FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w21 Oktobra p. 14-17
  • Tianao Haverina Amin’ny Laoniny ve ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tianao Haverina Amin’ny Laoniny ve ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NY OLANA METY HATREHINAO?
  • MANÀNA TANJONA AZONAO TRATRARINA
  • AZA MILAVO LEFONA MIHITSY!
  • ‘Antsoy ny Anti-panahy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Manahafa ny famindrampon’Andriamanitra amin’izao andro izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Miraiki-po Aminao i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ry Anti-panahy, Miezaha Foana Hanahaka ny Apostoly Paoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
w21 Oktobra p. 14-17
Simba ny tranon’ny rahalahy iray, dia kivy izy mieritreritra ny asa be tokony hataony mba hanamboarana an’ilay izy sy ny fotoana ilainy amin’izany.

Tianao Haverina Amin’ny Laoniny ve ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah?

BETSAKA ny ondrin’i Jehovah voaray indray isan-taona. Tena sarobidy izy ireny! Eritrereto ange ny ‘fifaliana any an-danitra’ isaky ny misy ondry iray miverina e! (Lioka 15:7, 10) Raha voaray ho anisan’ny fiangonana indray àry ianao, dia matokia hoe faly be i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely. Tsy moramora anefa ny mamerina amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’i Jehovah. Inona ny olana mety hatrehinao, ary inona no mety hanampy anao?

INONA NY OLANA METY HATREHINAO?

Betsaka no mbola kivy be na dia efa voaray aza. Raha izany no tsapanao, dia azonao tsara angamba ny nahazo an’i Davida Mpanjaka. Efa voavela ny fahotany nefa mbola nilaza izy hoe: “Tototry ny fahadisoana aho.” (Sal. 65:3; 40:12) Mety mbola hanamelo-tena na ho menatra mandritra ny taona maro ny olona iray, na dia efa niverina tamin’i Jehovah aza. Voaroaka nandritra ny 20 taona mahery, ohatra, i Isabelle.a Hoy izy: “Tena sarotra tamiko ny nanaiky hoe namela ny fahotako i Jehovah.” Raha kivy anefa ianao, dia mety halemy ara-panahy indray. (Ohab. 24:10) Ataovy àry izay azonao atao mba tsy hitrangan’izany!

Misy koa matahotra sao tsy ho vitany izay rehetra tokony hataony mba hifandraisana tsara amin’i Jehovah indray. Izao, ohatra, no nolazain’i Antoine rehefa voaray izy: “Hoatran’ny hadinoko daholo ny zavatra ara-panahy nianarako sy nataoko taloha.” Mety tsy hahavita ny zavatra ara-panahy rehetra tokony hataony ny olona sasany, rehefa mahatsapa hoatr’izany.

Eritrereto, ohatra, hoe misy olona manana trano tena tiany. Nisy rivo-doza anefa dia simba be ilay izy. Kivy izy rehefa mieritreritra hoe: ‘Asa be izao vao ho voaorina indray io trano io sady mety ho ela be vao ho vita!’ Simba hoatr’izany koa ny fifandraisanao amin’i Jehovah, rehefa nanao fahotana lehibe ianao. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Ezaka be izao vao hinamana tsara amin’i Jehovah indray aho!’ Tsy voatery hiady irery anefa ianao.

Manasa anao i Jehovah hoe: “Avia hifandamina isika.” (Isaia 1:18) Efa niezaka be ianao mba “hifandamina” aminy, ary tena tiany ianao noho izany. Eritrereto ange e! Afaka mamaly tsara ny fanendrikendrehan’i Satana i Jehovah, noho ianao niverina taminy.​—Ohab. 27:11.

Nanatona an’i Jehovah ianao rehefa nanao an’izany, ary mampanantena izy hoe hanatona anao koa. (Jak. 4:8) Efa tsara hoe hitan’ny olona fa voaray ianao. Tsy ampy anefa izany. Mila miezaka foana ianao mba ho tia kokoa an’i Jehovah, ilay Rainao sy Namanao. Ahoana no hanaovanao an’izany?

MANÀNA TANJONA AZONAO TRATRARINA

Azo antoka hoe mbola ao tsara ny fototry ny trano iray, na dia simban’ny rivo-doza aza ilay izy. Hoatr’izany koa ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Azo antoka fa mbola tadidinao ny fampianarana fototra nianaranao taloha, ohatra hoe momba an’i Jehovah sy ny hoavy ampanantenainy. Mila havaozina anefa izao ilay trano, izany hoe mila miverina manana fahazarana tsara ianao, ohatra hoe mitory sy mivory tsy tapaka ary miaraka amin’ny mpiara-manompo. Miezaha àry hanana tanjona azonao tratrarina. Misy vitsivitsy amin’izany ireto:

Miresaha matetika amin’ilay Rainao any an-danitra. Azony hoe mety ho sarotra aminao ny hivavaka aminy, noho ianao manamelo-tena be foana. (Rom. 8:26) Na izany aza, dia “mahareta amin’ny vavaka”, ary lazao aminy hoe tena te hinamana aminy ianao. (Rom. 12:12) Izao no notantarain’i Andrej: “Nanamelo-tena be aho sady nahatsiaro ho afa-baraka. Maivamaivana anefa aho isaky ny avy nivavaka. Lasa nilamin-tsaina kokoa aho.” Ahoana anefa raha tsy hitanao izay horesahina? Mety hanampy anao ny vavaka nataon’i Davida Mpanjaka rehefa nibebaka izy. Ao amin’ny Salamo faha-​51 sy faha-​65 izany.

Mianara Baiboly tsy tapaka. Hanatanjaka ny finoanao izany sady hanampy anao ho tia kokoa an’i Jehovah. (Sal. 19:7-11) Hoy i Felipe: “Tsy zatra namaky sy nianatra Baiboly aho. Izany no nahatonga ahy halemy ara-panahy sy handiso fanantenana an’i Jehovah. Tsy te hamerina an’io fahadisoana io intsony aho, dia nanapa-kevitra hoe hianatra samirery foana amin’izay satria izay no hiaro ahy.” Maninona raha manao hoatr’izany koa? Raha tsy hainao hoe inona no hianarana, dia mangataha fanampiana amin’ny namana matotra.

Miezaha hinamana amin’ny rahalahy sy anabavinao indray. Manahy ny olona sasany voaray indray hoe sao dia tezitra aminy ny mpiara-manompo. Izao, ohatra, no nolazain’i Larissa: “Menatra be aho! Nieritreritra mantsy aho hoe namitaka an-dry zareo. Ela be izany vao afaka.” Matokia fa te hanampy anao hinamana amin’i Jehovah indray ny anti-panahy sy ny olon-kafa matotra eo anivon’ny fiangonana. (Jereo ilay hoe “Inona no Azon’ny Anti-panahy Atao?”) Tena faly ry zareo hoe niverina tamin’i Jehovah ianao, ary tiany ho sambatra ianao.​—Ohab. 17:17.

Inona no hanampy anao mba hifandray kokoa amin’ny fiangonana? Aza manapaka fivoriana mihitsy, ary miezaha hanompo tsy tapaka miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy. Nahoana izany no tena ilaina? Hoy i Felix: “Tsy andrin’ny olona tao am-pivoriana ny hiverenako. Nahatsiaro aho hoe tena tian-dry zareo. Nataon’izy rehetra tsapako hoe efa anisan’ny fiangonana indray aho, ary namela ny heloko i Jehovah. Nampian-dry zareo koa aho mba hatoky hoe ho vitako ny hanompo an’i Jehovah.”—Jereo ilay hoe “Inona no Azonao Atao?”

Inona no Azonao Atao?

Miezaha hanana fahazarana tsara indray

Anti-panahy mivavaka miaraka amin’ny rahalahy iray niverina tamin’i Jehovah.

MIRESAHA AMIN’I JEHOVAH MATETIKA

Lazao aminy hoe tena te hinamana aminy ianao. Hivavaka ho anao ny anti-panahy ary hivavaka miaraka aminao koa

Mampianatra Baiboly an’ilay rahalahy ilay anti-panahy, dia mampiasa an’ilay boky hoe “Manatòna An’i Jehovah.”

IANARO TSY TAPAKA NY BAIBOLY

Miezaha hisakafo ara-panahy tsara. Hampitombo ny fitiavanao an’i Jehovah izany

Any amina fiaraha-mikorana ilay rahalahy, dia mifampiresaka amin’ny mpiara-manompo.

ATAOVY NAMANA NY MPIARA-MANOMPO

Mivoria foana ary miezaha hanompo tsy tapaka miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy

AZA MILAVO LEFONA MIHITSY!

Mbola mamerina amin’ny laoniny ny tranonao ianao izao, izany hoe miezaka hinamana amin’i Jehovah indray. Tsy tian’i Satana anefa izany, ka vao mainka hataony izay hampisy olana eo amin’ny fiainanao. (Lioka 4:13) Hoatran’ny hoe mampisy rivo-doza izy mba handravana ny tranonao. Miomàna àry ka hamafiso dieny izao ny fifandraisanao amin’i Jehovah.

Mampanantena i Jehovah fa izao no hataony amin’ny ondriny: “Ny very hotadiaviko, izay nania haveriko, ny tapaka hasiako fehy lamba ary ny osa hohatanjahiko.” (Ezek. 34:16) Efa betsaka no nampian’i Jehovah mba ho tafarina. Matokia àry fa te hanampy anao koa izy, ka hahavita hanatsara ny fifandraisanareo foana ianao.

Inona no Azon’ny Anti-panahy Atao?

Manampy an’ilay rahalahy hanamboatra ny tranony ilay anti-panahy.

Tena afaka manampy ny olona voaray indray mba hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah ny anti-panahy. Inona avy no azony atao?

Omeo toky izy hoe tiana. Fantatry ny apostoly Paoly hoe mety ho “difotry ny alahelo be loatra” ny mpanota efa nibebaka. (2 Kor. 2:7) Mety ho menatra sy hamoy fo izy. Nanoro hevitra ny fiangonana àry i Paoly hoe tokony “hamela ny helony amin-katsaram-panahy” ry zareo, ary hampionona azy. Mila mahazo toky ny olona voaray indray hoe tena tia azy i Jehovah sy ny mpiara-manompo. Tsy ho kivy izy raha deraina sy ampiana matetitetika.

Mivavaha miaraka aminy. “Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.” (Jak. 5:16) Hoy i Larissa, ilay voaresaka tany aloha: “Nolazaiko tamin’ny anti-panahy ny zavatra nampisalasala sy nampahatahotra ahy, dia nivavaka ho ahy ry zareo. Lasa tsapako hoe hay ry zareo tsy tezitra tamiko, fa te hanampy ahy mba hifandray tsara amin’i Jehovah indray.” Hoy koa i Theo: “Rehefa nivavaka niaraka tamiko ny anti-panahy, dia lasa natoky aho hoe tena tia ahy i Jehovah ary mahita ny tsara ao amiko fa tsy hoe ny ratsy ihany.”

Miezaha hinamana aminy. Mila namana ao amin’ny fiangonana mantsy izy. Hoy ny anti-panahy atao hoe Justin: “Asao hanompo miaraka aminao ry zareo isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. Aza hadinoina koa ny mitsidika an-dry zareo any an-tranony. Tena mila namana ny olona voaray indray!” Izao koa no nolazain’ny anti-panahy atao hoe Henry: “Raha hitan’ny fiangonana hoe minamana aminy ny anti-panahy, dia hiezaka koa ry zareo.”

Ampio hianatra samirery izy. Afaka manampy azy mba ho zatra mianatra samirery ny namana matotra. Hoy ny anti-panahy atao hoe Darko: “Tena tiako ny miresaka amin-dry zareo ny zavatra mahaliana hitako tamin’ny fianarako samirery. Asehoko amin-dry zareo hoe mahafinaritra be ahy ny mianatra Baiboly. Asaiko hiara-mianatra amiko mihitsy ry zareo indraindray.” Hoy koa ny anti-panahy atao hoe Clayton: “Ampirisihiko ry zareo mba hitady tantaran’olona niaina zavatra nitovy tamin’ny an-dry zareo.”

Miezaha ho mpiandry tsara. Mpitsara no nahalalan’ilay olona ny anti-panahy. Tena mila mahita anefa izy izao hoe mpiandry ondry ry zareo. (Jer. 23:4) Tokony ho mailaka hihaino sy hidera azy àry ny anti-panahy, ary hifandray matetika aminy. Nohazavain’i Marcus hoe inona no ataon-dry zareo rehefa mitsidika olona voaray indray. Hoy izy: “Miresaka hevitra ara-baiboly izahay, dia midera azy. Omenay toky koa izy hoe tena faly izahay fa niezaka be izy mba hiverina, ary faly be amin’izany koa i Jehovah. Isaky ny vita ny resakay, dia mifanao fotoana aminy izahay hoe rahoviana indray no hitsidika azy.”

a Novana ny anarana ato.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara