-
Eksodosy 11:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia hoy i Mosesy: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Handeha hitety an’i Ejipta aho, rehefa tokotokony ho misasakalina.+ 5 Dia ho faty ny lahimatoa rehetra ao Ejipta,+ hatramin’ny lahimatoan’i Farao, dia i Farao izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy izay manodina ny vato fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompy.+
-
-
Salamo 135:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Novonoiny ho faty ny lahy teraka voalohany tany Ejipta,
Na olona na biby.+
-