TOKO FAHAVALO
Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao
1-3. a) Avy aiza no iavian’ireo fitaomana mandrava izay mandrahona ny fianakaviana? b) Fandanjalanjana inona no ilain’ny ray aman-dreny mba hiarovana ny fianakaviany?
MADIVA handefa ny zanakao lahy kely ho any am-pianarana ianao, ary mivatravatra ny orana. Ahoana no iatrehanao io tarehin-javatra io? Avelanao hivoaka ny varavarana tsy misy aro orana ve izy? Sa totofanao akanjo fiaro maro sosona aoka izany izy, ka zara raha afa-mihetsika? Mazava ho azy fa tsy manao na iza na iza amin’ireo ianao. Manome azy izay ilainy marina mba tsy ho lena, ianao.
2 Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny ray aman-dreny dia tsy maintsy mahita fomba voalanjalanja mba hiarovana ny fianakaviany amin’ireo fitaomana mandrava izay atototra azy ireo avy any amin’ny loharano maro — ny indostrian’ny fialam-boly, ny fampitam-baovao, ireo mitovy taona aminy ary ny sekoly mihitsy aza indraindray. Ny ray aman-dreny sasany dia tsy manao zavatra firy, na manao na inona na inona, mba hiarovana ny fianakaviany. Ny hafa indray, noho ny fiheverana fa saika ny fitaomana ivelany rehetra dia manimba, dia mangeja aoka izany, hany ka mahatsiaro ho toy ny sempotra ny zanany. Mety hisy ve ny eo anelanelan’ireo?
3 Eny, misy. Ny fanaovan-javatra tafahoatra dia tsy mandaitra no sady afaka miantso loza. (Mpitoriteny 7:16, 17). Ahoana anefa no hahitan’ny ray aman-dreny kristiana ny elanelany tsara mba hiarovana ny fianakaviany? Diniho ireto faritra telo ireto: ny fianarana sy ny fifaneraserana ary ny fanarian-dia.
IZA NO HAMPIANATRA IREO ZANAKAO?
4. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristiana ny fianarana?
4 Mihevitra ny fianarana ho sarobidy be ny ray aman-dreny kristiana. Fantany fa ny fianarana any an-tsekoly dia hanampy ny zanany hamaky teny sy hanoratra ary hifampiresaka amin’ny hafa, ary koa handamina zava-manahirana. Tokony hampianatra azy ireo ny fomba fianatra koa izy io. Ireo fahaizana azon’ny ankizy any am-pianarana dia afaka ka manampy azy hahomby, na dia eo aza ireo zava-tsarotr’itỳ tontolo amin’izao andro izao itỳ. Ambonin’izany, ny fianarana tsara azony dia mety hanampy azy ireo hanao asa faran’izay tsara. — Ohabolana 22:29.
5, 6. Ahoana no mety hifampikasohan’ny ankizy any am-pianarana amin’ny fanazavana voaolana momba ny raharaha ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy?
5 Kanefa, ny sekoly dia mampifandray ny ankizy amin’ny ankizy hafa — izay manana fomba fihevitra voaolana ny maro aminy. Ohatra, diniho ny fomba fihevitr’izy ireo momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ary ny fari-pitondran-tena. Tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray tany Nizeria, ny zazavavy iray naloto fitondran-tena dia nanome torohevitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy an’ireo mpiara-mianatra taminy. Liana be izy ireo nihaino azy, na dia feno zavatra tsy nisy fotony izay notsimponiny avy tao anaty boky porno, aza ny heviny. Nanandrana ny toroheviny ny sasany tamin’ireo zazavavy ireo. Ho vokany, dia nanjary bevohoka tsy nanambady ny zazavavy iray ary maty noho ny fanalana zaza nataon’ny tenany ihany.
6 Mampalahelo ny milaza fa ny sasany amin’ireo fanazavana tsy marina any am-pianarana dia tsy avy amin’ny ankizy, fa avy amin’ny mpampianatra. Ray aman-dreny maro no kivy ratsy rehefa mampianatra ny zanany momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, tsy misy fanomezana fanazavana momba ny fari-pitsipika sy ny andraikitra ara-pitondran-tena, ireo sekoly. Hoy ny renin’ny zazavavy kely 12 taona: “Mipetraka eo amin’ny faritra mpivavaka be sy mpandala ny nentin-drazana izahay, kanefa ao amin’ny lise eto an-toerana mihitsy ry zareo no mizara kapaoty anglisy ho an’ny ankizy!” Nanjary feno fanahiana izy sy ny vadiny rehefa reny fa nahazo fanasana hanao firaisana avy tamin-jazalahy nitovy taona taminy ilay zanany vavy. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny miaro ny fianakaviany amin’ny fitaoman-dratsy toy izany?
7. Ahoana no mety hanoherana ny fanazavana tsy marina momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, amin’ny fomba tsara indrindra?
7 Moa ve ny miaro ny ankizy amin’ny tsy fanononana mihitsy raharaha momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, no tsara indrindra? Tsia. Tsara kokoa raha ny tenanao no mampianatra ny zanakao momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. (Ohabolana 5:1). Marina fa any amin’ny faritra sasany any Eoropa sy Amerika Avaratra, dia ray aman-dreny maro no mihodivitra io foto-kevitra io. Toy izany koa, atỳ amin’ny tany afrikana sasany, dia mahalana ny ray aman-dreny vao miresaka momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy amin’ny zanany. “Tsy anisan’ny kolontsaina afrikana ny fanaovana izany”, hoy ny ray iray any Sierra Leone. Mihevitra ny ray aman-dreny sasany fa ny fampianarana ny zanany momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia fanomezana azy ireo hevitra izay hitarika azy ireo ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena! Ahoana anefa no fomba fihevitr’Andriamanitra?
NY FOMBA FIHEVITR’ANDRIAMANITRA MOMBA NY MAHA-LAHY SY NY MAHA-VAVY
8, 9. Fanazavana tsara dia tsara inona ny amin’ny raharaha momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy no hita ao amin’ny Baiboly?
8 Ataon’ny Baiboly mazava fa tsy misy na inona na inona mahamenatra amin’ny firesahana momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ao anatin’ny faritra mety. Teo amin’ny Isiraely, dia nasaina niangona ny vahoakan’Andriamanitra, anisan’izany ny “ankizy madinika”, mba hihaino ny famakiana tamin’ny feo avo ny Lalàn’i Mosesy. (Deoteronomia 31:10-12; Josoa 8:35, NW ). Ny Lalàna dia tsy niolakolaka nanonona raharaha momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy sasantsasany, anisan’izany ny fadimbolana, ny firarahan’ny tsirilahy, ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy (na ny samy vehivavy), ny firaisana amin’ny havana akaiky ary ny firaisana amin’ny biby. (Levitikosy 15:16, 19, NW; 18:6, 22, 23; Deoteronomia 22:22). Taorian’ny famakian-teny toy izany, dia tsy isalasalana fa nanan-javatra maro hohazavaina tamin’ireo zanany kely be fanontaniana ireo ray aman-dreny.
9 Misy andalan-teny ao amin’ny toko fahadimy sy fahenina ary fahafito amin’ny Ohabolana izay mampita torohevi-dray aman-dreny feno fitiavana momba ny loza amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Ireo andinin-teny ireo dia mampiseho fa mety hanintona indraindray ny fahalotoam-pitondran-tena. (Ohabolana 5:3; 6:24, 25; 7:14-21). Mampianatra anefa izy ireo fa ratsy sy miteraka vokatra mandoza izy io. Manolotra tari-dalana koa izy ireo mba hanampiana ny tanora hanalavitra ny lalan’ny fahalotoam-pitondran-tena. (Ohabolana 5:1-14, 21-23; 6:27-35; 7:22-27). Ankoatra izany, ny fahalotoam-pitondran-tena dia ampifanoherina amin’ny fahafaham-po entin’ny fahafinaretana amin’ny firaisana ao amin’ny faritra natao ho azy, dia ny fanambadiana. (Ohabolana 5:15-20). Modelim-pampianarana tsara dia tsara re izany mba harahin’ny ray aman-dreny!
10. Nahoana ny fanomezana fahalalana araka an’Andriamanitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ho an’ny ankizy no tsy tokony hitarika azy ireo ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?
10 Moa ve mitarika ny ankizy ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena ny fampianarana toy izany? Mifanohitra amin’izany kosa, fa hoy ny ampianarin’ny Baiboly: “Ny fahalalana no hanafahana ny marina.” (Ohabolana 11:9). Moa ve ianao tsy maniry hanafaka ny zanakao amin’ireo fitaoman’itỳ tontolo itỳ? Hoy ny ray iray: “Hatramin’ny naha-tena mbola kely ny zanakay, dia niezaka ny tsy hiolakolaka mihitsy tamin’izy ireo izahay, raha ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Noho izany fomba izany, rehefa nahare ny ankizy hafa niresaka momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy izy ireo, dia tsy liana ta hahalala. Tsy zava-miafina taminy ilay izy.”
11. Ahoana no ahafahana mampianatra miandalana ny ankizy momba ireo raharaha miafin’ny fiainana?
11 Araka ny nomarihina tao amin’ireo toko teo aloha, ny fampianarana momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia tokony hatomboka aloha be. Rehefa mampianatra an’ireo ankizy kely ny anaran’ireo faritra amin’ny vatana ianao, dia aza lalovana fotsiny ireo faritra miafina eo aminy, toy ny hoe misy mahamenatra ny amin’izy ireny. Ampianaro azy ireo ny tena anaran’izy ireny. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tena ilaina ny lesona momba ny fihazonana azy ireny ho miafina sy hisy fetrany. Tsara kokoa rehefa ny ray sy ny reny no samy mampianatra ny zanany fa ireny faritra amin’ny vatana ireny dia manokana, ka mazàna no tsy tokony hokasihin’ny hafa na haseho amin’ny hafa, ary tsy tokony horesahina amin’ny fomba ratsy na oviana na oviana. Rehefa mihalehibe kokoa ireo ankizy, dia tokony hampahafantarina ny fomba hiraisan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mba hahatorontoronina ny zaza iray. Amin’ny fotoana anombohan’ny vatany hiditra ny fahamaotiana, dia efa tokony ho fantany tsara ireo fiovana tokony hampoiziny. Araka ny noresahina tao amin’ny Toko Faha-5, izany fampianarana izany koa dia afaka manampy mba hiarovana ny zanakao amin’ny fametavetana. — Ohabolana 2:10-14.
NY ENTIMODY ANANAN’NY RAY AMAN-DRENY
12. Fomba fihevitra voaolana inona avy no ampianarina matetika any am-pianarana?
12 Ny ray aman-dreny dia mila ny ho vonona ny hanohitra ireo hevi-diso hafa mety hampianarina any an-tsekoly — filozofia araka an’izao tontolo izao toy ny evolisiona, ny fanindrahindram-pirenena na ny fiheverana hoe tsy misy fahamarinana hentitra. (1 Korintiana 3:19; ampitahao amin’ny Genesisy 1:27; Levitikosy 26:1; Jaona 4:24; 17:17.) Manam-pahefan’ny sekoly tso-po maro no manome lanjany be loatra ho an’ny fanohizana ny fianarana. Na dia safidin’ny tena manokana aza ny raharaha ny amin’ny fianarana fanampiny, ny mpampianatra sasany dia mino fa izany no hany lalana ho amin’ny fahombiazan’ny tena manokana.a — Salamo 146:3-6.
13. Ahoana no ahafahan’ny ankizy mankany am-pianarana, ho voaro amin’ny hevi-diso?
13 Raha tian’ny ray aman-dreny ny hanohitra ny fampianarana diso na voaolana, dia tsy maintsy mahafantatra izy ireo hoe inona marina ny fampianarana azon’ny zanany. Ry ray aman-dreny, tadidio àry fa manana entimody koa ianareo! Mampisehoa tena fahalianana marina amin’ny fianaran’ny zanakareo any an-tsekoly. Miresaha aminy aorian’ny sekoly. Anontanio ny amin’izay ianarany, izay tiany indrindra, izay hitany fa zava-tsarotra indrindra. Jereo ireo entimody sy fanamarihana ary vokatry ny fitsapam-pahaizana. Miezaha hahafantatra ireo mpampianatra azy. Ampahafantaro an’ireo mpampianatra fa mankasitraka ny asan’izy ireo ianao no sady maniry hitondra fanampiana amin’izay fomba rehetra ahafahanao manao izany.
IREO NAMAN’NY ZANAKAO
14. Nahoana no lehibe dia lehibe ny hifidianan’ny ankizy matahotra an’Andriamanitra, namana tsara?
14 “Taiza koa no nahazoanao an’izany?” Firifiry moa ny ray aman-dreny nametraka izany fanontaniana izany, noho izy ireo nihoron-koditra noho ny zavatra iray nolazain’ny zanany na nataony ka toa manaitra tanteraka? Ary impiry moa ny valin-teny no milaza ny amin’ny namana vaovao iray any am-pianarana na eo amin’ny manodidina? Eny, misy fiantraikany lalina eo amintsika ny namantsika, na tanora isika na antitra. Hoy ny nampitandreman’ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; [manimba ny fahazarana mahasoa ny fifaneraserana ratsy, NW ].” (1 Korintiana 15:33 Ohabolana 13:20). Ny tanora indrindra indrindra no mora voan’ny faneren’ny mitovy taona aminy. Mirona tsy hatoky ny tenany izy ireo ary indraindray dia mety hahatsiaro ho resin’ny faniriana hampifaly sy hampikoy ireo namany. Lehibe dia lehibe toy inona àry ny hifidianan’izy ireo namana tsara!
15. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mitarika ny zanany eo amin’ny fifidianana namana?
15 Araka ny fantatry ny ray (sy ny reny) tsirairay, dia tsy hoe hanao safidy tsara foana akory ny ankizy; mila tari-dalana izy ireo. Izany akory tsy hoe fifidiananao ireo namany ho azy. Eo am-pihalehibeazany kosa, dia ampianaro ny fahaiza-manavaka izy ary ampio hahita izay toetra tokony hoheveriny ho sarobidy ao amin’ny namana. Ny toetra lehibe indrindra dia ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fitiavana ny fanaovana izay mahitsy eo imasony. (Marka 12:28-30). Ampianaro izy ho tia sy hanaja ireo izay manao ny marina, manana hatsaram-panahy, fahalalahan-tanana, fahazotoana. Mandritra ny fianaram-pianakaviana, dia ampio ny zanakao hahita ny toetra toy izany ao amin’ireo olona resahina ao amin’ny Baiboly ary avy eo dia hahita ireo lafin-toetra ireo ihany ao amin’ny olona ao amin’ny kongregasiona. Mamelà ohatra amin’ny fampiasana izany fari-pitsipika izany ihany eo amin’ny fifidianan’ny tenanao ireo namanao.
16. Ahoana no mety hanarahan’ny ray aman-dreny maso ny fifidianan’ny zanany namana?
16 Fantatrao ve hoe iza avy ireo naman’ny zanakao? Nahoana raha manasa ny zanakao hitondra azy ireo ao an-trano mba hahafahanao hahafantatra azy ireny? Ho azonao atao koa ny hanontany ny zanakao ny amin’izay eritreretin’ny ankizy hafa momba ireny namana ireny. Moa ve izy ireny fantatra ho tsy mivadika amin’ny fahitsiana sa ho manana fiainana roa sosona? Raha itỳ farany no marina, dia ampio ny zanakao hanjohy hevitra ny amin’ny hoe nahoana no mety hitondra fahavoazana ho azy ny fifaneraserana toy izany. (Salamo 26:4, 5, 9-12). Raha mahamarika fiovana tsy faniry eo amin’ny fitondran-tenan’ny zanakao, ny akanjony, ny fihetsiny, na ny fiteniny ianao, dia mety hila ny hiresaka aminy momba ireo namany. Mety handany fotoana iarahana amin’ny namana iray izay mampihatra fitaomana tsy manorina, ny zanakao. — Ampitahao amin’ny Genesisy 34:1, 2.
17, 18. Ankoatra ny fampitandremana amin’ny naman-dratsy, fanampiana azo ampiharina inona no azon’ny ray aman-dreny omena?
17 Kanefa tsy ampy ny mampianatra fotsiny ny zanakao hoe tokony hanalavitra ny naman-dratsy izy. Ampio izy hahita namana tsara. Hoy ny ray iray: “Niezaka ny hanao zavatra hafa ho solony foana izahay. Koa rehefa naniry ny hidiran’ny zanakay lahy tao amin’ny ekipa mpanao baolina àry ny sekoliny, dia niara-nipetraka taminy izahay mivady, ary niresaka momba ny hoe nahoana no tsy ho hevitra tsara izany — noho ireo namana vaovao hiarahany. Avy eo anefa izahay dia nanipy hevitra ny hanasa ny sasany tamin’ireo ankizy hafa tao amin’ny kongregasiona sy ny hitondra azy rehetra tany amin’ny zaridainam-bahoaka mba hilalao baolina. Ary dia nety tsara ilay izy.”
18 Ny ray aman-dreny hendry dia manampy ny zanany mba hahita namana tsara sy mba hiara-manao fanarian-dia madio amin’izy ireo. Ho an’ny ray aman-dreny maro anefa, dia manome zava-tsarotra manokana io raharaha momba ny fanarian-dia io.
KARAZANA FANARIAN-DIA INONA?
19. Ohatra ara-baiboly inona avy no mampiseho fa tsy fahotana ny hananan’ny fianakaviana fotoana mahafinaritra?
19 Moa ve ny Baiboly manameloka ny fananana fotoana mahafinaritra? Tsy izany velively! Milaza ny Baiboly fa ‘ao ny andro ihomehezana sy ny andro andihizana’.b (Mpitoriteny 3:4). Ny vahoakan’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahiny dia tia mozika sy dihy, lalao ary ankamantatra. I Jesosy Kristy dia nanatrika fampakaram-bady lehibe iray ary koa “fanasana lehibe” iray izay nomanin’i Matio Levy ho azy. (Lioka 5:29; Jaona 2:1, 2). Mazava fa tsy mpandrava fifaliana mihitsy i Jesosy. Enga anie ny fihomehezana sy ny fotoana mahafinaritra ka tsy hoheverina ho fahotana na oviana na oviana ao amin’ny ankohonanao!
Ny fanarian-dia voafidy tsara, toy itỳ fandehanan’ny fianakaviana milasy itỳ, dia afaka manampy ny ankizy hianatra sy hitombo ara-panahy
20. Inona no tokony hotazonin’ny ray aman-dreny ao an-tsaina rehefa manome fanarian-dia ho an’ny fianakaviany izy ireo?
20 I Jehovah dia “Andriamanitra finaritra”. (1 Timoty 1:11). Koa ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah àry dia tokony ho loharanom-pahafinaretana, fa tsy zavatra manala ny fifaliana eo amin’ny fiainana akory. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 16:15.) Ny ankizy, amin’ny maha-ankizy azy, dia feno aina sy hery izay azo avoaka amin’ny alalan’ny lalao sy ny fanarian-dia. Ny fanarian-dia voafidy tsara dia mihoatra noho ny fotoana mahafinaritra. Izany dia fomba ianaran’ny zaza iray sy ahatongavany ho matotra. Ny loham-pianakaviana dia tompon’andraikitra ny amin’ny fanomezana izay ilain’ny ankohonany amin’ny zavatra rehetra, anisan’izany ny fanarian-dia. Kanefa, takina ny fandanjalanjana.
21. Fandrika inona avy no hita ao amin’ny fanarian-dia amin’izao andro izao?
21 Amin’izao “andro farany” feno zava-manahirana izao, ny fitambaran’olona dia feno olona izay “tia fahafinaretana fa tsy (...) tia an’Andriamanitra”, tsy misy hafa amin’ny nolazain’ny Baiboly tao amin’ny faminaniana. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ho an’ny maro, dia ny fanarian-dia no zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Maro be aoka izany ny fialam-boly misy, ka afaka ny hanakona zavatra lehibe kokoa mora foana izy io. Ankoatra izany, dia be dia be amin’ny fialam-boly maoderina no manasongadina ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny herisetra, ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny fanao miharihary fa manimba. (Ohabolana 3:31, NW ). Inona no azo atao mba hiarovana ireo tanora amin’ny fialam-boly manimba?
22. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampiofana ny zanany hanao fanapahan-kevitra feno fahendrena raha ny amin’ny fanarian-dia?
22 Mila manoritra fetra sy fameperana ny ray aman-dreny. Mihoatra noho izany anefa, fa izy ireo dia mila ny hampianatra ny zanany ny fomba hitsarana hoe fanarian-dia inona no manimba sy ny fomba hahafantarana hoe tonga hatraiza ny hoe be loatra. Mitaky fotoana sy ezaka ny fampiofanana toy izany. Diniho ny ohatra iray. Nahamarika ny rain’ny zazalahy roa fa nihaino radio vaovao iray matetika dia matetika ilay zanany lahimatoa. Koa, teo am-pamiliana ny kamiaony ho any am-piasana indray andro àry, ilay ray dia nandefa io radio io koa. Nijanona tsindraindray izy mba handraisana an-tsoratra vetivety ny tonon’ny hira sasany. Tatỳ aoriana izy dia niara-nipetraka tamin’ireo zanany lahy ary niresaka momba izay reny. Nametraka fanontaniana momba ny fomba fihevitra nanomboka tamin’ny hoe “Ahoana no fihevitrareo?”, izy, ary dia nihaino tamim-paharetana ny valin-tenin’izy ireo. Rehefa avy nanjohy hevitra momba ilay raharaha tamin’ny fampiasana ny Baiboly izy mirahalahy, dia nanaiky ny tsy hihaino an’iny radio iny.
23. Ahoana no mety hiarovan’ny ray aman-dreny ny zanany amin’ny fialam-boly tsy madio?
23 Ny ray aman-dreny kristiana hendry dia mamantatra ny mozika, ny fandaharana amin’ny televiziona, ny vidéocassettes, ny tantara an-tsary, ny lalao vidéo ary ny sarimihetsika, mahaliana ny zanany. Mijery ny sary eo amin’ny fonony, sy ireo tonony ary ny fonosany izy ireo, mamaky ireo tsikera an-gazety ary mijery sombintsombiny aminy. Maro no taitra mahita ny sasany amin’ireo “fialam-boly” natao ho an’ny ankizy amin’izao andro izao. Ireo izay maniry hiaro ny zanany amin’ny fitaomana maloto dia miara-mipetraka amin’ny fianakaviany ary miresaka momba ireo loza, amin’ny fampiasana ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, toy ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra sy lahatsoratra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!c Rehefa manoritra fetra hentitra ny ray aman-dreny, ka tsy miovaova ary mahalala ny antonona, dia mazàna izy ireo no mahita vokatra tsara. — Matio 5:37; Filipiana 4:5, NW.
24, 25. Inona avy no endriny madio sasany amin’ny fanarian-dia izay azon’ny fianakaviana iaraha-manao?
24 Mazava ho azy fa tapany iray monja amin’ilay ady atao ny famerana ny fampiasana ireo endriny manimba amin’ny fanarian-dia. Tsy maintsy toherina amin’ny tsara ny ratsy, raha tsy izany dia mety hivily ho any amin’ny lalan-dratsy ny ankizy. Fianakaviana kristiana maro no manana fahatsiarovana manafana ny fo sy sambatra tsy hita isa ny amin’ny fiaraha-nanao fanarian-dia — fanaovana pique-nique, fitsangantsanganana, filasiana, fanaovana kilalao sy spaoro, fandehanana mitsidika havana na namana. Ny sasany nahita fa ny fiaraha-mamaky teny amin’ny feo avo ho fialana voly fotsiny dia loharanom-pahafinaretana sy fampiononana lehibe. Ny hafa faly milaza tantara mampihomehy na mahaliana. Ny hafa ihany koa niara-namorona zavatra ankafiziny manokana, ohatra, ny asa sokitra hazo sy ny asa tanana hafa, ary koa ny fitendrena zavamaneno, ny fanaovana sary hoso-doko, na ny fianarana momba ny zavatra noforonin’Andriamanitra. Ny ankizy izay mianatra ny hankafy fanarian-dia toy izany dia voaro amin’ny fialam-boly maloto maro, ary mianatra fa ny fanarian-dia akory tsy fipetrahana fotsiny tsy manao na inona na inona ka hoe ny hafa no hampiala voly ny tena. Mahafinaritra kokoa noho ny mitazana matetika ny mandray anjara.
25 Ny fiaraha-mikorana koa dia afaka ny ho endriny mahafa-po iray amin’ny fanarian-dia. Rehefa voara-maso tsara izy ireny ka tsy be olona loatra na mandany fotoana loatra, dia afaka manome mihoatra noho ny fotoana mahafinaritra fotsiny ho an’ny zanakao. Afaka manampy hanamafy ny fehim-pitiavana ao amin’ny kongregasiona izy ireny. — Ampitahao amin’ny Lioka 14:13, 14; Joda 12.
AFAKA MAHARESY IZAO TONTOLO IZAO NY FIANAKAVIANAO
26. Raha ny amin’ny fiarovana ny fianakaviana amin’ny fitaomana tsy madio, inona moa no toetra lehibe indrindra?
26 Tsy misy iadian-kevitra fa ny fiarovana ny fianakavianao amin’ireo fitaomana mandravan’izao tontolo izao dia mitaky ezaka mafy be dia be. Misy zavatra iray anefa izay, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, dia hahatonga ny fahombiazana hety. Izany dia ny fitiavana! Ny fehim-pianakaviana akaiky sy feno fitiavana dia hahatonga ny tokantranonao ho toeram-pialofana voaro ary hampandroso ny fifampiresahana, izay fiarovana lehibe amin’ny fitaoman-dratsy. Ankoatra izany, dia zava-dehibe kokoa aza ny fambolena karazam-pitiavana iray hafa — ny fitiavana an’i Jehovah. Rehefa vonton’io fitiavana io ny fianakaviana, ny ankizy dia azo inoana fa hihalehibe hankahala ilay eritreritra fotsiny hoe tsy hampifaly an’Andriamanitra amin’ny fanekena ho resin’ireo fitaoman’izao tontolo izao. Ary ny ray aman-dreny izay tia an’i Jehovah amin’ny fony dia hitady ny hanahaka ny toetrany feno fitiavana sy mahalala ny antonona ary voalanjalanja. (Efesiana 5:1; Jakoba 3:17). Raha manao izany ny ray aman-dreny, ny zanany dia tsy hanana antony hiheverana fa ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah dia lisitr’ireo zavatra tsy azony atao fotsiny, na hoe fomba fiaina tsy misy zavatra mahafinaritra na fihomehezana, izay tiany handosirana haingana araka izay azo atao. Ho hitany kosa fa ny fanompoana an’Andriamanitra no fomba fiaina sambatra indrindra sy feno indrindra misy.
27. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana iray maharesy izao tontolo izao?
27 Ny fianakaviana izay mitoetra ho tafaray ao amin’ny fanompoana sambatra sy voalanjalanja atao amin’Andriamanitra, ka miezaka mafy amin’ny fony rehetra mba hitoerana ho “tsy manan-tsiny amam-pondro” avy amin’ireo fitaomana manimban’itỳ tontolo itỳ, dia loharanom-pifaliana ho an’i Jehovah. (2 Petera 3:14; Ohabolana 27:11). Ny fianakaviana toy izany dia manaraka ny dian’i Jesosy Kristy, izay nahatohitra ny ezaka rehetra nataon’ny tontolon’i Satana mba handoto azy. Teo amin’ny faramparan’ny fiainan’olombelona nananany, i Jesosy dia afaka nilaza hoe: “Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). Enga anie ny fianakavianao koa haharesy izao tontolo izao ka hankafy ny fiainana mandrakizay!
a Momba ny firesahana ny amin’ny fianarana fanampiny, dia jereo ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fampianarana, natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy 4-7.
b Ny teny hebreo nadika hoe ‘mihomehy’ eto dia azo adika, amin’ny endriny hafa, hoe ‘milalao’, ‘manolotra zava-mampiala voly’, ‘mankalaza’, na hoe ‘manana fotoana mahafinaritra’ mihitsy aza.
c Natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.