-
Genesisy 28:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Hitahy anao ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ka hataony manan-taranaka ianao, sady hataony lasa be dia be ny taranakao. Dia ho lasa firenena lehibe ianao.+
-
-
Ezekiela 25:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Namaly faty i Edoma ka nasiany ny taranak’i Joda. Nanao fahadisoana lehibe izy rehefa namaly faty an’ireo.+ 13 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely an’i Edoma koa aho, ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao, ary hataoko lasa tsy misy mponina izy.+ Dia ho fatin’ny sabatra ny olona hatrany Temana ka hatrany Dedana.+
-