-
Deoteronomia 4:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “Dia nanatona ianareo, ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra. Ary nirehitra ilay tendrombohitra, ka nisy afo nanakatra ny lanitra,* sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito.+ 12 Dia niteny taminareo avy tao anaty afo i Jehovah,+ ka naheno feo ianareo saingy tsy nahita an’ilay niteny.+ Feo ihany no henonareo.+
-