-
Eksodosy 3:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ary hataoko mahazo sitraka amin’ny Ejipsianina ny vahoakako, ka tsy handeha tanam-polo+ mihitsy ianareo rehefa miala any. 22 Hangataka zavatra vita amin’ny volafotsy sy volamena ny vehivavy tsirairay, sady hangataka akanjo. Hangataka izany amin’ny mpiray tanàna aminy sy amin’ny vehivavy mipetraka ao an-tranony izy. Dia ampanaovy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany, ary hataonareo fongana ny fananan’ny Ejipsianina.”+
-
-
Eksodosy 12:35, 36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Ary nataon’ny Israelita izay nasain’i Mosesy nataon’izy ireo, ka nangataka zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena tamin’ny Ejipsianina izy ireo sady nangataka akanjo.+ 36 Dia nataon’i Jehovah nahazo sitraka tamin’ny Ejipsianina ny vahoaka, ka nomen’izy ireo azy izay nangatahiny. Koa nataon’ny Israelita fongana ny fananan’ny Ejipsianina.+
-