro, ary 2 000 teo ho eo no novonoina ho faty. Raha 71 509 anefa ny isan’izy ireo talohan’ny ady tamin’ny 1939, dia lasa 141 606 kosa izany rehefa tapitra ny ady tamin’ny 1945. Efa enina tapitrisa mahery ny Vavolombelona eran-tany ankehitriny. Nisy fitomboana niavaka tany amin’ireo tany katolika sy ireo nisian’ny fanenjehana mafy. Anisan’izany i Alemaina sy Italia ary Japon, izay misy mpitory mazoto maherin’ny 600 000 raha atambatra.—Isaia 54:17; Jeremia 1:17-19.
10. Inona avy no fandresena nomen’ilay Mpanjaka mandresy ho an’ny vahoakany, rehefa “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna” izy ireo?
10 Notahin’ilay Mpanjaka mandresy koa ny vahoakany, ka notarihiny hahazo fandresena maro, rehefa “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna” tany amin’ny fitsarana sy teo anatrehan’ny mpitondra. (Filipianina 1:7; Matio 10:18; 24:9) Nitranga eran-tany izany: tany Aostralia, Arzantina, Gresy, Inde, Kanada, Soazilandy, Soisa, Torkia, ary tany amin’ny tany hafa. Nisy fandresena 50 azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, ka anisan’izany ny zo hitory ny vaovao tsara “ampahibemaso sy isan-trano”, sy tsy handray anjara amin’ny fombafomba fitiavan-tanindrazana. (Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20; 1 Korintianina 10:14) Azo natao foana àry ny nanitatra ny fitoriana eran-tany.
11. a) Inona no hataon’ilay Mpitaingin-tsoavaly mba ‘hamitana ny fandreseny’? b) Inona no tokony ho vokatry ny famahana ny tombo-kase faharoa sy fahatelo ary fahefatra eo amintsika?
11 Inona no hataon’i Jesosy mba ‘hamitana ny fandreseny’?c Ho hitantsika fa hanao izany izy, rehefa handrava ny fivavahan-diso sy hanipy ny sisa amin’ny fandaminan’i Satana ao amin’ny “farihy afo” fandringanana, mba hanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra. Miandrandra izany isika, sady matoky fa ho vita ny fandresen’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka” amin’ny Hara-magedona, rehefa handringana ny fandaminana ara-politikan’i Satana izy! (Apokalypsy 16:16; 17:14; 19:2, 14-21; Ezekiela 25:17) Mbola mirifatra ilay Mpandresy mandra-pahatongan’izany, ary mitaona olona tso-po maro hatrany i Jehovah mba ho anisan’ilay firenena marina eto an-tany. (Isaia 26:2; 60:22) Miaraka amin’ny voahosotra amin’izany fanitarana ny asan’ilay Fanjakana izany ve ianao? Raha izany, dia tena handrisika anao handray anjara bebe kokoa amin’ny asan’i Jehovah ny zavatra hitan’i Jaona, rehefa novahana ireo tombo-kase telo manaraka.
Jereo ilay soavaly mena toy ny afo!
12. Inona no nolazain’i Jesosy fa ho famantarana ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka tsy hita maso azy?
12 Nanontany an’i Jesosy mitokana toy izao ny mpianany, tamin’ny faran’ny fanompoany tetỳ an-tany: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Nanonona loza maromaro, izay ho “fiandohan’ny fahoriana” i Jesosy. Hoy izy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa. Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona, ary hisy famantarana lehibe avy any an-danitra.” (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11) Misy itovizana betsaka amin’io faminaniana io ny zavatra hitan’i Jaona, rehefa novahana ireo tombo-kase hafa tamin’ilay horonam-boky. Jereo àry izao fa vahan’i Jesosy ny tombo-kase faharoa!
13. Inona no fanehoana hery ho hitan’i Jaona?
13 “Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zavamananaina faharoa niteny hoe: ‘Avia!’ ” (Apokalypsy 6:3) Ilay kerobima faharoa manana endrika omby no namoaka io antso io. Ny omby eto dia manondro hery, nefa hery ampiasaina ara-drariny. Hafa mihitsy anefa ilay ho hitan’i Jaona, satria fanehoana hery mahatsiravina sy mitondra fahafatesana mihitsy.
14. Manao ahoana ny soavaly sy mpitaingin-tsoavaly hitan’i Jaona, ary midika ho inona io fahitana io?
14 Inona no valin’ilay antso faharoa hoe: “Avia!”? “Ary nisy soavaly hafa nivoaka, dia soavaly mena toy ny afo. Ary ilay nitaingina azy navela hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany mba hifandripahan’ny olona, ary nomena sabatra lehibe izy.” (Apokalypsy 6:4) Fahitana mampalahelo tokoa izany! Tsy isalasalana fa ady no tiana hambara amin’ilay izy! Tsy ady marina sy feno fandresena hataon’ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah anefa, fa ady iraisam-pirenena sy feno habibiana ataon’olombelona, sady misy ra mandriaka sy fanaintainana tsy amin’antony. Tsy mahagaga raha mena toy ny afo ilay soavaly itaingenany!
15. Nahoana isika no tsy tokony haniry hiaraka amin’ilay mpitaingin-tsoavaly faharoa?
15 Tsy te hiaraka tamin’ilay mpitaingin-tsoavaly mihitsy i Jaona, satria efa voalaza fa ‘tsy hianatra ady intsony’ ny vahoakan’Andriamanitra. (Isaia 2:4) Mbola ‘teo amin’izao tontolo izao’ i Jaona tamin’izay, toy ireo voahosotra sy ny vahoaka be ankehitriny, nefa ‘tsy anisan’ilay’ tontolo feno ra mandriaka. Tsy ara-bakiteny ny fitaovam-piadiantsika, sady “Andriamanitra no nanao azy ho mahery”, mba hitoriana ny fahamarinana, fa tsy hamonoana olona.—Jaona 17:11, 14; 2 Korintianina 10:3, 4.
16. Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nanomezana “sabatra lehibe” ny mpitaingina an’ilay soavaly mena?
16 Maro be ny ady talohan’ny 1914, taona nandraisan’ilay Mpitaingina soavaly fotsy ny satroboninahiny. Nomena “sabatra lehibe” anefa izao ny mpitaingina an’ilay soavaly mena. Inona no dikan’izany? Nahafaty olona be dia be sy namotika zavatra betsaka lavitra noho ny hatramin’izay ny ady, nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I. Nampiasaina tamin’io ady nandripaka olona tamin’ny 1914-1918 io ny tanky, gazy misy poizina, fiaramanidina, sambo mpisitrika, tafondro lehibe sy ny sisa. Vaovao ny fitaovam-piadiana sasany tamin’izany, fa ny hafa kosa nampitomboina be ny isany. Noterena handray anjara tamin’ny ady ny mponina rehetra, fa tsy ny miaramila ihany, tany amin’ny tany 28. Maro be no namoy ny ainy. Miaramila sivy tapitrisa mahery no maty, ary be dia be koa ny sivily. Tsy tena nisy fandriampahalemana teto an-tany, na dia tapitra aza ilay ady. Nilaza toy izao i Konrad Adenauer, mpitondra fanjakana alemà, 50 taona mahery taorian’ilay ady: “Tsy nahita filaminana sy fahanginana intsony ny olona, nanomboka tamin’ny 1914.” Nomena fahefana hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany tokoa ny mpitaingina an’ilay soavaly mena!
17. Inona no vokatry ny asan’ilay “sabatra lehibe” taorian’ny Ady Lehibe I?
17 Niditra tamin’ny Ady Lehibe II indray ny mpitaingina an’ilay soavaly faharoa, sady vao mainka tena lian-dra. Nanjary nampihoron-koditra kokoa ny fitaovam-piadiana, ary avo efatra heny noho ny tamin’ny Ady Lehibe I no maty. Nipoaka tany Japon tamin’ny 1945 avy eo ny baomba ataomika roa, izay samy nahafaty olona an’aliny tao anatin’ny indray mipy maso. Nahafaty olona 55 tapitrisa ny mpitaingina an’ilay soavaly faharoa tamin’ny Ady Lehibe II, nefa mbola tsy nahafa-po azy izany. Voalaza fa olona mihoatra lavitra ny 20 tapitrisa no matin’ilay “sabatra lehibe”, taorian’ny Ady Lehibe II.
18, 19. a) Tsy fahombiazana ilay fandrosoana ara-tafika nahafaty olona maro nanomboka tamin’ny Ady Lehibe II, fa manaporofo inona kosa? b) Inona no loza mitatao amin’ny olombelona, nefa inona no hataon’ilay Mpitaingina soavaly fotsy momba izany?
