-
Nomery 20:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Mba avelao handalo ao amin’ny taninao re izahay e! Tsy handeha eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin’izay lavadrano ao. Fa ny Lalan’ny Mpanjaka no handehananay, ary tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay, raha tsy efa tafavoaka ny taninao.’”+
-
-
Nomery 21:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ary naniraka olona nankany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita ny Israely, hiteny hoe:+ 22 “Avelao izahay handalo ao amin’ny taninao. Tsy hivily ho eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin’izay lavadrano ao. Fa ny Lalan’ny Mpanjaka no handehananay, mandra-pahatafavoakanay ny taninao.”+
-