Eksodosy 28:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Mitenena amin’izay rehetra manan-talenta,* izay efa nofenoiko fanahin’ny fahendrena.+ Izy ireo no hanamboatra ny akanjon’i Arona mba hanamasinana azy, ka ho afaka hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy. Eksodosy 31:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Ary hanendry an’i Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, aho mba hanampy azy. Omeko fahendrena izay rehetra manan-talenta,* mba ho afaka hanao an’izay rehetra nandidiako anao,+ Eksodosy 36:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Koa nanao ny tranolay masina+ ny mpiasa rehetra nanan-talenta.+ Ireto avy no nanaovany an’ilay izy: Lamba folo vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra. Dia noravahany* sarina kerobima natao peta-kofehy ireo lamba.+
3 Mitenena amin’izay rehetra manan-talenta,* izay efa nofenoiko fanahin’ny fahendrena.+ Izy ireo no hanamboatra ny akanjon’i Arona mba hanamasinana azy, ka ho afaka hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy.
6 Ary hanendry an’i Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, aho mba hanampy azy. Omeko fahendrena izay rehetra manan-talenta,* mba ho afaka hanao an’izay rehetra nandidiako anao,+
8 Koa nanao ny tranolay masina+ ny mpiasa rehetra nanan-talenta.+ Ireto avy no nanaovany an’ilay izy: Lamba folo vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra. Dia noravahany* sarina kerobima natao peta-kofehy ireo lamba.+