18 Azo lazaina ho fahombiazana ve ny fandrosoana ara-tafika nahatonga izany famonoana olona izany? Tsia, fa manaporofo kosa izy io fa mirifatra tsy misy indrafo ilay soavaly mena. Ary aiza no hiafaran’ny lalany? Misy mpahay siansa milaza fa mety hisy ady niokleary tsy nahy, na mety ho ady niokleary iniana atao mihitsy! Soa ihany fa tsy izany no eritreretin’ny Mpitaingina an’ilay soavaly fotsy.
19 Mbola mety hipoaka foana ny ady niokleary, raha mbola ny fanindrahindram-pirenena na ny fankahalana no manjaka eo amin’ny fiaraha-monina. Na atao aza hoe nitady fandriampahalemana mafy ny olombelona, ka namotika ny fitaovam-piadiana niokleary rehetra, dia mbola hotahiriziny ihany ny teknika fanamboarana izany. Ho vitan’izy ireo vetivety ny hanamboatra fitaovam-piadiana niokleary indray. Na ny ady ampiasana fitaovam-piadiana tsotra aza amin’izay, dia mety hivadika tampoka ho ady niokleary, ka handripaka olona maro be. Tsy maintsy hifamono ny olombelona, raha mbola manjaka ny fireharehana sy ny fankahalana, raha tsy hoe hampitsahatra ny hazakazak’ilay soavaly mena toy ny afo angaha ny Mpitaingina an’ilay soavaly fotsy. Matokia fa hamita ny fandreseny i Kristy Mpanjaka, ka handringana ny tontolon’i Satana. Hanorina fiaraha-monina vaovao anjakan’ny fitiavana izy. Ilaina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona mba hisian’ny fandriampahalemana. Vahaolana tsara lavitra izany, raha oharina amin’ny fisakanana ny fampiasana fitaovam-piadiana niokleary, toy ny ataon’ity tontolo adala ity.—Salamo 37:9-11; Marka 12:29-31; Apokalypsy 21:1-5.
Mivoaka ny soavaly mainty
20. Nahoana isika no mahazo antoka fa hanaisotra ny loza rehetra ilay Mpitaingina soavaly fotsy?
20 Vahan’i Jesosy izao ny tombo-kase fahatelo! Inona no hitanao, ry Jaona? “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zavamananaina fahatelo niteny hoe: ‘Avia!’ ” (Apokalypsy 6:5a) “Nanan-tarehy toy ny an’ny olona” io kerobima fahatelo io, ary tsara izany satria midika ho fitiavana ny tarehin’olona. Hanjaka ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny fitiavana miorina amin’ny toro lalana, izay efa manjaka eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny. (Apokalypsy 4:7; 1 Jaona 4:16) Hisy loza haseho an’i Jaona izao. Be fitiavana anefa ilay Mpitaingina soavaly fotsy, ka azontsika antoka fa hesoriny io loza io. Izy mantsy ilay ‘tsy maintsy manjaka, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony.’—1 Korintianina 15:25.
21. a) Midika ho inona ilay soavaly mainty sy ny mpitaingina azy? b) Inona no manaporofo fa mbola mirifatra ilay soavaly mainty?
21 Inona àry no hitan’i Jaona, ho valin’ilay antso fahatelo hoe: “Avia!”? “Ary nahita aho, ary indro, nisy soavaly mainty, ary ilay nitaingina azy nanana mizana teny an-tanany.” (Apokalypsy 6:5b) Mampita hafatra mampalahelo io faminaniana io, dia hoe: mosary tena mafy! Nolazaina mialoha tamin’izany fa rehefa hanomboka ny andron’ny Tompo dia ho voafetra ny sakafo ka holanjaina amin’ny mizana. Nanjary olana eran-tany ny tsy fahampian-tsakafo, nanomboka tamin’ny 1914. Miteraka mosary ny ady ankehitriny, satria matetika no lasa anamboarana fitaovam-piadiana ny vola tokony hividianana sakafo ho an’ny noana. Voafetra ny famokarana sakafo satria nasaina hanao miaramila ny tantsaha, potiky ny ady ny saha tokony hambolena, ary niniana nodorana ny tanety sy ny tanàna mba tsy hisy hiveloman’ny fahavalo. An-tapitrisany tokoa no mosarena sy matin’ny hanoanana nandritra ny Ady Lehibe Voalohany! Tsy nijanona koa ny mpitaingina an’ilay soavaly mainty, na dia tapitra aza ny ady. Olona dimy tapitrisa no maty noana teo anelanelan’ny 1930 sy 1940, tany Ukraine. Vao mainka nihamafy ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny Ady Lehibe Faharoa. Mbola mirifatra ilay soavaly mainty, ka ankizy dimy tapitrisa isan-taona no matin’ny tsy fahampian-tsakafo, araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.
