23 Dia hoy i Jehovah taminy: “Firenena roa no ao an-kibonao,+ ary vahoaka roa no hisaraka avy ao anatinao.+ Ny vahoaka iray dia hatanjaka noho ny iray,+ ary ny zokiny hanompo ny zandriny.”+
26 Avy eo dia nivoaka koa ny rahalahiny, ary nitazona ny voditongotr’i Esao ny tanany.+ Koa natao hoe Jakoba* ny anarany.+ Ary 60 taona i Isaka tamin’i Rebeka niteraka azy mirahalahy.
29 Enga anie hanompo anao ireo firenena, ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa! Ary enga anie hanana fahefana amin’ny rahalahinao ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao!+ Ho voaozona anie izay manozona anao, fa hotahina kosa izay mitso-drano anao!”+