Topy Maso Eran-tany
◼ “Hahatratra herintaona ny fotoana lanin’ny ankizy iray hijerena tele, eto Grande-Bretagne, rehefa feno enin-taona izy. Manana tele ao amin’ny efitra fatoriany ny antsasany mahery amin’ny ankizy telo taona eto.”—THE INDEPENDENT, GRANDE-BRETAGNE.
◼ Ny ampahatelon’ireo Sinoa 16 taona no ho miakatra, nanaovana fanadihadiana, no nilaza fa tia fivavahana. Raha toa azy ireo ny Sinoa rehetra, dia “300 tapitrisa eo ho eo [ny Sinoa] tia fivavahana ... Tena tsy mitovy amin’ny isa nomen’ny fanjakana izany, izay 100 tapitrisa monja.”—CHINA DAILY, CHINE.
Tsy Tena Nahasoa Akory
Nahita fomba hamokarana angovo avy amin’ny zavamaniry ny holandey, taona vitsivitsy lasa izay. Tsy inona izany fa ny fampiasana menaka palmie mba handefasana gropy. Nino ny mpanao politika sy ny mpiaro ny tontolo iainana any, fa ho azo vokarina foana io loharanon’angovo io. “Nanimba ny tontolo iainana” anefa ilay izy, hoy ny The New York Times. “Nitombo ny menaka palmie nohafaran’i Eoropa, ka maro ny ala naripaka tany Azia Atsimoatsinanana [mba hambolena palmie], ary nitombo be ny zezika simika nampiasaina.” Noritina sy nodorana ny tany hambolena palmie, ka nitombo ny gazy karbonika eny amin’ny atmosfera. Nilaza ny Times fa i Indonezia indray no lasa “firenena fahatelo mandefa gazy karbonika be indrindra eny amin’ny atmosfera. Mampiakatra ny hafanan’ny tany izany, hoy ny mpahay siansa.”
“Dimy Minitra Sisa”
Dimy minitra sisa dia hanondro eo amin’ny misasakalina, ny fanjaitran’ny famantaranandro namboarin’ny mpahay siansa, mba hamantarana ny fotoana mety hitrangan’ny fandripahana niokleary, izay antsoin’izy ireo hoe “fara andro.” Efa naroso im-18 ny fanjaitran’izy io tao anatin’ny 60 taona. Tamin’ny Febroary 2002 ny faha-17, izany hoe taorian’ny nianjeran’ireo tranobe kambana tany New York. Mihamandroso ny fanamboarana fitaovam-piadiana niokleary ankehitriny. Tsy voaro koa ireo fitaovana niokleary, ka mety hampidi-doza. Izany no manaporofo fa “tsy ho voavaha mihitsy ny olana ateraky ny fitaovana niokleary, izay fitaovana arifomba tena manimba.” Hoy ihany ny mpahay siansa: “Mampihoron-koditra koa ny loza vokatry ny fiovan’ny toetrandro, toy ny loza ateraky ny fitaovana niokleary ihany.”
Bevohoka Mikorontan-tsaina
Mikorontan-tsaina ny vehivavy bevohoka sasany, rehefa nifamaly tamin’ny rain-janany na novonoiny. Mety hisy vokany ratsy amin’ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka izany, araka ny fandinihana natao vao haingana. Hoy i Vivette Glover, profesora ao amin’ny Oniversite Imperial any Londres: “Hitanay fa raha ampahorin’ny lehilahy miaraka aminy ny vehivavy iray mandritra ny fotoana itondrany vohoka, dia hisy fiantraikany eo amin’ny fitomboan’ilay zaza izany. Misy vokany lehibe eo amin’ilay zaza ny zavatra ataon’ny rainy.” Misy fiantraikany eo amin’ny “habetsahan’ny hormonina sy ny raha simika ao amin’ny vatan’ilay vehivavy bevohoka” ny fifandraisan’izy sy ny rain-janany, “ary misy vokany eo amin’ny fitomboan’ny atidohan’ilay zaza izany.”
Mpamily Tsy Mifantoka
Variana amin-javatra hafa ny mpamily sasany rehefa mandeha amin’ny lalana falehany isan’andro, fa tsy mifantoka amin’ny fifamoivoizana. Izany no tenin’i Michael Schreckenberg, mpikaroka momba ny fifamoivoizana, ao amin’ny oniversite iray any Alemaina. Tsy tonga dia mahafantatra ny zavatra mety hampidi-doza, ny mpamily toy izany. Ampirisihin’i Schreckenberg ny mpamily mba hitadidy, fa tokony ho mailo foana izy ireo rehefa mitondra fiara fa tsy ho varimbariana.