VODITONGOTRA
Faritra eo andamosin’ny tongotra, eo ambanin’ny kitrokely. Matetika no ampiasaina an’ohatra ny voditongotra, ao amin’ny Baiboly. Manembantsembana na misakana olona iray ny fihazonana na ny fandratrana ny voditongony. Nihazona ny voditongotr’i Esao, rahalahiny kambana taminy, i Jakoba tamin’izy ireo nivoaka avy tao an-kibon-dreniny. (Ge 25:26) Izany no niantsoana azy hoe Jakoba, izay midika hoe “Ilay Mihazona Voditongotra; Mpangala-toerana.” Milaza mialoha izay hitranga izany.—Ge 27:36; Ho 12:2, 3.
Noharina tamin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena nosazina i Jerosalema satria nivadika. Nolazain’ny faminaniana fa ‘noratraratraina ny voditongony.’ Midika izany hoe noterena handeha tamin’ny lalana nikitoantoana nampanaintaina voditongotra izy. Tanteraka izany rehefa natao sesitany tany Babylona ny mponin’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K.—Je 13:22.
Nampiasa teny an’ohatra i Davida momba an’i Ahitofela, ilay namany namadika azy. Hoy izy: “Nanainga ny voditongony hamely ahy [izy].” (Sl 41:9) Tanteraka tamin’i Jodasy Iskariota koa io faminaniana io. Hoy i Jesosy momba azy: “Ilay niara-nihinana ny mofoko tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.” (Jn 13:18) Lasa manana heviny hoe mamadika ka mitady hanisy ratsy àry ny hoe ‘manainga voditongotra.’
Milaza ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Genesisy 3:15 fa handratra ny voditongotr’ilay ‘taranaky ny vehivavy’ ny “menarana.” Mampanaintaina ny ratra eo amin’ny voditongotra, nefa tsy maharitra ela ny vokany. I Jesosy ilay “taranaka” (Ga 3:16), ary namono azy ny solontenan’ilay Menarana na i Satana Devoly. (Ap 12:9) Sitrana tamin’ilay ‘ratra’ nanjo azy teo amin’ny “voditongony” anefa izy tamin’ny andro fahatelo, rehefa nanangana azy tamin’ny maty i Jehovah Rainy.—As 2:22-24; 10:40.