FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 48:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary tsy faly i Josefa rehefa hitany hoe nataon’ny rainy teo amin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana. Notadiaviny hesorina teo amin’ny lohan’i Efraima àry ny tanan’ny rainy, dia hatao eo amin’ny lohan’i Manase.

  • Nomery 1:32, 33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ny taranak’i Josefa avy amin’i Efraima,+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 33 ka 40 500 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Efraima.

  • Deoteronomia 33:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ny voninahiny dia hoatran’ny voninahitry ny ombilahy nateraka voalohany,

      Ary tandrok’ombidia ny tandrony.

      Hanoto ny vahoaka amin’ireny izy,

      Ka hatosiny hatrany amin’ny faran’ny tany izy rehetra.

      Ireny no alinalin’i Efraima,+

      Sady arivoarivon’i Manase.”

  • Josoa 14:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nisaina ho foko roa ny taranak’i Josefa,+ dia i Manase sy Efraima.+ Tsy nomena anjara tao amin’ilay tany kosa ny Levita, afa-tsy tanàna+ honenana sy kijana ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara