-
Levitikosy 18:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Aza manao toy ny ataon’ny olona any Ejipta, izay nipetrahanareo. Ary aza manao toy ny ataon’ny olona any amin’ny tany Kanana, izay hitondrako anareo.+ Aza manaraka ny fanaony.
-
-
Deoteronomia 12:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Tandremo anefa sao voafandrika hanaraka ny fanaon-dry zareo ianao, rehefa aringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehanao ry zareo. Aza manontanintany momba ny andriamaniny, hoe: ‘Mba ahoana àry no fanaon’ireo firenena ireo rehefa manompo ny andriamaniny ry zareo? Mba hanao hoatr’izany koa aho.’+
-
-
2 Tantara 33:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ny firenena efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny vahoakan’Israely.+
-