-
Eksodosy 33:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana miala eto ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy tany Ejipta. Ary mankanesa any amin’ilay tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko azy io.’+ 2 Haniraka anjely eo alohanao aho,+ sady handroaka ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.+
-
-
Deoteronomia 7:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa halainao ho anao ianao,+ dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto:+ Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+
-
-
Nehemia 9:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ianao no Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izay nifidy an’i Abrama+ sy nitondra azy hiala tao Oran’ny+ Kaldeanina, ka nanao ny anarany hoe Abrahama.+ 8 Hitanao fa nifikitra taminao ny fony,+ ka nanao fifanekena taminy ianao hoe homenao azy sy ny taranany+ ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita. Dia nitana ny teninao ianao satria ianao manao ny tsara foana.
-