Manome Hery Mihoatra Noho ny Mahazatra i Jehovah
1 Nampiandraiketina ny mpianatr’i Jesosy rehetra ny tombontsoa sarobidin’ny fanompoana masina, dia ny fanompoana kristiana. (Matio 24:14; 28:19, 20). Indraindray anefa ny tsy fahatanterahan’olombelona sy ireo faneren’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia mety hahatonga antsika hihevi-tena ho tsy mahay loatra.
2 Rehefa mitranga izany, dia afaka mahita fampaherezana avy amin’ny taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristiana voahosotra tany Korinto isika. Izao no nosoratany: “Manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay”. (2 Kor. 4:7). Natoky i Paoly: “Satria manana izany fanompoana izany izahay, (...) dia tsy ketraka”. (2 Kor. 4:1). Marina fa zava-tsarotra ho antsika tsirairay, na voahosotra isika na anisan’ny “ondry hafa”, ny manohy manambara ny vaovao tsara ka tsy ho “ketraka”. Mila hery avy amin’Andriamanitra, izay manome “hery mihoatra noho ny mahazatra”, isika. — Jaona 10:16; 2 Kor. 4:7b, NW.
3 Mampahery fa Vavolombelona maro no mpitory ny vaovao tsara be zotom-po na dia tsy maintsy miatrika fanenjehana mivaivay sy zava-manahirana lehibe ara-pahasalamana na fidiram-bola voafetra aza. Tsy maintsy mahatakatra isika rehetra fa mahazo ny fanohanan’i Jehovah ny fanendrena antsika mba hitory. Tsy hamela ny fahakiviana na ny fanahiana, hampahalemy ny fahatapahan-kevitsika mba hitory isika, fa andeha kosa hanohy “[hahazo hery, NW ] ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany”. — Efes. 6:10; Ohab. 24:10.
4 Ny fomba hahazoana ny herin’Andriamanitra: Mahareta amin’ny vavaka, amin’ny fangatahana ny fanampiana sy ny herin’Andriamanitra. (Rom. 12:12; Fil. 4:6, 7). Avy eo, amin’ny fonao rehetra, dia matokia an’i Jehovah mba hanome anao hery mihoatra noho ny mahazatra. (Ohab. 3:5). Vakio ireo tantaram-piainana amin’ny andro maoderina ao amin’ireo gazetintsika, satria manome porofo izy ireny fa manampy ireo mpanompony ankehitriny mba hiaritra fisedrana i Jehovah. Mitoera ho akaikin’ireo rahalahy ao amin’ny kongregasiona, ary aza manadino ireo fivorian’ny kongregasiona. — Rom. 1:11, 12; Heb. 10:24, 25.
5 Enga anie isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hahatonga antsika ho anisan’ireo hahazo ny herin’i Jehovah — hery mihoatra noho ny mahazatra — ka hanampy antsika tsy ho ketraka amin’ny fanaovana ny asa lehibe indrindra ho fitoriana ilay Fanjakana.