‘Aoka ho Teny Mamy Sira Foana no Holazainareo’
1. Inona no dikan’ny hoe ‘teny mamy sira’?
1 “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kol. 4:6) Ny hoe teny mamy sira dia teny voafidy tsara, ary lazaina amin’ny fomba mahafinaritra ny mpihaino. Tena zava-dehibe ny hanaovana teny toy izany, rehefa manompo.
2. Inona no nanampy an’i Jesosy hitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray?
2 Nanome modely i Jesosy: Nanombo-dresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray hantsaka rano i Jesosy, rehefa niala sasatra teo akaikin’ny lavadrano iray. Nandritra ilay resaka, dia imbetsaka ilay vehivavy no nilaza ny fifandrafiana nisy hatry ny ela teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritanina. Nasehony koa fa nino izy hoe taranak’i Jakoba ny Samaritanina na dia nanda izany aza ny Jiosy. Tsy nanohitra ny tenin’ilay vehivavy i Jesosy, fa nataony nahafinaritra foana ilay resaka. Inona no vokany? Afaka nitory izy, ary nitondra soa ho an’ilay vehivavy sy ny lehilahy tao an-tanàna izany.—Jaona 4:7-15, 39.
3. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy rehefa manompo?
3 Tokony hotadidintsika foana fa, ny hanambara “vaovao tsara momba ny zava-tsoa” no tanjontsika rehefa mitory. (Rom. 10:15) Maniry hampita hevitra mahafinaritra sy mampahery avy ao amin’ny Baiboly isika. Tsy tiantsika ny hiheveran’ny olona fa manakiana ny zavatra inoany isika. Ahoana àry raha diso ny zavatra lazainy? Tsy hanakiana azy isika. Mety hisy zavatra azontsika ekena na iderana azy amin’izay lazainy. Mety ho afaka hanontany toy izao isika rehefa hamaky andinin-teny: “Efa mba nieritreritra an’ity voalaza ity ve ianao?”
4. Inona no tokony hatao raha manevateva antsika ny olona itoriantsika?
4 Ahoana raha manevateva, na hita hoe te hiady hevitra fotsiny ilay olona itoriantsika? Tokony halemy fanahy foana isika, ary hampiseho izany amin’ny teny sy ny fihetsika. (2 Tim. 2:24, 25) Raha tsy tia ny hafatra momba ilay Fanjakana izy, dia tsara raha mangata-dalana amim-pahalalam-pomba isika.—Matio 7:6; 10:11-14.
5. Hazavao amin’ny ohatra fa misy vokany tsara ny famaliana amim-pahalemem-panahy.
5 Vokatra tsara: Nitory tamin’ny vehivavy mpifanila trano taminy ny anabavy iray, indray mandeha. Tezitra be taminy io sady nanompa. Namaly azy tamim-pahalemem-panahy toy izao anefa ilay anabavy: “Miala tsiny indrindra aho raha nahatezitra anao. Mandra-pihaona tompoko.” Tapa-bolana tatỳ aoriana, dia nandondòna tao amin’ilay anabavy ilay vehivavy ka niala tsiny, ary nilaza fa vonona ny hihaino azy. Misy vokany tsara tokoa matetika ny famaliana amim-pahalemem-panahy!—Ohab. 15:1; 25:15.
6. Nahoana no tena ilaina ny mampiasa teny mamy sira rehefa manompo?
6 Miezaha àry mampiasa teny mamy sira rehefa mitory ny vaovao tsara. Angamba tsy hihaino ny olona sasany amin’ny voalohany, nefa mety ho vonona kokoa handray ny Vavolombelon’i Jehovah tonga ao aminy izy, amin’ny manaraka.