Mampiasa ny Boky Fanjohian-kevitra ve Ianao?
1. Ahoana no fomba nampianaran’i Paoly sy Jesosy?
1 Niezaka mafy ny apostoly Paoly mba ‘handresy lahatra miorina amin’ny Soratra Masina.’ (Asa. 17:2, 3; 18:19) Nanahaka an’i Jesosy izy. Matetika i Jesosy no nanonona andinin-teny sy nampiasa fanoharana, mba hanampiana ny mpihaino hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra. (Mat. 12:1-12) Natao hanampiana antsika hanao toy izany ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina.
2. Ahoana no azontsika ampiasana ny boky Fanjohian-kevitra mba hanomanana fampidiran-dresaka mahaliana?
2 Fanomanana fampidiran-dresaka mahaliana: Misy fampidiran-dresaka mahaliana ao amin’ny pejy 9-15 amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Ilaintsika ny mianatra fampidiran-dresaka isan-karazany sy mampiasa izany, indrindra raha voasa matetika ny faritanintsika. Tsy ho dridralava amin’izay ny fanompoantsika, ary hahay hampifanara-javatra sy hahita vokatra kokoa isika rehefa manombo-dresaka. Azo vakina mivantana avy ao amin’ilay boky ny fampidiran-dresatsika rehefa mitory an-telefaonina na mampiasa ireny telefaonina eo am-bavahady ireny isika.
3. Inona no hita ao amin’ny pejy 15-24 amin’ny boky Fanjohian-kevitra, ka hanampy antsika eny amin’ny fanompoana?
3 Fomba famaliana fanoherana: Nahoana raha eritreretina mialoha ireo fanoherana mety hitranga eny amin’ny faritany, ary jerena vetivety ao amin’ny pejy 15-21 ny fomba azo amaliana izany? Mety hisy silamo ve ao amin’ny faritaninareo? Raha izany, dia mety hanampy anao ny soso-kevitra eo amin’ny pejy 23-24.
4. Ahoana no azo ampiasana ny boky Fanjohian-kevitra, rehefa misy mametraka fanontaniana na miady hevitra?
4 Famaliana fanontaniana: Manampy antsika koa ny boky Fanjohian-kevitra, rehefa misy mametraka fanontaniana na miady hevitra. Azo resahina amin’ilay olona hoe tianao ny hampiseho aminy fanazavana mahaliana momba an’ilay foto-kevitra. Raiso ny boky Fanjohian-kevitra. Milahatra araka ny abidy ny loha hevitra ao, ka sokafy eo amin’izay loha hevitra heverinao fa misy ny fanazavana ilainao ilay boky. Jereo avy eo ireo fanontaniana amin’ny sora-matevina. Raha mbola tsy hitanao ihany ilay fanazavana, dia jereo ny fizaham-pejy any amin’ny faran’ilay boky. Rehefa hitanao ilay izy, dia vakio amin’ilay olona. Raha andinin-teny no iadian-kevitra, dia jereo ny pejy 447, eo amin’ilay hoe “Andinin-teny ao amin’ny Baiboly matetika no tsy azo ny heviny.”
5. Ahoana koa no azo ampiasana ny boky Fanjohian-kevitra?
5 Fomba hafa ampiasana azy: Mitahiry boky Fanjohian-kevitra any am-piasana na any an-tsekoly ny mpitory sasany, mba hamaliany fanontaniana toy ny hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy mankalaza fety?’ Nanampy ankizy maro tamin’ny fanomanana ny famelabelarany tany am-pianarana ny loha hevitra hoe “Evaolisiona” sy “Famoronana.” Hamangy olona marary na nidonam-pahoriana ve ianao? Mety hanampy anao ilay loha hevitra hoe “Fampaherezana.” Misy hevitra tsara ho an’ireo manomana lahateny sy mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana koa ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
6. Inona no tanjontsika rehefa mitory?
6 Tsy ny handresy amin’ny ady hevitra na hampita fanazavana fotsiny no tanjontsika rehefa mitory. Irintsika ny handresy lahatra miorina amin’ny Soratra Masina. Ny fampiasantsika tsara ny boky Fanjohian-kevitra, dia mampiseho fa mitandrina tsara foana ny fampianarantsika isika.—1 Tim. 4:16.