FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Artaksersesy”
  • Artaksersesy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Artaksersesy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Persa, Persianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Hevitra araka ny Baiboly mahaliana”: ireo fianarana azo tsoahina avy amin’izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mitana ny teny nataony Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Artaksersesy”

ARTAKSERSESY

(Artaksersèsy).

Anarana na anaram-boninahitry ny mpanjaka persianina roa resahin’ny Baiboly.

1. Ilay mpanjaka persianina nampitsahatra ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. (Ezr 4:7-24) I Kyrosy Lehibe no namela ny Jiosy hiverina tany Jerosalema (537 T.K.), ary i Dariosy Lehibe no nanafoana ilay fandrarana ny fanorenana ny tempoly (520 T.K.). Toa nisy mpanjaka telo teo anelanelan’izy ireo: I Cambyse II, Bardiya rahalahiny (na angamba i Gaumata mpisorona, izay nisandoka ho Bardiya, hono, ary nanjaka fito volana), ary Nidinto-Bela (izay resin’i Dariosy ka novonoiny, rehefa avy nanjaka roa volana monja). Azo inoana fa i Cambyse ilay “Ahasoerosy” resahin’ny Ezra 4:6 hoe nandefasan’ireo mpanohitra taratasy. Tsy tian’izy ireo mantsy ny hanorenana indray ny tempoly. I Bardiya na Gaumata, izay nanjaka fito volana monja (522 T.K.), àry ilay “Artaksersesy” resahina manomboka eo amin’ny Ezra 4:7.

Nandefasan’ny mponin’i Samaria taratasy fiampangana an’ireo Jiosy io mpanjaka persianina io. (Ezr 4:7) Nanorina an’ilay tempoly mantsy ny Jiosy tamin’izay. (Ezr 4:1-3) Tsy tian’ny fahavalony ho vita ilay tempoly, ka nendrikendrehiny ho nanorina indray an’i Jerosalema sy ny mandany ny Jiosy. (Ezr 4:11-16) Natsahatra àry “ny asa momba ny tranon’Andriamanitra.”​—Ezr 4:24.

2. I Artaksersesy Lava Tanana, zanak’i Ksersesy I, ilay mpanjaka resahin’ny Ezra 7:1-28 sy Nehemia 2:1-18; 13:6. Resahin’ny ankamaroan’ny boky ara-tantara fa tamin’ny 465 T.K. izy no nahazo fahefana. Misy porofo anefa mampiseho fa tamin’ny 475 T.K. izany.​—Jereo PERSA, PERSIANINA (Ny fitondran’i Ksersesy sy Artaksersesy).

Nanome alalana an’i Ezra mpisorona sy Nehemia ho any Jerosalema i Artaksersesy Lava Tanana. (Ezr 7:1-7; Ne 2:1, 7, 8) Nisy mpahay tantara fahiny nilaza fa tsara fanahy sy nalala-tanana izy. Tsy mahagaga àry raha nomeny an’i Ezra “izay rehetra nangatahiny”, tamin’ny taona fahafito nanjakany (468 T.K.). Namoaka didy izy mba hanomezana an’i Ezra volafotsy sy volamena, fitaovana hampiasaina tao amin’ny tempoly, varimbazaha, divay, menaka, ary sira. (Ezr 7:6, 12-23; 8:25-27) Izany angamba no antony ilazan’ny Ezra 6:14 fa noho ny baikon’i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy no ‘nanorenana sy namitana’ ny tempoly, na dia efa vita 47 taona talohan’izay aza izy io, tamin’ny 515 T.K. Nomen’ilay mpanjaka alalana mihitsy aza i Ezra hanendry mpahay lalàna sy mpitsara hampianatra ny lalàn’Andriamanitra (sy ny lalàn’ny mpanjaka), ary hanameloka ho faty an’ireo mpandika lalàna, raha ilaina.​—Ezr 7:25, 26.

Nanome alalana an’i Nehemia hiverina tany Jerosalema mba hanorina indray an’ireo manda sy vavahadin’ilay tanàna i Artaksersesy, tamin’ny taona faha-20 nanjakany (455 T.K.). (Ne 2:1-8) Daty manan-tantara io taona io, satria resahin’ny Daniela 9:25 fa misy ifandraisany amin’ny fotoana hiavian’ilay Mesia nampanantenaina.

Milaza ny Nehemia 13:6 fa niverina tany an-dapan’ny mpanjaka i Nehemia tamin’ny ‘taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy’, izany hoe tamin’ny 443 T.K.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara