Aoka isika hanampy ny mpiara-belona amintsika hivavaka amin’Andriamanitra
“Raha (...) miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay (...) dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’Andriamanitra.” — 1 KORINTIANA 14:24, 25.
1-3. Ahoana moa no nanampiana Korintiana maro hahazo sitraka amin’Andriamanitra?
TAMIN’NY dia misonera faharoa nataony, dia nivahiny tany Korinto herintaona sy tapany ny apostoly Paoly. Tao amin’io tanàna io, dia ‘voaterin’ny teny Paoly ka nanao fanambarana’. Inona no vokatry ny asany? “Maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.” (Asa. 18:5-11.) Izy ireny dia “nohamasinina (...) voantso sady masina”. — 1 Korintiana 1:2.
2 Tatỳ aoriana i Apolosy dia tonga tany Korinto, fotoana fohy taorian’ny nanampian’i Prisila sy Akoila azy hahafantatra “marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra”, ankoatra ny zavatra hafa dia ny raharaha ny amin’ny batisa. Tamin’izany io kristiana io dia nanjary niharan’ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, nankasitrahany izy (Asa. 18:24 ka hatramin’ny 19:7). Tetsy an-daniny koa, Apolosy dia nanampy ireo Korintiana izay ‘voataona ho amin’ny sampy moana’ taloha. (1 Korintiana 12:2.) Azo inoana fa nahazo fampianarana araka ny Baiboly ireny olona ireny tany an-tokantranony, nefa afaka nampitombo ny fahalalany koa izy ireny tamin’ny famonjena fivoriana kristiana. — Asa. 20:20; 1 Korintiana 14:22-24.
3 Noho izany fampianarana izany, dia Korintiana maro be izay ‘tsy nino sy tsy nahay’ teo aloha no voasintona hanatona ny fanompoam-pivavahana marina. Azo antoka fa nahatsapa fahafahampo lalina ireo kristiana rehefa nahita ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy ireny nandroso hatreo amin’ny batisa sy nankasitrahan’Andriamanitra. Toy izany koa amin’izao androntsika izao.
Ny fomba hanampiana ‘ireo tsy mino sy tsy mahay’
4. Amin’izao androntsika izao, amin’ny fomba ahoana avy moa no anampiana olona maro toy ny nanaovana izany tamin’ireo tsy nino tany Korinto?
4 Amin’izao androntsika izao koa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka ny baikon’i Jesosy ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra ka hanao batisa azy’. (Matio 28:19, 20.) Rehefa avy namafy voan’ny fahamarinana tao amin’ireo fo tsara fikasa izy ireny dia miverina mba hanondraka izany (1 Korintiana 3:5-9; Matio 13:19, 23). Manipy hevitra amin’ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelona mba hianatra maimaimpoana ny Baiboly any an-tokantranony isan-kerinandro mba hahitana ny valin’ireo fanontaniany sy hahafantarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Asainy koa izy ireny mba ho any amin’ireo fivoriana ataony ao amin’ny faritra misy azy, toy ny nataon’ireo ‘tsy nino’ tamin’ny taonjato I tao amin’ny kongregasiona tany Korinto. Fa ahoana no tokony hiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo olona mianatra Baiboly sy manatrika ireo fivoriana?
5. Zavatra inona efa nitranga taloha voalazan’ny Baiboly moa no manosika antsika hiseho ho malina eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona sasany?
5 Faly isika mahita ireny olona ireny manatona an’Andriamanitra, nefa tsy hadinointsika fa tsy mbola mpino vita batisa akory izy ireny. Aoka hotadidiantiska koa ireo fianarana roa azo tsoahina avy amin’ny lahatsoratra teo aloha: 1) Niseho ho malina ny Isiraelita teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo vahiny izay, marina fa niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra sy nanaja lalàna sasany, nefa tsy proselyta voafora, tsy rahalahiny tao amin’ny fanompoam-pivavahana. 2) Nitandrin-tena ireo kristiana tany Korinto teo amin’ny fifandraisany tamin’ny ‘tsy nino sy ny tsy nahay’ noho izao tenin’i Paoly izao: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana?” — 2 Korintiana 6:14.
6. Ahoana no mety hahazoan’ny “tsy mino” “anatra” amin’ireo fivoriana, ary karazana anatra manao ahoana moa izany?
6 Araka izany, na dia mandray amin-kafanam-po ‘ny tsy mino sy ny tsy mahay’ aza isika, dia tsapantsika fa tsy mbola manaraka ireo fitsipik’Andriamanitra izy ireny. Araka ny asehon’ny Baiboly ao amin’ny 1 Korintiana 14:24, 25, dia mety hila ny ‘hotsaraina [hodinihina, MN ]’ na ‘hanarina’ mihitsy aza izy ireny amin’izay ianarany. Tsy fananarana manana endriny ara-pitsarana akory izany; tsy antsoina eo anatrehan’ny komity mpitsara ao amin’ny kongregasiona akory izy ireny, satria tsy mbola mpikambana vita batisa. Noho izay ianarany kosa, dia manjary miaiky ireny vaovao ireny fa melohin’Andriamanitra izay rehetra mety ho fitondrantena mampiseho fitiavan-tena sy maloto.
7. Maniry hanao fandrosoana hafa inona moa ny mpianatra ny Baiboly maro, ary nahoana?
7 Rehefa mandeha ny fotoana, dia olona tsy vita batisa maro be no maniry hanao mihoatra noho ny fihainoana tsara ao amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Manome ny antony ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka [nahazo fampianarana tanteraka, MN ] dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.” (Lioka 6:40). Tsapan’ny mpianatra ny Baiboly fa ilay mampianatra azy dia mihevitra ho zava-dehibe tokoa ny fitoriana ary mandray fifaliana lehibe avy amin’io asa io (Matio 24:14). Rehefa mitombo ny finoany, izay mianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy manatrika ireo fivoriana dia afaka mandatsaka am-po ireto teny ireto: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena.” (Isaia 52:7; Romana 10:13-15). Na dia tsy mbola vita batisa aza izy, dia angamba haniry ho tonga mpitory ilay Fanjakana amin’ny fiarahana amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
8, 9. a) Inona moa no tokony hatao rehefa maniry handray anjara ampahibemaso amin’ny fitoriana ny mpianatra ny Baiboly iray? b) Rehefa mivory miaraka amin’ny mety ho mpitory vaovao iray ny loholona roa, inona no tokony hataon’izy ireo? d) Inona moa no andraikitra iantsorohan’ny mpitory vaovao iray?
8 Rehefa fantatr’ilay Vavolombelona miara-mianatra amin’ny olona toy izany fa maniry handray anjara amin’ny fitoriana izy, dia horesahiny amin’ny mpiandraikitra prezidà izany. Hangataka amin’ny loholona roa io mba hihaona amin’izany mpianatra ny Baiboly izany sy ilay mampianatra azy. Faly ireo loholona rehefa misy olona maneho faniriana ny hanompo an’Andriamanitra. Tsy antenain’izy ireo ny hananany fahalalana betsaka tahaka ny an’ireo mpikambana vita batisa ao amin’ny kongregasiona sady efa miorina tsara ao amin’ny fahamarinana izay itakiana bebe kokoa. Ho tian’ireo loholona anefa ny hahazo antoka fa manana fahalalana sasany ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly ilay mpianatra ary nampifanaraka ny fiainany tamin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra alohan’ny hiarahana amin’ny kongregasiona eny amin’ny fitoriana. Misy antony tsara tokony hiarahan’ny loholona roa mivory amin’ilay ho tonga mpitory sy amin’ilay Vavolombelona miara-mianatra aminy àrya.
9 Hampahafantatra an’ilay mpianatra ireo loholona roa fa raha mahafeno ireo fepetra takina mba handraisana anjara amin’ny fitoriana ilay mpianatra ka mandray anjara amin’izany, dia afaka manome filazana asa. Hosokafana amin’ny anarany amin’izay ny taratasy fitahiry momba ny asan’ny mpitory, ao amin’ny fitehirizan-taratasin’ny kongregasiona. Izany dia hanamarika ny fikambanany amin’ny fandaminana teokratikan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanekeny izany (toy izany koa ny amin’izay rehetra manome filazana asa). Ny fiaraha-midinika dia hahafaoka torohevitra araka ny Baiboly toy ny hita ao amin’ilay Bokikely hoe Voalamina mba hanatanteraka ny fanompoantsikab. Izay angamba no fotoana mety mba handraisan’ilay mpianatra anankiray amin’io boky io.