22. a) Inona no nolazain’ny feo iray, ary inona no tokony hatao araka izany? b) Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe varimbazaha iray kilao sy orza telo kilao?
22 Hoy indray i Jaona amintsika: “Ary nisy feo reko, toy ny hoe teo afovoan’ny zavamananaina efatra, nanao hoe: ‘Denaria iray ny vidin’ny varimbazaha iray kilao, ary denaria iray ny vary orza telo kilao, ary aza manimba ny menak’oliva sy ny divay.’ ” (Apokalypsy 6:6) Miara-miteny ireo kerobima efatra fa tokony hotsitsina ny tahirin-tsakafo. Izany no nataon’ny olona talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., satria ‘an-danjany’, na noferana, ny lanjan’ny mofo. (Ezekiela 4:16) Voalaza fa varimbazaha iray kilao no sakafon’ny miaramila isan’andro, tamin’ny andron’i Jaona. Ohatrinona no vidin’izany? Denaria iray, na karama iray andro! (Matio 20:2)d Ary raha nanambady aman-janaka ilay lehilahy? Dia afaka nividy vary orza tsy voatoto telo kilao izy, ho solon’ny varimbazaha. Na izay aza anefa tsy ho ampy raha maro anaka ilay fianakaviana. Tsy noheverina ho sakafo tsara toy ny varimbazaha koa ny orza.
23. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “aza manimba ny menak’oliva sy ny divay”?
23 Inona no tiana holazaina tamin’ny hoe “aza manimba ny menak’oliva sy ny divay”? Nisy nihevitra fa midika izany hoe hiaina ao anaty haitraitra ihany ny mpanankarena na maro aza no tsy ampy sakafo na tsy manan-kohanina mihitsy. Tsy haitraitra anefa ny menaka sy ny divay tany Moyen-Orient. Foto-tsakafo tamin’izany ny mofo sy menaka ary divay. (Ampitahao amin’ny Genesisy 14:18; Salamo 104:14, 15.) Tsy dia tsara ny rano, ka divay no natao rano fisotro sy fanafody indraindray. (1 Timoty 5:23) Na dia nahantra koa aza ilay vehivavy maty vady tany Zarefata, dia mbola nanana menaka nikarakarana ny lafarinina farany nananany ihany. (1 Mpanjaka 17:12) Ilay hoe “aza manimba ny menak’oliva sy ny divay” àry dia toa midika hoe aza lanina haingana fa tsitsio ireo foto-tsakafo ireo. Ho ‘simba’ izy ireo raha tsy izany, izany hoe ho lany alohan’ny faran’ilay mosary.
24. Nahoana no tsy haharitra ela intsony ny fihazakazahan’ilay soavaly mainty?
24 Faly tokoa isika fa tsy ho ela dia hampijanona an’ilay soavaly mainty ny Mpitaingina an’ilay soavaly fotsy! Izao mantsy no voalaza momba ny tontolo vaovao: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. ... Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.”—Salamo 72:7, 16; jereo koa ny Isaia 25:6-8.
Ilay soavaly hatsatra sy ny mpitaingina azy
25. Novahan’i Jesosy ny tombo-kase fahefatra. Feon’iza no ren’i Jaona, ary manondro inona izany?
25 Mbola tsy tapitra ilay tantara. Vahan’i Jesosy ny tombo-kase fahefatra, ary hoy i Jaona amintsika: “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ny zavamananaina fahefatra nanao hoe: ‘Avia!’ ” (Apokalypsy 6:7) Feon’ilay kerobima toy ny voromahery manidina io feo io. Manondro fahendrena mahatsinjo lavitra ny voromahery. Nila nandinika sy nanao zavatra tamim-pahendrena tokoa i Jaona sy ny voahosotra ary ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany, manoloana ny zavatra voalaza eto. Mety ho voaro amin’ny loza manjo an’ireo milaza azy ho hendry eto amin’ity tontolo mieboebo sy ratsy fitondran-tena ity isika, raha manao izany.—1 Korintianina 1:20, 21.
26. a) Iza ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra, ary nahoana no mifanentana aminy ny lokon’ny soavaliny? b) Iza no manaraka an’ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra, ary inona no mitranga amin’ireo matin’io mpitaingin-tsoavaly io?
26 Inona indray àry no zava-doza hiseho, rehefa hamaly ny antso ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra? Hoy i Jaona: “Ary nahita aho, ary indro, nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy nantsoina hoe Fahafatesana, ary nanaraka azy akaiky ny Fasana.” (Apokalypsy 6:8a) Manana anarana ny mpitaingina ilay soavaly farany, dia hoe Fahafatesana. Izy ihany no mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy voatonona anarana toy izany. Mety raha soavaly hatsatra no itaingenany, satria ilay teny nadika hoe hatsatra (khlo·rosʹ ) dia ampiasaina amin’ny haisoratra grika mba hanondroana tarehy fotsy, toy ny an’ny marary. Voalaza koa fa manaraka akaiky ny Fahafatesana ny Fasana, na dia tsy voalaza aza ny tsipirian’izany, satria izy no nitelina ny ankamaroan’ireo matin’ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra. Soa ihany fa hatsangana amin’ny maty ireo olona ireo, rehefa havoakan’ny ‘fahafatesana sy ny fasana ny maty tao aminy.’ (Apokalypsy 20:13) Maka olona maro àry ny Fahafatesana. Amin’ny fomba ahoana anefa?
27. a) Maka olona maro ny Fahafatesana. Amin’ny fomba ahoana? b) Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ny Fahafatesana. Inona no dikan’ilay hoe “ampahefatry ny tany”?
27 Milaza ny fomba sasany anaovany izany ilay fahitana: “Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo mba hamono amin’ny sabatra lava lela sy ny mosary sy ny aretina mahafaty ary ny bibidia eto an-tany.” (Apokalypsy 6:8b) Tsy voatery hoe tena ny ampahefatry ny mponina eran-tany no matin’ilay mpitaingin-tsoavaly, fa olona maro be avy amin’ny toerana midadasika kosa, na be mponina izany na tsia. Angonin’io mpitaingin-tsoavaly io ireo voan’ny sabatra lehiben’ilay mpitaingin-tsoavaly faharoa sy ireo tratran’ny mosary sy tsy fahampian-tsakafon’ilay fahatelo. Angoniny koa ireo tratran’ny aretina mahafaty sy horohoron-tany, araka ny lazain’ny Lioka 21:10, 11.
28. a) Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana momba ny “aretina mahafaty”? b) Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tsy voan’ny aretina maro ankehitriny?
28 Tena mihanaka ny “aretina mahafaty” amin’izao andro izao. Vao tapitra ny Ady Lehibe I, dia namono olona 20 tapitrisa mahery ny gripa espaniola, tao anatin’ny volana vitsivitsy, tamin’ny 1918-1919. Ny nosy kelin’i Sainte-Hélène ihany no tsy voakasik’io aretina io teto an-tany. Nisy fandorana antontana faty, tany amin’ny toerana nahafatesana olona maro be. Eo koa ny aretim-po sy ny kansera, izay matetika no vokatry ny fandotoan’ny sigara sy paraky. Lasa anisan’ilay “aretina mahafaty” koa ny SIDA, nanomboka tamin’ny 1981, vokatry ny fitondran-tena raran’ny Baiboly. Voalaza tamin’ny taona 2000 fa niteny toy izao ny minisitry ny fahasalamana amerikanina: “[Ny SIDA] no heverina fa areti-mifindra nandripaka olona be indrindra hatramin’izay.” Nambarany fa olona 52 tapitrisa no voan’ny VIH/SIDA eran-tany, ka 20 tapitrisa tamin’ireo no efa maty. Faly tokoa ny vahoakan’i Jehovah, satria mahazo torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy mijangajanga sy tsy mampiasa amin’ny fomba ratsy ny ra. Izany mantsy no mampifindra ny aretina maro ankehitriny!—Asan’ny Apostoly 15:28, 29; ampitahao amin’ny 1 Korintianina 6:9-11.
29, 30. a) Inona ankehitriny ireo zavatra “efatra mandoza” lazain’ny Ezekiela 14:21? b) Inona ireo “bibidia” resahin’ny Apokalypsy 6:8? d) Inona no mety ho hevi-dehibe tamin’io faminaniana io?
