FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 8:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nasiany toby miaramila tany Edoma. Nanerana an’i Edoma mihitsy no nasiany toby miaramila, ka lasa mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra.+ Dia nataon’i Jehovah nandresy* i Davida, na taiza na taiza nalehany.+

  • Malakia 1:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Efa nasehoko anareo hoe tiako ianareo”,+ hoy i Jehovah.

      Hoy anefa ianareo: “Inona no porofo fa tia anay ianao?”

      Dia hoy i Jehovah: “Angaha moa tsy rahalahin’i Jakoba i Esao?+ I Jakoba anefa no tiako, 3 fa i Esao kosa halako,+ ka nataoko tsy misy mponina+ ny tendrombohiny. Navelako ho lasa fonenan’ny alikadia any an-tany efitra koa ny lovany.”+

  • Romanina 9:10-13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy tamin’izay ihany anefa Andriamanitra no nampanantena, fa nanao an’izany koa izy tamin’i Rebeka niteraka kambana tamin’ny lehilahy iray, izay tsy iza fa i Isaka razambentsika.+ 11 Fa tamin’ny mbola tsy teraka ireo kambana ireo ary mbola tsy nanao izay tsara na ratsy, dia efa nilaza mialoha Andriamanitra hoe iza no hofidiny. Izay tiany mantsy no fidiny, fa tsy hoe miankina amin’izay ataon’ny olona. 12 Dia nolazaina tamin’i Rebeka tamin’izay, hoe: “Ny zokiny hanompo ny zandriny”,+ 13 araka ny voasoratra hoe: “I Jakoba no tiako, fa i Esao kosa halako.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara