FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 28:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia ho lasa be dia be hoatran’ny vovoka amin’ny tany ny taranakao,+ ka hiparitaka any andrefana sy any atsinanana sy any avaratra ary any atsimo. Ary azo antoka fa amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana* ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+

  • Genesisy 46:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia niteny tamin’i Israely, tao amin’ny fahitana tamin’ny alina, Andriamanitra hoe: “Jakoba, Jakoba!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko!” 3 Ary hoy Andriamanitra: “Izaho no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny rainao.+ Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko firenena lehibe ianao rehefa any.+

  • Eksodosy 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nihamaro ny Israelita* ka lasa be dia be. Nitombo ny isany ary nihanahery tsy nisy hoatr’izany izy ireo, ka lasa feno azy ilay tany.+

  • Eksodosy 32:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nanaovanao fianianana hoe: ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo.+ Ary homeko ny taranakareo io tany manontolo io, izay efa nofidiko ho azy ireo. Dia ho azon’izy ireo alaina ho fananany mandrakizay izy io.’”+

  • Asan’ny Apostoly 7:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Rehefa nanakaiky ny fotoana hahatanterahan’ilay fampanantenana nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Ejipta.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara