-
Genesisy 47:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Rehefa akaiky ho faty i Israely,+ dia nantsoiny i Josefa zanany ka noteneniny hoe: “Raha mba mety aminao, dia ataovy ato ambany feko ny tananao. Dia asehoy hoe tena tia ahy ianao sady tsy mivadika amiko, ary hitana ny teninao amiko. Miangavy anao aho mba tsy handevina ahy eto Ejipta.+ 30 Rehefa maty* aho, dia ento hiala eto Ejipta, ary aleveno any amin’ny fasan’ny razambeko.”+ Dia hoy i Josefa: “Ao fa tena hotanterahiko tsara izany teninao izany.”
-
-
Genesisy 50:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nentin’ny zanany nankany Kanana ny fatiny, dia naleviny tao amin’ilay lava-bato teo amin’ilay saha tao Makpela tandrifin’i Mamre. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita, mba hataony toeram-pandevenana.+
-