10. a) Ahoana no azon’ny mpitory tsy vita batisa iray anohizana mandroso, ary noho ny fikendrena inona? b) Nahoana moa no mety ny hanovana ny fitenenana hoe “namana ankasitrahana”? (Jereo ny fanamarihana ambany amin’ny pejy.)
10 Izay rehetra mahafeno ireo fepetra takina mba hahatongavana ho mpitory ny vaovao tsara tsy vita batisa dia madiva ho tonga ‘olona ankasitrahana’c (Lioka 2:14.) Na dia mbola tsy nanolo-tena sy vita batisa aza izy, dia afaka manome filazana ny asa fanambarana nataony niaraka tamin’ireo mpitory an-tapitrisany maro izay ‘mitory ny tenin’Andriamanitra amin-jotom-po’ maneran-tany (Asa. 13:5; 17:3; 26:22, 23). Azo atao ny manao fampandrenesana mba hampahafantarana ny kongregasiona fa mpitory vaovao tsy vita batisa izy io. Ilainy rehefa avy eo ny manohy mianatra ny Baiboly, mandray anjara amin’ireo fivoriana, mampihatra izay nianarany sy mampita izany amin’ny hafa. Tsy ho ela, dia haniry hatao batisa izy; amin’izay izy dia hankasitrahan’Andriamanitra ary handray ny “marika” ho amin’ny famonjena. — Ezekiela 9:4-6.
Ny fanampiana tokony hoentina rehefa misy fahadisoana natao
11. Inona moa no ataon’ny kongregasiona rehefa manao fahotana lehibe ny anankiray amin’ireo mpikambana ao aminy vita batisa?
11 Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia noresahintsika ny amin’ny fanampiana tokony hoentina ho an’ny kristiana vita batisa iray izay manao fahadisoana lehibe (Hebreo 12:9-13). Hitantsika fa, araka ny filazan’ny Baiboly, raha tsy mibebaka izy dia mety ho voatarika handroaka azy ny kongregasiona, avy eo dia hanalavitra izay rehetra mety ho fifaneraserana aminy (1 Korintiana 5:11-13; 2 Jaona 9-11; 2 Tesaloniana 2:11, 12). Fa inona no hatao raha toa ny mpitory tsy vita batisa iray manao fahadisoana na fahotana lehibe?
12. a) Nahoana moa no tokony hampiana amim-pamindrampo koa ireo mpitory tsy vita batisa izay nanota? b) Inona no asehon’ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Lioka 12:48 raha ny amin’ny andraikitry ny mpanota iray?
12 Nampirisika ny kongregasiona i Joda mba hamindra fo amin’ireo kristiana voahosotra izay nanjary nisalasala na nanota, raha nibebaka izy ireny (Joda 22, 23; jereo koa 2 Korintiana 7:10). Moa ve tsy vao mainka mety kokoa ny hamindrana fo amin’ny mpanota tsy vita batisa iray izay nanota ka nibebaka (Asa. 3:19)? Eny, satria malemy kokoa ny fotony ara-panahy ary voafetra kokoa ny fanandraman-javatra efa hitany ny amin’ny fomba fiaina kristiana. Angamba izy mbola tsy nianatra ny hevitr’Andriamanitra ny amin’ny raharaha sasany. Mbola tsy niara-nidinika tamin’ireo loholona ireo hevitra araka ny Baiboly fanao alohan’ny batisa izy, ary tsy nanao ny fanapahan-kevitra lehibe ny hatao batisa. Afa-tsy izany koa, dia nilaza i Jesosy fa “izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy”. (Lioka 12:48.) Betsaka kokoa àry no antenaina avy amin’ireo mpikambana vita batisa ao amin’ny kongregasiona izay, noho izy ireo manana fahalalana sy tombontsoa misimisy kokoa, dia miantsoroka andraikitra manokana. — Jakoba 4:17; Lioka 15:1-7; 1 Korintiana 13:11.
13. Raha mandika ny lalàn’Andriamanitra ny mpitory tsy vita batisa iray, inona no hataon’ireo loholona mba hanampiana azy?
13 Mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly, ireo kristiana izay manana ireo toetra ara-panahy takina dia maniry hanampy izay rehetra mety ho mpitory tsy vita batisa manota tsy nahy (jereo Galatiana 6:1). Azon’ireo loholona atao ny mangataka amin’ny anankiroa amin’izy ireo (angamba ireo niara-nivory taminy teo aloha) mba hanandrana hamerina azy ho eo amin’ny lalana tsara raha manaiky ny hampiana izy. Hanao izany izy ireo, tsy noho ny faniriana ny hiteny mafy azy, fa amim-pamindrampo sy amim-pahalemem-panahy (Salamo 130:3). Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny fampaherezana sy ny fanoloran-kevitra azo ampiharina mifototra amin’ny Soratra Masina dia ho ampy hitarika ilay mpandika lalàna ho amin’ny fibebahana sy hamerina azy eo amin’ny lala-mahitsy.
14, 15. a) Inona moa no azo atao raha mibebaka amim-pahatsorana ilay nanota? b) Amin’ny toe-javatra sasany, fampandrenesana fohy hoe ahoana no hatao ho an’ny kongregasiona mba hanazavana ny tarehin-javatra?
14 Ireo loholona roa dia hanome ho an’ilay nanota tsy vita batisa, torohevitra mifanaraka amin’ny toerany. Amin’ny toe-javatra sasany, dia hoheverin’izy ireo fa tsaratsara kokoa, mandritra ny fotoana kelikely, ny tsy handraisan’ilay nanota anjara intsony amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika na tsy hanasana azy intsony hanome valin-teny ao amin’ireo fivoriana. Angamba izy ireo hangataka azy tsy handray anjara amin’ny fitoriana ampahibemaso miaraka amin’ny kongregasiona intsony mandra-pandrosony bebe kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Avy eo, rehefa ho afaka handray anjara indray amin’ny fanompoana izy, dia hampandrenesin’izy ireo. Raha tsy niteraka fahatafintohinana ilay fahotana ary tsy mandrahona ny fahadiovan’ny andian’ondry, dia tsy ilaina ny mampandre ny ondry ny amin’izany.
15 Inona anefa no hatao raha tsapan’ireo loholona roa fa mibebaka amim-pahatsorana ilay nanota, kanefa fantatry ny maro na ho fantany any aoriana ny fitondrantenany ratsy? Raha izany no izy, dia azon’izy ireo atao ny mampandre ny komitin’asan’ny kongregasiona, izay hanomana fampandrenesana fohy hosoratana toy izao: “Nandinika raharaha mahakasika an-d . . . ireo loholona, ary mbola mpitory tsy vita batisa ato amin’ny kongregasiona ihany izy io.” Toy ny amin’ny raharaha karazan’izany rehetra, dia hofantarin’ny kolejin’ny loholona rehetra raha fahendrena ny hanaovana lahateny atỳ aoriana mba hanomezana torohevitra momba ilay fahotana natao.
16, 17. a) Inona moa ireo tarehin-javatra roa mety hitarika hanao karazana fampandrenesana hafa? b) Ahoana moa izany fampandrenesana izany?
16 Indraindray ny mpitory tsy vita batisa iray dia zatra manao ratsy ary miseho ho tsy mandray ny fanampiana voamariky ny fitiavana omena azy be dia be, na tsy maniry hanohy handroso hatreo amin’ny batisa intsony ka mampandre an’ireo loholona fa tsy maniry ny hisaina ho mpitory intsony izy. Inona no hatao amin’ny toe-javatra toy izany? Tsy hisy fandaharam-pandroahana hatao ho an’ireny olona ireny izay, raha ny marina, dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Ny fandroahana mpanota tsy mibebaka dia mihatra amin’ireo izay “atao hoe rahalahy”, noho izany dia vita batisa (1 Korintiana 5:11). Milaza fanakimpiana ny maso eo anoloan’ny ratsy ve anefa izany? Tsia.
17 Manana andraikitra ireo loholona ‘hiandry ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminy’. (1 Petera 5:2.) Raha tsapan’ireo loholona roa manolotra ny fanampiany an’ilay nanota tsy vita batisa fa tsy mibebaka izy ary tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina mba hahatongavana ho mpitory, dia hampahafantarin’izy ireo azy izanyd. Na, raha mampahafantatra ireo loholona ny mpitory tsy vita batisa iray fa tsy maniry ny hisaina ho mpitory intsony izy, dia hanaiky ny fanapahan-keviny izy ireo. Ao anatin’ireo toe-javatra roa ireo, amin’ny fotoana mety, dia tsara ny hanaovan’ny komitin’asan’ny kongregasiona fampandrenesana ny kongregasiona hilazana fotsiny fa “tsy mpitory ny vaovao tsara intsony Ra . . .”.
18. a) Aorian’io fampandrenesana io, inona moa no hoheverin’ireo kristiana mba hamantarana izay ho fihetsiny manokana? b) Ilaina ve ny hanalavirana izay rehetra mety ho fifandraisana amin’ireo olona tsy vita batisa nanao fahotana lehibe taloha?
18 Ahoana no hiheveran’ny Vavolombelona an’io mpitory tsy vita batisa taloha io any aoriana? Teo aloha izy dia ‘tsy nino’ nanatrika ireo fivoriana. Tatỳ aoriana izy dia naneho faniriana ny ho tonga mpitory ny vaovao tsara, ary nahafeno ireo fepetra takina amin’izany. Koa satria tsy toy izany intsony izao no izy, dia olon’izao tontolo izao indray izy. Ny Baiboly akory tsy mitaky ny tsy hiresahan’ny Vavolombelona aminy, satria tsy voaroaka akory izye. Hotahafin’ny kristiana anefa ny fihetsik’ireo Isiraelita teo anoloan’ny vahiny tsy voafora amin’ny fisehoana ho malina eo amin’ny fifandraisany amin’io olon’izao tontolo izao tsy mivavaka amin’i Jehovah io. Izany fahamalinana izany dia ho fiarovana ny kongregasiona amin’ny vokatry ny “masirasira kely”, dia ny mpanimba (1 Korintiana 5:6). Raha toa any aoriana io olona io ka maneho faniriana amim-pahatsorana ny hianatra Baiboly ary raha mihevitra ireo loholona fa tsy misy na inona na inona manohitra izany, angamba izany fianarana izany hanampy azy hahafantatra indray ny tombontsoa lehibe atolotra antsika, dia ny fanompoana an’i Jehovah miaraka amin’ny Vahoakany. — Salamo 100.
19. Fanampiana inona moa no hoentin’ireo loholona manokana amin’ny toe-javatra sasany?
19 Raha tsapan’ireo loholona fa mety hampidi-doza manokana ny andian’ondry ny olona iray, dia hampitandrina an’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona tandindomin-doza izy, ary manokana no hanaovany izany. Ohatra, mety ho tanora nanaram-po tamin’ny fimamoana na ny fitondrantena maloto ilay mpitory taloha. Na dia efa nampahafantarina ny kongregasiona aza fa tsy mpitory tsy vita batisa intsony izy, dia angamba izy mitady ny hiaraka amin’ny mpikambana tanora ao amin’ny kongregasiona. Raha izany no izy, dia hiresaka manokana amin’ny ray aman-drenin’ireo tanora tandindomin-doza ny loholona, sy amin’ireny tanora ireny mihitsy koa angamba (Hebreo 12:15, 16; Asa. 20:28-30). Amin’ny toe-javatra, mahalana anefa, itabataban’ny olona iray na ampisehoany herisetra, dia azo atao ny mampahafantatra azy fa tsy raisina amin-kafaliana ao amin’ireo fivoriana intsony izy ka amin’ny manaraka, izay rehetra mety ho fanandramana mitsofoka, dia hoheverina ho fandikana ny zo ho tompom-pananana.
Aoka hampiantsika hanompo an’Andriamanitra ireo ankizy tsy ampy taona
20. Fanampiana inona moa no omen’ireo ray aman-dreny kristiana be dia be ho an’ireo zanany, ary inona no vokatr’izany?
20 Araka ny filazan’ny Baiboly, ny ray aman-dreny dia manana andraikitra hampianatra ireo zanany ao amin’ny lalan’ny fahamarinan’Andriamanitra (Deoteronomia 6:4-9; 31:12, 13). Ny Vavolombelon’i Jehovah àry dia mampirisika hatramin’ny ela ny kristiana hiara-hianatra ny Baiboly ao anatin’ny fianakaviana isan-kerinandro. Tokony hampirisika ireo zanany ny ray aman-dreny mba handrosoany hatreo amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, mba hahatonga azy hankasitrahan’Andriamanitra (Ohabolana 4:1-7). Tsapantsika ao amin’ireo kongregasiona ny vokatra tsaran’ny fiezahan’izy ireo: tanora faka tahaka ana hetsiny maro no tia an’i Jehovah sy maniry hanompo azy mandrakizay.
21-23. a) Iza moa no manana andraikitra voalohany hifehy zanaka tsy ampy taona izay nanota? b) Inona no hataon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany?
21 Manana andraikitra tena lehibe koa ireo ray aman-dreny kristiana hifehy sy hanitsy ireo zanany amin’ny fampiharana aminy amim-pitiavana izay rehetra mety ho fameperana na sazy heveriny fa ilaina (Efesiana 6:4; Hebreo 12:8, 9; Ohabolana 3:11, 12; 22:15). Raha manaraka fitondrantena maloto anefa ny zanaka tsy ampy taona iray izay niaraka tamin’ny kongregasiona tamin’ny naha-mpitory tsy vita batisa, ireo loholona izay ‘miambina ny fanahin’ny’ anisan’ny andian’ondry dia manana adidy hikarakara ilay raharaha. — Hebreo 13:!7.
22 Amin’ny fotopotony, dia tokony hokarakaraina araka ny fomba voalaza etsy ambony io karazan-draharaha io. Hotendrena mba handinika ilay raharaha ny loholona roa. Azon’izy ireo atao voalohany indrindra, ohatra, ny mamotopototra ny ray sy (na) ny reny ny amin’izay nataon’ilay mpitory tanora, ny fihetsiny, sy ireo fandaharana natao mba hanitsiana azy (jereo Deoteronomia 21:18-21). Raha mifehy ny tarehin-javatra ireo ray aman-dreny kristiana, dia ho azon’ireo loholona atao fotsiny ny manontany azy ireo indraindray ny vokatra azony ka manome azy torohevitra sy fanipazan-kevitra mahasoa mbamin’ny fampaherezana voamariky ny fitiavana.
23 Indraindray anefa ny resaka hifanaovan’ireo loholona amin’ny ray aman-dreny dia hampiharihary fa ho tsaratsara kokoa ny hiarahan’izy ireo mivory aminy sy ilay zanaka tsy ampy taona nikomy. Sady mahatsiaro ny fetra sy ny fironana mampiavaka ny fahatanorana ireo mpiandraikitra no hiezaka hampianatra ilay mpitory tanora tsy vita batisa amim-pahalemem-panahy (2 Timoty 2:22-26). Amin’ny toe-javatra sasany, dia hazava fa tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina mba hahatongavana ho mpitory izy ka tokony hampahafantarina ny amin’izany amin’ny alalan’ny fampandrenesana mety ny kongregasiona.
24. a) Na dia nanota aza ny zanaka tsy ampy taona, inona moa no tsara ny hanaovan’ny ray aman-dreniny azy, ary ahoana no azon’izy ireo anaovana izany? b) Ahoana no azo ampiharana io fotopoto-pitsipika io amin’ny zanaka tsy ampy taona voaroaka?
24 Afaka manao inona atỳ aoriana ireo ray aman-drenin’io zanaka tsy ampy taona io mba hanampiana azy hiverina eo amin’ny lala-mahitsy? Mbola tompon’andraikitra amin’ny zanany ihany izy ireo, na dia tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina amin’ny mpitory tsy vita batisa aza izy io, na voaroaka raha nanota taorian’ny nanaovana batisa azy. Toy ny hanohizany hanome azy sakafo sy fitafiana ary fialofana, dia homeny azy ny fianarana sy ny fifehezana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra (Ohabolana 6:20-22; 29:17). Ireny ray aman-dreny feno fitiavana ireny àry dia ho afaka hanomana fianarana ny Baiboly ao an-tokantrano miaraka aminy, na dia voaroaka aza izyf. Handray soa kokoa amin’ny fianarana angamba izy raha miara-mianatra aminy manokana izy ireo. Na mety hanapa-kevitra koa izy ireo fa azony atao ny hanohy hanatrika ny fianaram-pianakaviana. Na dia nihataka tamin’ny lala-mahitsy aza izy io, dia irin’izy ireo ny hahita azy hiverina amin’i Jehovah toy ny nataon’ilay zanaka adala resahin’i Jesosy ao amin’ny anankiray amin’ireo fanoharany. — Lioka 15:11-24.
25. Nahoana moa ireo “tsy mino” no ampisehoana fiheverana sy fanampiana voamariky ny fitiavana amin’izao andro izao?
25 Ny zava-kendrena amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika dia ny hanampiana ny mpiara-belona amintsika ho tonga mpivavaka sambatra amin’ilay Andriamanitra marina. ‘Ireo tsy nino sy tsy nahay’ tany Korinto dia nahatsiaro tena ho voatosika “hiankohoka (...) ka hivavaka amin’Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.” (1 Korintiana 14:25). Toy inona moa ny fifaliana tsapantsika amin’izao androntsika izao rehefa mahita olona mihamaro hatrany, manomboka mivavaka amin’Andriamanitra! Izany dia fahatanterahana kanton’ny fanambaran’ny anjely manao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany [ankasitrahan’Andriamanitra]!” — Lioka 2:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny anankiray amin’ireo loholona roa dia tokony ho anisan’ny komitin’asan’ny kongregasiona. Ny faharoa dia mety ho ny mpiandraikitra mahalala indrindra ilay mpianatra na ny Vavolombelona mampianatra azy, ny mpitarika ny fianarana ny boky, ohatra.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. tamin’ny 1983.
c Teo aloha, dia nantsoina hoe “namana ankasitrahana” ny olona iray tsy vita batisa izay nahafeno ireo fepetra takina mba handraisana anjara amin’ny fitoriana. Marimarina kokoa anefa ny hiresahana ny amin’ny “mpitory tsy vita batisa”, indrindra satria, araka ny filazan’ny Baiboly, mba hahatongavana ho olona ankasitrahan’Andriamanitra, dia ilaina ny manolo-tena ho azy amim-pahalalana tanteraka sy ny hatao batisa.
d Raha manohitra izany fanatsoahan-kevitra izany ilay olona voakasika, dia azony atao, (ao anatin’ny fito andro) ny mangataka ny handinihana indray ilay raharaha.
e Teo aloha, dia nohalavirina izay rehetra mety ho fifandraisana amin’ny olona tsy vita batisa nanana fitondrantena maloto izay tsy nibebaka. Araka ny nohazavainay teo aloha, dia tsy takina izany. Ilaina mandrakariva anefa ny hanarahana ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:33.
f Ny fihetsika hasehon’ny kristiana amin’ny anisan’ny fianakaviany voaroaka izay tsy miray trano aminy dia ho araka ireo torohevitra avy amin’ny Baiboly nodinihina tao amin’ireo fanontana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jolay 1988, pejy faha-26 ka hatramin’ny 31, sy tamin’ny 1 aprily 1982, pejy faha-24 ka hatramin’ny faha-30.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana moa no fiheveran’ny kristiana ireo “tsy mino” manatrika ireo fivoriana?
◻ Rehefa maneho faniriana ny handray anjara amin’ny fitoriana ny mpianatra ny Baiboly iray, inona moa no ataon’ireo loholona, ary andraikitra inona no eken’ilay mpianatra amin’izay?
◻ Inona moa no tokony hatao raha manao fahotana lehibe ny mpitory tsy vita batisa iray?
◻ Na dia manao fahotana lehibe aza ny zanaka iray miray trano amin’ny fianakaviany, inona moa no fanampiana azon’ny ray aman-dreniny sy ireo loholona entina ho azy?
[Sary, pejy 16]
Na dia mbola tsy vita batisa aza izy, izay rehetra tonga mpitory dia manao dingana lehibe mitarika andraikitra, eo amin’ny lalana izay hitarika azy ho amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra.