-
Deoteronomia 5:7-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy* mihitsy.+
8 “‘Aza manao sary sokitra+ ho anao, na manamboatra zavatra mitovy bika amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. 9 Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.+ 10 Fa raha misy kosa tia ahy sy mankatò ny didiko, dia ho tiako* foana ny taranany, hatramin’ny taranany faharivo.
-