-
Eksodosy 25:31-39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 “Manaova fitoeran-jiro+ amin’ny volamena tsy misy fangarony. Tefeo amin’ny marotoa ilay izy. Tokony ho vaingam-bolamena iray tsy saratsarahina no hotefena hanaovana ny tongony, ny vatany, ny sampany, ny voninkazony, ny bokony, ary ny felany.+ 32 Ary hisy sampany enina ilay fitoeran-jiro, ka ny telo eo amin’ny andaniny ary ny telo eo amin’ny ankilany. 33 Hisy voninkazo telo miendrika vonin’amandie eo amin’ireo sampany amin’ny andaniny iray. Elanelanin’ny bokony sy ny felany ireo voninkazo ireo. Hisy voninkazo telo miendrika vonin’amandie koa eo amin’ireo sampany eo amin’ny ankilany. Elanelanin’ny bokony sy ny felany koa ireo voninkazo ireo. Ho toy izany ny endrik’ireo sampany enina amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro. 34 Misy voninkazo efatra miendrika vonin’amandie koa eo amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro. Elanelanin’ny bokony sy ny felany ireo voninkazo ireo. 35 Hisy bokony iray eo ambanin’ny sampany roa voalohany amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro. Hisy bokony iray koa eo ambanin’ny sampany roa manarakaraka. Ary hisy bokony iray koa eo ambanin’ny sampany roa farany. Hisy toy izany daholo eo ambanin’ny sampany enina amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro. 36 Tokony ho vaingam-bolamena iray tsy misy fangarony sady notefena tamin’ny marotoa no hanaovana an’ilay fitoeran-jiro manontolo, anisan’izany ny bokony sy ny sampany.+ 37 Manaova jiro fito ho an’ilay fitoeran-jiro. Hanazava ny faritra eo anoloany ireo jiro ireo rehefa arehitra.+ 38 Tokony ho volamena tsy misy fangarony no hanaovana ny fitazonana lahin-jiro* sy ny fitondrana afo.+ 39 Volamena tsy misy fangarony milanja iray talenta* no hanaovana an’ilay fitoeran-jiro sy ireo fitaovana miaraka aminy ireo.
-