29 Lazain’ny fahitan’i Jaona fa ny bibidia no antony fahefatra miteraka fahafatesana aloha be ankehitriny. Antony lehibe niteraka fahafatesana tokoa fahiny ireo zavatra efatra naseho tamin’ny famahana ireo tombo-kase efatra, dia ny ady, mosary, aretina, ary bibidia. Izay antony rehetra miteraka fahafatesana aloha be ankehitriny àry no tena tiana holazaina amin’ireo. Nampitandrina ny Israely toy izao tokoa i Jehovah: “Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!”—Ezekiela 14:21.
30 Tsy voaresaka loatra amin’ny filazam-baovao ankehitriny ny fahafatesana ateraky ny bibidia, na dia namono olona maro aza izy ireny any amin’ny tany mafana sady mando. Mety ho maro kokoa no ho fatin’ny bibidia amin’ny hoavy, raha lasa tany ngazana ny toerana sasany noho ny ady. Mety tsy ho afaka hiady amin’ny biby mpiremby koa ny olona raha reraky ny hanoanana noho ny mosary. Maro koa ny olona manana toetra toy ny biby tsy misaina, mifanohitra amin’izay resahin’ny Isaia 11:6-9. Ireny no tena tompon’andraikitra amin’ny fielezan’ny fametavetana, famonoana olona, fampihorohoroana, ary fandatsahana baomba. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 21:31; Romanina 1:28-31; 2 Petera 2:12.) Maka ny olona maty noho ireo antony ireo koa ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra. Ny mety ho hevi-dehibe tamin’ity faminaniana ity àry dia ny hoe manangona an’ireo olona maty aloha be noho ny antony maro ny mpitaingina an’ilay soavaly hatsatra.
31. Nahoana no tsy kivy isika, na dia mandravarava aza ireo mpitaingina ny soavaly mena sy mainty ary hatsatra?
31 Mampahery antsika ny fanazavana naharihary tamin’ny famahana ireo tombo-kase efatra voalohany, satria mampianatra antsika tsy hamoy fo ao anatin’ny ady, mosary, aretina, na ireo loza hafa manjaka ankehitriny, izay miteraka fahafatesana aloha be. Tsy tokony ho very fanantenana koa isika, na dia tsy mahavita mamaha ny olana ankehitriny aza ny mpitondra olombelona. Marina fa miharihary amin’ny zava-misy eran-tany hoe efa nivoaka ny mpitaingina an’ireo soavaly mena sy mainty ary hatsatra. Tadidio anefa fa ny Mpitaingina ilay soavaly fotsy no nivoaka voalohany. Lasa Mpanjaka i Jesosy, ary efa nandresy sahady, satria nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra. Nandresy koa izy, satria nahangona ny sisa amin’ny Israely ara-panahy sy ny olona an-tapitrisany anisan’ny vahoaka be iraisam-pirenena, izay hotsimbinina amin’ny fahoriana lehibe. (Apokalypsy 7:4, 9, 14) Mitohy ny diany, mandra-pahavitan’ny fandreseny.
32. Inona no mampiavaka ny famahana ny tsirairay amin’ireo tombo-kase efatra voalohany?
32 Nisy antso hoe: ‘Avia!’ foana, rehefa novahana ireo tombo-kase efatra voalohany. Nisy soavaly sy ny mpitaingina azy foana koa, nivoaka avy eo. Tsy mandre antso toy izany intsony isika, manomboka eo amin’ny tombo-kase fahadimy. Mirifatra ihany anefa ireo mpitaingin-tsoavaly ireo, ary mbola hanao izany, mandra-pifaranan’ity tontolo ity. (Ampitahao amin’ny Matio 28:20.) Inona no zava-mitranga ahariharin’i Jesosy, rehefa vahany ireo tombo-kase telo farany? Tsy hitan’ny mason’ny olona ny sasany amin’izy ireo. Hita maso kosa ny sasany, saingy mbola amin’ny hoavy. Azo antoka anefa ny fahatanterahan’izy ireo. Andeha hojerentsika izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mariho anefa fa manana “satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo” ilay “vehivavy” ao amin’ny Apokalypsy 12:1.
b Mba hahitana porofo amin’ny an-tsipiriany fa nandray Fanjakana tamin’ny 1914 i Jesosy, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 215-218, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
c Maro ny fandikan-teny mandika azy io hoe “mbola haharesy” (Fandikan-teny Protestanta, Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara) na “ndeha handresy” (Fandikan-teny Katolika). Manondro fahavitana na fifaranana anefa ilay filazam-potoana grika ampiasaina eto. Izany no ilazan’i Robertson toy izao ao amin’ilay boky hoe Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Manondro fandresena farany ilay filazam-potoana eto.”
d Vola madinika romanina, nilanja 3,85 grama.
[Efajoro, pejy 92]
Mandresy Ilay Mpanjaka Mitaingin-tsoavaly
Teo anelanelan’ny 1930 sy 1950, dia nataon’ny fahavalo izay hiheveran’ny olona fa fandikan-dalàna sy fanonganam-panjakana ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Salamo 94:20) Vavolombelona 1 149, ohatra, no fantatra fa nosamborina tany Etazonia, tamin’ny 1936 fotsiny. Nampakatra fitsarana hatrany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina ny Vavolombelona. Ireto ny sasany amin’ireo fandresena niavaka azon’izy ireo:
3 Mey 1943: Namoaka didy ny Fitsarana Tampony, tamin’ny raharaha Murdock miady amin’i Pennsylvanie, fa tsy mila taratasy fahazoan-dalana ny Vavolombelona mba hametrahana boky sy hangatahana vola ho takalony. Navoaka tamin’io andro io koa ny didy momba ny raharaha Martin miady amin’ny Tanànan’i Struthers. Voalaza tamin’izany fa tsy fandikan-dalàna ny mampaneno lakolosim-baravarana, rehefa mandeha isan-trano mba hizarana taratasy fanasana na zavatra hafa.
14 Jona 1943: Notapahin’ny Fitsarana Tampony, tamin’ny raharaha Taylor miady amin’i Mississippi, fa tsy mampirisika ny olona hivadika amin’ny fitondram-panjakana ny fitorian’ny Vavolombelona. Nolazain’ny Fitsarana tamin’io andro io koa, tamin’ny raharaha Filan-kevitry ny Fampianaran’i Virginie Andrefana miady amin’i Barnette, fa tsy manan-jo handroaka an’ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah tsy mety manangan-tsaina ny sekoly. Ny ampitson’io avy hatrany ny Fitsarana Tampon’i Aostralia dia nanala ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay tany. Nolazainy fa “fanamparam-pahefana sy tsy ara-drariny ary jadona” ilay fandrarana.
[Efajoro, pejy 94]
“Navela Hanaisotra ny Fandriampahalemana Amin’ny Tany”
Mitondra mankaiza ny fandrosoana? Avy amin’ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy) any Toronto, Kanada, nivoaka tamin’ny 22 Janoary 1987, ny zavatra voalaza manaraka eto. Tsy inona izy io fa ampahan’ny lahateny nataon’i Ivan Head, prezidàn’ny Foibem-pikarohana Iraisam-pirenena Momba ny Fampandrosoana:
“Tombanana ho ny ampahefatry ny mpahay siansa sy ny teknisianina eran-tany no miasa amin’ny fikarohana sy fampandrosoana mifandray amin’ny fitaovam-piadiana. ... Vola maherin’ny 1 500 000 dolara [Ar 3 150 000 000 eo ho eo] isa-minitra no lanin’izy ireo, tamin’ny 1986. ... Nitondra fandriampahalemana ho antsika ve izany fikarohana izany? Ny fitaovam-piadiana niokleary ananan’ireo firenena matanjaka dia avo 6 000 heny amin’ny vanja rehetra nampiasain’ireo mpiady tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, izany hoe azo averina in-6 000 ny Ady Lehibe Faharoa. Roa volana latsaka monja no tsy nisy ady taorian’ny 1945. Ady iraisam-pirenena na ady an-trano 150 mahery no niseho, ka tombanana ho 19,3 tapitrisa ny maty tamin’izany. Ny ankamaroan’izy ireo dia maty vokatr’ireo teknolojia vaovao, nipoitra tao anatin’izao andron’ny Firenena Mikambana izao.”
Nahatratra 20 tapitrisa mahery ny olona matin’ny ady, araka ny tatitra tamin’ny 2005.
[Efajoro, pejy 98, 99]
Firafitry ny Bokin’ny Apokalypsy
Efa lasa lavitra ihany ny fandinihantsika ny bokin’ny Apokalypsy, ka manomboka hitantsika mazava kokoa ny firafiny. Misy teny fampidirana mahafinaritra ilay boky (Apokalypsy 1:1-9). Azo zaraina ho fahitana 16 ny tohiny, ka ireto avy izany:
1 (1:10–3:22): Teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina i Jaona, ka nahita an’i Jesosy be voninahitra, nandefa hafatra mirakitra torohevitra feno fitiavana ho an’ireo fiangonana fito.
2 (4:1–5:14): Fahitana be voninahitra momba ny seza fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra any an-danitra. Manolotra horonam-boky ho an’ilay Zanak’ondry Izy.
3 (6:1-17): Vahan’ilay Zanak’ondry ny tombo-kase enina voalohany amin’ilay horonam-boky, ka aharihariny tsikelikely amin’ny alalan’ny fahitana maro ny zavatra tsy maintsy hitranga amin’ny andron’ny Tompo. Mirifatra ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy, mahazo akanjo fotsy ireo mpanompon’Andriamanitra maty maritiora, ary hazavaina ny momba ilay andro lehiben’ny fahatezerana.
4 (7:1-17): Mihazona ny rivotry ny fandringanana ny anjely, mandra-panisy tombo-kase ny Israely ara-panahy 144 000. Milaza ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra fa avy amin’Andriamanitra sy Kristy ny famonjena azy ireo. Angonina mba hotsimbinina amin’ny fahoriana lehibe izy ireo.
5 (8:1–9:21): Vahana ny tombo-kase fito, ary tsofina tsirairay ny trompetra fito. Ny enina amin’ireo no tsofina amin’ny fahitana fahadimy. Manambara ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny olombelona ireo trompetra enina ireo. Mampiditra ny loza voalohany sy faharoa kosa ny trompetra fahadimy sy fahenina.
6 (10:1–11:19): Manome horonam-boky kely ho an’i Jaona ny anjely mahery iray, refesina ny tempoly, ary hazavaina ny momba ireo vavolombelona roa. Tsofina ny trompetra fahafito amin’ny farany. Manambara ny loza fahatelo ho an’ny fahavalon’Andriamanitra izany, dia ny fahatongavan’ny Fanjakan’i Jehovah sy ny Kristiny.
7 (12:1-17): Niorina ilay Fanjakana, ka natsipin’i Mikaela ho etỳ an-tany i Satana, na ilay menarana.
8 (13:1-18): Mivoaka avy ao amin’ny ranomasina ilay bibidia mahery, ary mampirisika ny olona hivavaka amin’izy io ny biby iray manan-tandroka roa toy ny an’ny zanak’ondry.
9 (14:1-20): Fahitana mahavariana momba ny 144 000 eo amin’ny Tendrombohitra Ziona. Re eran-tany ny hafatra avy amin’ny anjely, otazana ny voaloboky ny tany, ary hitsahina ilay famiazam-boaloboka, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.
10 (15:1–16:21): Aseho indray ilay fitsarana any an-danitra, ary araraka eto an-tany ny vilia fito misy ny fahatezeran’Andriamanitra. Mifarana amin’ny faminaniana momba ny faran’ny tontolon’i Satana koa ity fizarana ity.
11 (17:1-18): Mitaingina bibidia mena midorehitra ilay mpivaro-tena lehibe, na i Babylona Lehibe. Nalefa vetivety tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka io bibidia io, nefa nivoaka avy tao ka nandringana azy.
12 (18:1–19:10): Ambara ny fianjeran’i Babylona Lehibe sy ny fandringanana azy farany. Misy mitomany, ary misy midera an’i Jehovah, rehefa rava izy. Ambara ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.
13 (19:11-21): Mitarika ny tafika any an-danitra i Jesosy mba hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ny tontolon’i Satana sy ny tafiny ary ny mpanohana azy. Lasa sakafon’ny vorona ny fatin’izy ireo.
14 (20:1-10): Alefa ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana Devoly, manjaka mandritra ny arivo taona i Kristy sy ireo mpiara-manjaka aminy, tsapaina farany ny olombelona, ary ringanina i Satana sy ny demoniany.
15 (20:11–21:8): Fananganana amin’ny maty sy Andro Fitsarana lehibe. Miseho ny lanitra sy tany vaovao, ka mahazo fitahiana mandrakizay ny olona marina.
16 (21:9–22:5): Ny fahitana be voninahitra momba an’i Jerosalema Vaovao, vadin’ny Zanak’ondry, no miavaka indrindra ao amin’ny Apokalypsy. Avy amin’io tanàna io ny fanasitranana sy fiainana omen’Andriamanitra ny olombelona.
Mifarana amin’ny teny mampahery sy torohevitra avy amin’i Jehovah, sy Jesosy, sy ilay anjely, ary Jaona, ny Apokalypsy. Asaina ny rehetra hoe: “Avia!”—Apokalypsy 22:6-21.