FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 23:17, 18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa ny sahan’i Efrona tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe ilay saha sy ilay lava-bato tao ary ny hazo rehetra tao anatin’ny faritr’ilay saha, dia nekena ara-dalàna 18 ho fananan’i Abrahama, dia fananana novidiny teo imason’ny taranak’i Heta, teo imason’izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna.

  • Genesisy 25:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nandevina azy tao amin’ny lava-bato tao Makpela ireo zanany roa lahy, Isaka sy Ismaela, tao amin’ny sahan’i Efrona zanak’i Zohara Hetita. Io ilay saha tandrifin’i Mamre,+ 10 izay novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.+

  • Genesisy 35:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Farany, dia tonga tany amin’i Isaka rainy tany Mamre i Jakoba,+ tao Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Tao i Abrahama sy Isaka no nivahiny.+

  • Genesisy 49:29, 30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Taorian’izay, dia namela hafatra tamin’izy ireo izy hoe: “Kely sisa aho dia hangonina any amin’ny razambeko.*+ Aleveno miaraka amin’ny razambeko aho, ao amin’ilay lava-bato eo amin’ny sahan’i Efrona Hetita,+ 30 dia ilay lava-bato eo amin’ilay saha ao Makpela tandrifin’i Mamre, any Kanana. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita mba hataony toeram-pandevenana.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara