FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Delila”
  • Delila

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Delila
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Lehilahy Natanjaka Indrindra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Miantehera Amin’i Jehovah, Hoatran’i Samsona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Delila”

DELILA

(Delìla) [mety hidika hoe Miraviravy].

Vehivavy tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Soreka. Tany amin’ny faramparan’ireo 20 taona naha mpitsara an’i Samsona vao tantarain’ny Baiboly hoe tia an’i Delila izy.​—Mpts 16:31.

Te hamono an’i Samsona ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina, ka samy nampanantena fa hanome an’i Delila farantsa volafotsy 1100 (2422 dolara raha sekely), raha lazainy amin’izy ireo hoe avy aiza ny hery lehibe nananan’i Samsona. Nanaiky i Delila, ka nanontany an’i Samsona hoe inona no mety hampiala ny heriny. Isaky ny namaly i Samsona, dia nampilaza ny Filistinina i Delila, ary nasiany miaramila filistinina niafina tao an-tranony, izay vonona hisambotra an’i Samsona, raha vao afaka ny heriny. Namitaka an’i Delila intelo i Samsona. Nisisika foana anefa izy ary tsy namelany mihitsy “i Samsona fa nanontaniany tsy misy farany sady nosokiriny foana, dia tsy tantin’i Samsona intsony izany ka te ho faty mihitsy izy.” Nolazainy tamin’i Delila àry fa Nazirita izy ary mbola tsy nokasihin-kareza mihitsy ny lohany. Tamin’izay vao nahazo antoka i Delila hoe nilaza ny marina i Samsona. Nampiantso ny andriana mpiray dinan’ny Filistinina àry izy, ary tonga tokoa izy ireo nitondra ny volany. Raha mbola natory teo am-pofoany i Samsona, dia nisy mpanompo iray nanapaka an’ireo randrana fito teo an-dohany. Rehefa nifoha i Samsona, dia hitany fa tsy nanana hery avy tamin’Andriamanitra intsony izy. Nosamborin’ireo Filistinina efa niafina tao an-tranon’i Delila izy, ka nopotsirin’izy ireo ny masony roa ary nogadrainy. (Mpts 16:4-21) Tsy miresaka an’i Delila intsony ny Baiboly aorian’izay.

Tsy milaza ny Baiboly hoe efa nanao firaisana i Delila sy Samsona, na hoe mpivaro-tena i Delila. Tsy i Delila mihitsy ilay mpivaro-tena resahin’ny Mpitsara 16:1, 2. Tany Gaza no nipetraka izy io, fa i Delila kosa tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Soreka. Mety ho Israelita koa i Delila fa tsy Filistinina satria vola be mihitsy no nanambazan’ireo andriana mpiray dina azy, fa tsy resaka fitiavan-tanindrazana.​—Mpts 16:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara