-
Eksodosy 28:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Manaova mason-drojo volamena roa, ka asio iray avy ny zorony roa ambany amin’ilay saron-tratra, eo amin’ny sisiny anatiny mifampikasika amin’ny efoda.+ 27 Manaova ihany koa mason-drojo volamena roa, ary apetaho eo anoloana amin’ilay efoda, eo ambanin’ireo lamban-tsoroka roa, eo akaikin’ny fitambaran’ny efoda, eo ambonin’ilay fehikibo vita tenona.+ 28 Asio kofehy manga eo amin’ny mason-drojon’ny saron-tratra mankeo amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba hamatorana an’ilay saron-tratra. Amin’izay dia hipetraka tsara eo amin’ny efoda, eo ambonin’ilay fehikibo vita tenona, ilay izy.
-