FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/10 p. 2
  • Ilay Asa Lehibe Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Asa Lehibe Indrindra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka Manome Tanana Amin’ny Asa Fanaovana Mpianatra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Miezaha Hafana Fo Hoatran’i Jesosy Rehefa Mitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Tsy Maintsy Be Zotom-po Amin’ny Fanompoana Foana Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 3/10 p. 2

Ilay Asa Lehibe Indrindra

1. Ho vonona hanao inona isika raha tsapantsika fa zava-dehibe ny fanompoana?

1 Nahoana isika no ampirisihina foana hanokana ny fotoana sy ny hery ary ny fananantsika mba hanompoana? Satria tsy misy asa lehibe noho izany! Tsy hiverina intsony izy io, sady hitondra soa maharitra. Hazoto hanompo kokoa isika, raha misaintsaina izany.—Asa. 20:24.

2. Nahoana ny fitoriantsika no manamasina ny anarana lehiben’i Jehovah?

2 Manamasina ny anaran’i Jehovah: Rehefa mitory isika dia manantitrantitra fa hisolo an’ireo fitondran’olombelona rehetra ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy Jesosy, ary hanala ny olana rehetra eto an-tany. (Mat. 6:9, 10) Ambarantsika koa fa i Jehovah irery no afaka manafoana ny aretina sy ny fahafatesana, ka manome voninahitra azy izany. (Isaia 25:8; 33:24) Mitondra ny anarany isika, ka mankalaza azy ny olona sasany rehefa mahita antsika tsara fitondran-tena sy mazoto. (1 Pet. 2:12) Mahafaly tokoa ny mampahafantatra eran-tany ny anaran’i Jehovah Tompo Fara Tampony!—Sal. 83:18.

3. Inona no fitahiana azon’ireo manaiky ny vaovao tsara?

3 Mamonjy aina: ‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny rehetra, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana.’ (2 Pet. 3:9) Ahoana anefa moa no ahalalan’ny olona an’izay tian’i Jehovah sy tsy tiany, raha tsy misy mampianatra? (Jona 4:11; Rom. 10:13-15) Mihatsara ny fiainan’ny olona manaiky ny vaovao tsara, rehefa miala amin’ny fanao ratsy izy. (Mika 4:1-4) Faly koa izy ireo satria manantena hiaina mandrakizay. Mamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika isika, rehefa mazoto mitory sy mampianatra. (1 Tim. 4:16) Tena voninahitra ny mandray anjara amin’io asa lehibe indrindra io!

4. Nahoana isika no tokony hanao izay azontsika atao eo amin’ny fanompoana?

4 Ho avy tsy ho ela ny fahoriana lehibe, ka ho rava tampoka ity tontolo ratsy ity. Izay miandany amin’i Jehovah ihany no ho tafavoaka velona. Ny fitoriana sy fampianarana àry izao no asa maika sy lehibe ary mahasoa indrindra. Aoka izy io no hataontsika loha laharana!—Mat. 6:33.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara