-
Genesisy 47:29-31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Rehefa akaiky ho faty i Israely,+ dia nantsoiny i Josefa zanany ka noteneniny hoe: “Raha mba mety aminao, dia ataovy ato ambany feko ny tananao. Dia asehoy hoe tena tia ahy ianao sady tsy mivadika amiko, ary hitana ny teninao amiko. Miangavy anao aho mba tsy handevina ahy eto Ejipta.+ 30 Rehefa maty* aho, dia ento hiala eto Ejipta, ary aleveno any amin’ny fasan’ny razambeko.”+ Dia hoy i Josefa: “Ao fa tena hotanterahiko tsara izany teninao izany.” 31 Hoy izy avy eo: “Mianiàna amiko àry.” Dia nianiana taminy i Josefa.+ Ary niankohoka teo an-doham-pandrianany i Israely.+
-