-
Genesisy 17:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Efa henoko anefa izany teninao momba an’i Ismaela izany. Hotahiko koa izy, ka hataoko manan-taranaka sady hataoko lasa be dia be mihitsy ny taranany. Hiteraka mpiadidy 12 izy, ka hataoko lasa firenena lehibe.+
-
-
Genesisy 25:13-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Ismaela, araka ny anarany avy sy araka ny fianakaviana nipoirany: I Nebaiota+ no lahimatoan’i Ismaela, ary nanarakaraka azy i Kedara,+ Adbela, Mibsama,+ 14 Misma, Doma, Masa, 15 Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedema. 16 Ireo no zanakalahin’i Ismaela, ary ireo no anarany araka ny tanànany avy sy ny tobiny,* izany hoe mpiadidy 12, araka ny fokony avy.+
-